Tantara misongadina momba ny Fahasalamàna
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?
Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH
Ny Ministeran'ny Fahasalamana any Myanmar dia mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH raha te-hiasa any an-toerana ireto farany. Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina "hifehezana" na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity.
2009-10-28
Repoblika Dominikana: Hetsika fampahalalana ny homamiadana
2009-09-25
2009-09-08
2009-09-07
Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.
2009-08-21
Hevitry ny mpamaham-bolongana momba ny fampahafantarana ny VIH/SIDA any amin'ny Tontolo Arabo
Fady any amin'ny ankamaroan'ny faritra Arabo ny miresaka ny momba ny VIH/SIDA, na dia misy aza ny fandaharan'asan'ny PNUD na sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana tahaka ny HARPAS izay miezaka ny mampahafantara ny momba azy ity. Raha mitatitra ny tsy fahafantarana ny momba ny VIH/SIDA ny mamaham-bolongana sasany, dia ...
2009-08-13
Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia
Na dia sarotra aza ny miresaka malalaka momba ny VIH/SIDA, dia mitombo hatrany ireo mpamaham-bolongana manerantany mireska ny fomba fiainany mitondra ny tsimok'aretina.
2009-08-11
Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project' sy ny diorano
Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà ...
2009-07-14
Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa
Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika. Mahakasika olona maro ity tsy fahampian-drano ity isaky ny faran'ny herinandro mandritry ny fotoana tsy voafetra.






