· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Oktobra, 2011

Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan

  21 Oktobra 2011

Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona hanohy ny tolona ho fanajana ny zon'olombelona any an-toerana na dia teo aza ny fahafatesan'i Pollan, ao anatin'ny fanjakana voasazy...

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

  16 Oktobra 2011

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Rosia: Mampifandray Mpiray Tanàna, Mamonjy Aina

Ny mpamorona ny tranonkala izay nahatonga ny Rosiana hifanome tànana hifanampy nandritra ny doro-ala tamin'ny taona 2010 dia nanome endrika vaovao ilay tranonkala ho fomba iray hahafahan'ny olom-pirenena mifanohana amin'ny fomba vaovao - ao anatin'izany ireo mpanome rà an-tsitrapo izay mipetraka aminà toerana maro manerana ny firenena.