The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Governance Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Governance

2009-10-25

Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia. Tao amin'ny Flickr id: Ushio ...

2009-10-18

Porto Rico: Vonona ho amin'ilay fitokonana nasionalyVideo post

Mivonona ho amin'ny fitokonanana nasionaly hatao amin'ny Alakamisy 15 Oktobra, izay mikendry ny hampikatso ny firenena mandritra ny andro iray i Porto Rico sy ny mpitoraka blaogy ao aminy.

2009-10-11

Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon

Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.

2009-10-06

Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly

Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala telo farafahakeliny no niara-nanapa-kevitra hitantara azy an-tserasera [streaming] , zavabita tsara indrindra [record] izany ho an'ny tambajotran-tserasera Kostarikana. Tsy ...

2009-09-30

Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasyVideo post

Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.

Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana

Manazava ny mpilalao sarimihetsika George Clooney ny fomba ahafahanao mandray anjara sy hahatafidiranao ho isan'ny 5 mpandresy izay mety ho tsara vintana handray anjara amin'ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any amin'ny tanànan'i new York.

2009-09-28

Thailand: Telo taona aty aorian'ny Fanonganam-panjakana tamin'ny 2006

Nanamarika ny fitsingerenan'ny fahatelo taonan'ny fanonganam-panjakana ny 19 Septambra lasa teo izay nanery ny praiministra Thaksin Shinawatra hiala sy ho any an-tsesitany amin'izao fotoana izao. Mahatsiaro io fitsingerenan'ny taonan'ny fanonganana io koa ireo mpampiasa bilaogy.

2009-09-25

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

Conversations for a Better World
Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

2009-09-24

Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee

Andian'ilay hajia taona 2008 , nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia haingana any ny rojon'imailaka feno fanaratsiana. Miampanga lainga ny filoha Obama ho mamoaka hajia vaovao fahatsiarovana ny Idy roa ...

Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadonaVideo post

Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana "maitso" manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika. Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany Mahmoud Ahmadinejad nandritra ny adihevitra ...