· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jolay, 2010

Filipina : olana rano ao Manille

  24 Jolay 2010

Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka  namaky ny fantson-drano ao Malabon. Miezaka mampivoitra ity tsy fahampian-drano ity ireo mpitoraka bilaogy any Filipina. Miahiahy i Blackshama's blog mahita fa...

Bahrain: Atsaharo amin'izay!

Miaraka amin'ny volana masin'ny Ramadan silamo (volana fifadian-kanina) izay mihamanakaiky haingana dia haingana, ilay mpitoraka blaogy Bahraini Tawfeeq Al Rayash dia manenjika bitro roa. Mifady hanina mandritra ny telo volana izy ary miala amin'ny fifohana sigara taorian'ny antso fampahatsiarovan-tena avy amin'ny zanany vavy. Manambara ilay mpitoraka blaogy: قررت أن أبدأ...

Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe

Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny  Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa ny sarin'izay “toeram-pivoahana ho an'ny daholobe faran'izay maloto eo anivon'ny firenena” ka avondrona araka ny tanàna sy ny adiresy (tobim-piaran-dalamby,...

Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany

  01 Jolay 2010

Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.