· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Novambra, 2011

Shina: Mpiasam-Bahoaka Namono Tena Rera-tsaina Ve Sa Norerahan-tsaina?

  28 Novambra 2011

Araka ny fanadihadiana nataon'ny manampahefana sinoa dia toa hoe mihabetsaka ireo mponina Sinoa no tratran'ny aretin-tsaina amam-panahy. Malaza moa fa rehefa nozahana dia marary saina amin'ny karazan'aretina toy ny Fikorontanana Vokatry ny Fifikirana Tafahoatra izay olon-tsotra manao fanangonan-tsonia manohitra ny tsy rariny sy ny kolikoly manjaka eo amin'ny firenena. Vao...

Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra

Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.

Filipina : Nosamborina Ilay Filoha Teo Aloha

  23 Novambra 2011

Ilay Filohan'i Filipina teo aloha Gloria Arroyo dia napetraka eo ambany 'fanaraha-maso ao amin'ny hopitaly' taorian'ny niampangana azy tamin'ny fanakorontanana fifidianana. Fanehoan-kevitra anaty aterineto maro no nahatonga ilay tenifototra #ArroyoArrest ho iray amin'ireo lohahevitra malaza indrindra eran-tany.

Arzantina: Fepetra Vaovao Hanaraha-maso Ireo Vola Vahiny

  23 Novambra 2011

Ny 31 Oktobra 2011, nandefa andianà fepetra mba hanaraha-maso ny fivarotana ireo vola vahiny ny governemanta arzantina. Ireo fepetra ireo dia natao mba hanatsaharana ny fiakaram-bidin'ny dollar Amerikana Tavaratra, ka tao anatin'izany ny Banky Foiben'i Arzantina, noho izany, dia tsy maintsy nampidina ny tahiriny mba hialàna amin'ny fitohizan'ny fidinan'ny sandàm-bola peso arzentina manoloana ny dollar.

Liberia: Iza moa izany no tena resin'i Ellen Johnson ?

  20 Novambra 2011

Mbola nandresy ny fifidianana indray i Ellen Johnson Sirleaf ny Alakamisy teo tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena nokorontanin'ny mpanohitra any Liberia. MItady ny lalana ara-dalàna ny olon'ny mpanohitra, i Winston Tubman, mba hanafoananana ny fifidianana indray ny filoha Ellen Johnson-Sirleaf. Ireto misy santionana tsikera sy hevitra mikasika ny fifidianana avy amin'ny mpiserasera.

Koety: Nakorontan'ny Mpanao Fihetsiketsehana ny Antenimieram-Pirenena

Nakorontan'ny Koesiana tezitra an'arivony ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny Alarobia 16 Novambra 2011, rehefa nifampigidraka tamin'ny polisy sy ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana. Efa nihahenjana tokoa ny tontolo politika Koesiana tao anatin'ny taona vitsivitsy, ary kihon-dalana vaovao teo amin'ny toe-draharaha ny lohataona Arabo tamin'ny fiandohan'ity taona ity

Ireo Fandinihina Manokana Momba Ny Tetibolan'i Timor Atsinanana

  18 Novambra 2011

Ny Parlemanta Nasionalin'i Timor Atsinanana dia nanaiky vao tsy ela izay ny Tetibola 2012 naroson'ny governemanta ary ireo fandinihina manokana momba izany dia mbola hitohy hatramin'ny fifidianana farany izay hatao ny 25 Novambra 2011. Ny ONG La’o Hamutuk eo an-toerana dia nanokana pejy ao amin'ny vohikalany hanaràhana ny resaka mikasika io tetibola io amin'ny fanomezana ho an'ny sarambabem-bahoaka antontan-taratasinà tetibola , famakafakana, ary ireo politikam-panavaozana.

Afrika : Afrikana Mitantara An'i Afrika

  13 Novambra 2011

Afrika : Inona ny tantaranao ? dia ilay tetikasa farany tontosain'nyA24 Media. Natao izany hanasongadinana ny olana iraisan'ny Afrikana sy hampiroboroboana ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Tamin'ny alalan'ny dinika an-tserasera no ahafahan'ny Afrikana mifanakalo hevitra sy mamaha olana ao amin'ny Afrika: Inona ny tantaranao? Ankoatra izany, manome sehatra iray ho an'ny Afrikana hitantarany ny fiainany ho an'izao tontolo izao ilay tetikasa

Taiwan: Maneho Hevitra Momba Ilay Diplaomaty Voaheloka Ho Nanararaotra Mpiasa An-trano Ireo Mpiondana Aterineto

  13 Novambra 2011

Noho ireo mpanao lalàna mitavozavoza sy motraka, ary ny "sasany"- sa tokony hoe "ny maro" no ho teneniko - amin'ireo mpampiasa tsy vanon-toetra, malaza ratsy amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra i Taiwan. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity ny tantara ratsy mahasadaikatra dia tsy tao Taiwan no nitranga, fa tao amin'ny toeram-ponenan'ny diplaomaty Taiwanais any Etazonia.