· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Desambra, 2011

Okraina:Misava Làlana Amin'ny Fampiasàna Ny Media Sosialy Ny Hôpitalim-Bahoaka

  15 Desambra 2011

Nitsangana ny 1798, ny toeram-pitsaboana klinikam-paritra ao Dnipropetrovsk [ru, uk] - notendrena taorian'i Ilya Ilyich Mechnikov - dia iray amin'ireo trano fitsaboana ntaolo indrindra any Okraina. Izy ihany koa dia iray amin'ireo toerana fitsaboana an'ny fanjakana voalohany indrindra izay mampiasa ny media sosialy. Mitatitra i Tetyana Bohdanova.Founded in 1798, Dnipropetrovsk Regional Clinical Hospital is one of the oldest hospitals in Ukraine. It is also one of the first state medical institutions to use social media. Tetyana Bohdanova reports.

Etiopia : Adihevitra Mikasika Ny Fifanambadian'olo-mitovy Raha Mampiantrano Ny Fihaonambe Momba Ny SIDA Ny Renivohitra

  07 Desambra 2011

Fivoriam-be Iraisam-pirenena iray momba ny SIDA sy ny Aretina Azo avy amin'ny Firaisana izay hatao ao Afrika no nahatonga resabe taorian'ny fivorian'ireo mpitondra fivavahana sy ireo manampahefana avy amin'ny governemanta ao Etiopia ny 29 Novambra 2011, ny amin'ny hoe ho raràna na tsia ny fivorian'ireo mafàna fo mpiaro ny zon'ireo "gays". Nifandrimbona ireo mponina tao amin'ny Facebook momba izany.

Madagasikara: Adihevitra Momba ny Fampiasam-bola Mivantana

  06 Desambra 2011

Raha mbola eo ampitadiavana ny vahaolana ialana amin'ny krizy politika miitatra i Madagasikara, miresaka ny lanjan'ny Fampiasam-bola mivantana (FDI) kosa ny bilaogera malagasy. Maro ny Malagasy no mihevitra fa manana harena voajanahary, tahaka ny firenena Afrikana hafa, i Madagasikara, saingy potiky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fifanakalozam-barotra misy fanambakana.

Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!

Ato isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres. Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.