· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Mey, 2011

Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo

  28 Mey 2011

Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.

Japana: Ampio ireo izay manampy

  27 Mey 2011

Roa volana izay no lasa taorian'ilay horohorontany sy tsunami tao Japana. Afaka manohy ny fiainany ara-dalàna ireo izay tsy tratran'ny horohorontany mivantana, olona eo amin'ny 110 000 no mbola mialokaloka anaty trano lay, araka ny fanombatomban'ny polisy. Ny tsy fananana fiainana manokana, ny fisarahana amin'ny fianakaviana sy ny namana mahazatra,...

Malezia: siokantsera momba ilay mpanondraka asidra

  22 Mey 2011

Nirotsaka nanerana ny valan-tserasera tany Malezia izao hafatra izao andro maromaro lasa izay: @MelordeLicious: RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: Acid splasher on the run,plate no : MAC1841 n WPV4963…ALERT!!! Spread this msg.. -“ @MelordeLicious:RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: am-pandehanana [fiara na môtô] ny mpanondraka asidra, laharana MAC1841 n WPV4963…FANAIRANA!!! Aelezo ny hafatra.. -“ Saingy...

Okraina : Mibilaogy hamantarana ny momba ny tena

Rising Voices  20 Mey 2011

Ho an'ireo mpidoroka zava-mahadomelina, mitondra fiovana azo tsapain-tanana eo amin'ny fiainany ny fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana [izay iankinana]. Ny fiverenana amin'ny fiainana mahazatra taorian'ny fahazarana  mampiasa tsindrona zava-mahadomelina teo amin'ny fiainana, dia mitaky fiovana tsy eo anivon'ny fomba fiaina ihany fa fiovana koa eo anivon'ny toe-tsaina. Tokony hihevitra indray ny momba ny fiainany,...