· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Janoary, 2011

Chile: Mpitoraka bilaogy mifanakalo hevitra momba ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana

  08 Janoary 2011

Mifanakalo hevitra ireo Chilean mpitoraka bilaogy momba ny volavolan-dalàna ikendrena ny hanaovana ny fanalàn-jaza noho ny antony ara-pahasalamana tsy ho toy ny heloka bevava intsony, zavatra izay noraràna hatramin'ny 1989, ka manome alàlana hampitsahatra vohoka noho ny antony ara-pahasalamana raha toa ilay reny ka mitondra vohoka fantatra fa tsy ho tafita na mety hanohintohina ny ain-dehibeny.

Malezia: Fe-potoana nomena ho an'ireo sekoly manofana ho mpitsabo

  07 Janoary 2011

Nanome baiko ny governemanta Maleziana ka haato mandritry ny dimy taona ny fandaharam-pitsaboana manerana ny firenena rehetra, ka ny tanjona amin'izany dia ny fametrahana fanovana izany hoe ny fanomezana lanja ny hatsarana mitaha amin'ny habetsahana satria tsy mitsaha-mitombo isan-taona ireo mpianatra mahazo diplaoma eo amin'ny fitsaboana.