· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Septambra, 2009

Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH

  16 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fahasalamana any Myanmar dia mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH raha te-hiasa any an-toerana ireto farany. Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina "hifehezana" na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity.

Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza

  08 Septambra 2009

Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.