· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Febroary, 2009

Japana: Fotoan'ny sery indray.

  22 Febroary 2009

Raha toa mantsy ka ny fitiavana ihany no mba eny ambonin’ny lanitra. Efa miiditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Cedre. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Nohesorina ny sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia mba azahoana mahazo toerana hasiana ireo fitaovana hiatrehana ny Kafunsho toy ny: mosoara, ny aro-tava, ny hanitra mint atete sy ny maro hafa.

Kambodza: Mizotra misimisy kokoa amin'ny ho avin’ny natiora organika.

  19 Febroary 2009

Mikirakira an-tsehatra ireo vaovao bolongana Phnom Penh mikasika ny fihemoran’ny fivezivezen’ny sakafo tamin’ny 10 Febroary 2009 ny mpitoraka bolongana ao amin’nyCAAI News Media sy i Khmer Stars. Miresaka ny filozofian’ny fanamboarana ny sakafo ho tsara, madio sy mendrika manoloana ny fihenan-tsakafo ny loharanom-baovao, ary milaza izy hoe amin’ny fomba ahoana...

Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao anatin'ny taona.

Malezia : ady amin'ny dengy sy ny tsikongonia

  11 Febroary 2009

Vokatry ny fitomboan'ny olona mararin'ny dengy dia manao fanentanana amin'ny ady amin'ity aretina ity ny fanjakana Maleziana. Araka ny fantatra tamin'ny volana lasa dia nahatratra 4 521 no isan'ny olona narariny ary 13 no matiny. Mampatahotra ny fiakaran'isan'ireo mararin'ny dengy. Tamin'ny taon-dasa dia nahatratra 49 335 ny isan'ny olona narary...

Etiopia: Ny fiovàna entin'ny rano

  03 Febroary 2009

Tamin’ny faran’ny taona lasa teo, fianakaviana dimy no nanapa-kevitra fa ny fitsidihana an’i Etiopia miaraka amin’ny zanany vavy no fomba tsara indrindra ho azy ireo mba ahafantarany hoe hatraiza no nahafahan’ny fanampiana nomeny hampidirana rano madio sy azo antoka nanova ny fiainan’ny fianakaviana maro sy tanàna iray manontolo. Amin’ny alalan’ny...