· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jolay, 2008

Dominika sy USA: Politika sy Olona

  31 Jolay 2008

“Liana dia liana amin'ny fizotry ny fifidianana Amerikana i Chris ao amin'ny Dominica Weekly , ary mitarika azyizany hitodika amin'ny toetoetran'ny politika ao an-tanindrazany: “Angamba ny zavatra mahomby indrindra azontsika atao dia ny milaza ny marina amin'ny manampahefana, midradradradra izay ilaintsika, mitaky ny zo sasantsasany, tahaka ny fitsaboana, fahampiantsakafo, ary...

Mozambique: Fa maninona no tsy ampidirina amin'ny hopitalintsika ny mpitondrantsika

  29 Jolay 2008

Custódio Duma [pt] no mitondra vaovao ho antsika fa nentina haingana tany amin'ny hopitaly any Afrika Atsimo ny minisitry ny fiarovana Mozambikana Filipe Nyussi raha tapaka nandritra ny lozam-pifamoivoizana ny tanany. “Reko ny filazan'ny minisitry ny fahasalamana tao amin'ny RDP Africa tamin'ny herinandro fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Hopitaly lehiben'i Maputo…...

Iran: Mirahalahy miady amin'ny SIDA nosamborina

  27 Jolay 2008

Saffron Sky no nanoratra fa mpikaroka mirahalahy (Dr. Kamiar sy Dr. Arash Alaei), izay fanta-dtaza iraisam-pirenena noho ny asany amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA any Iran, no nogadrain'ny fitondrana Iraniana nandritra ny iray volana.

Eoropa afovoany sy atsinanana: Politikan'ny FMI sy ny matin'ny raboka

  24 Jolay 2008

Eternal Remont no manintona ny maso amin'ny alalan'ny fanadihadiana natao tao amin'ny Anjerimanontolon'i Cambridge vao haingana milaza ny fiantraikan'ny politikan'ny FMI izay nitarika fahafatesan'olona mararin'ny raboka mahatratra 100 000 nandritra ny taompolon'ny 1990 tany Eoropa atsinanana.

Bahamas: kolontsaina fimailo

  23 Jolay 2008

“Mihanaka aoka izany ny aretina azo avy amin'ny firaisana tsy voaro sy ny tsimok'aretina VIH/SIDA any Bahamas , noho ny fitomboana fatratra ny isan'ireo tanora tratran'izany”: Adrian Gibson ao amin'ny WeblogBahamas moa dia manolo-kevitra hisian'ny fimailo any an-tsekoly.

Arimenia: Sigara amantarana firenena

  19 Jolay 2008

Stuff Armos Like, mijery tsy misorona ny fahazaran(-dratsy) Arimeniana, no miteny fa raha mahazo vahana fatratra any amin'ny faritra maro hafa ny vondrom-panerena hanoherana ny fifohana sigara, dia azo heverina ho mamaka lalina amin'ny zavamisy Arimeniana kosa ny sigara.  Vazivazian'ny bolongana moa fa na ho voarara any amin'ny firenenkafa rehetra aza ny...

Madagasikara: Ny fandrindram-piterahana

  18 Jolay 2008

Jayne Taylor Gaubatz, mpanolotena ao amin'ny Vondron'ny mpitandro fandriampahalemana ( Corps de la Paix) mpamaham-bolongana ao atsimon'ny tanànan'i Fianarantsoa, no mitantara ny fiantraikan'ny afisy miresaka ny fandrindra-mpiterahana tsara soritra iray, ny maha-zava-dehibe ny fandanjana ny zaza ary ny  nanatrehany hira-na chorale indray mandeha [en].

Madagasikara: Fanambadiana aloha loatra sy fahasimban'ny taova

  18 Jolay 2008

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra)...

Egypta: Mirodana ireo tranobe

  17 Jolay 2008

Zava-mahazatra eto Egypta ny lohateny vaventin’ireo gazety milaza fikorotsahana tranobe , ary koa ireo vatana mangatsiakan’ankizy sintonina avy any ambanin’ireny korontan-javatra ireny. Ibn Al Dunya, [anglisy], ao amin’ny blaogy Fustat, dia mitatitra ny zava-doza farany hatreto, izay namoizana ain’olona tsy manatsiny dimy. Hoy ny mpitoraka blaogy manazava [anglisy]: Tranobe iray...