· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Septambra, 2010

Egipta: Mitohy ny resa-pady momba ny mpivarotena sy ny setrasetran-dehilahy

Rising Voices  25 Septambra 2010

Namoaka lahatsoratra maromaro momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiaraha-monina Egyptiana ny mpitoraka blaogy vaovao, ho an'ny tetikasa “Manadihady ny fady” any le Caire. Mahakasika ireo mpivarotena sy ny setrasetra ataon-dehilahy amin'ny vehivavy ny sasany amin'ny lahatsoratra. Vao haingana ny sasany tamin'ireo mpitoraka blaogy no nivoaka ny firenena ka nahafahan'izy...

Sina: Mpampianatra lalàna iray amidy …

  19 Septambra 2010

"Yang Zhizhu no anarako ary teo aloha aho dia mpampianatra mpisolo toerana tao amin'ny Anjerimanontolo Fianarana ny Siansa Politika ho an'ny tanora any Sina. Bevohoka tsy nahy ny vadiko ary tsy marisika ny hanala zaza. Tamin'ny 21 Desambra 2009 izy no niteraka ny zanakay vavy faharoa."

Korea atsimo: Niteraka adihevitra nafana teo amin'ny mponina ny drafitry ny governemanta ho fampakarana ny vidin'ny sigara

  15 Septambra 2010

Nanambara mikasika ny fampiakarana avo telo heny ny vidin'ny sigara ny sampana misahana ny fahafalaman'i Korea atsimo mba hanenana ny tahan'ny fifohan'ny mponina manerana ny firenena sigara izay avo dia avo, izany dia niteraka adihevitra haingana teo amin'ny aterineto izay mihodinkodina eo amin'ny vidin'ny sigara. Maro ireo Koreana no mankasitraka ny fanenana ny tahan'ny fifohana sigara nefa miahiahy izy ireo eo amin'ny fahombiazan'io drafitra vaovao io.

Sina: Mendrika ny hahita masoandro mihiratra i Tian Xi

  11 Septambra 2010

I Tian Xi, 23 taona dia mararin'ny SIDA izay tratran'ny VIH tamin'ny taona 1996 rehefa nampiana rà tany amin'ny tobim-pitsaboana iray any amin'ny faritr'i Xincai, faritanin'i Henan. Noho ny fanaraha-maso ny filaminana, nosamborina izy ny 17 Aogositra ary nafindra tany amin'ny Tobim-pitazonana ireo voampanga tamin'ny 25 Aogositra.

Azia: horonantsary mikasika ny fanararaotana noho ny zava-mahadomelina sy ireo Toby fihazonana

  11 Septambra 2010

Mirehareha ireo toby fihazonana noho ny fifohana zava-mahadomelina any Azia. Na dia nanolo-tena hiala amin'io fahazaran-dratsin yio aza ny sasany amin'ireo mpiankin-doha amin'ny zava-mahadomelina Aziatika, amin'ireo toerana sasany, nitarika tamin'ny fanararaotana toa misosa ho azy ny zon'olombelona eny an-dalambe izany ka hanidiana ireo olona tsy manan-tsafidy, ampijaliana, aolana, terena hiasa maimaim-poana sy tsy mahazo izay filàna fototra akory.

Shina: Niakatra ny harin-karena, ary ny fandaniambola?

  01 Septambra 2010

Tsy mitsahatra ny maheno isika hoe mitombo hatrany ny toe-karen'ny Sina; nitombo tsikelikely ve ny fandanian'ny vahoaka? Mijanona any amin'ny banky ny tahirin'ny tsirairay avy, hoy ny mpitoraka blaogy iray: manomboka any amin'ny toeram-pitsaboana ka hatrany an-tsekoly sy any amin'ny toerana natokana ho an'ireo be antitra dia tsy afaka mifaninana amin'ny hafa ny Sina.