· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2011

Brezila : Ny Niobium, Harem-pirenena Amidy Mora

  31 Oktobra 2011

Isan'ny metaly ampiasaina betsaka manerana ny tany ny niobium, ary Brezila no manana ny tahiry be indrindra amin'io harena ankibon'ny tany io. Na izany aza, ny fitrandrahana azy any Brezila dia mampametraka fanontaniana maro mikasika izay mba vokatra entiny ho an'ireo orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana.

Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC

  30 Oktobra 2011

Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.

Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif

Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud.  Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay Printsy mpandova manaraka ao mandrapahatongan'ny vaovao avy amin'ny Lapan'ny Mpanjaka ny sasak'alin'ny  27 Oktobra fotoana nanendrena ny Printsy  Naif Bin Abdul...

Kolombia: Nidina an-Dalambe Ny Mpiasa Sy Ny Mpianatra

  26 Oktobra 2011

Volana Nisiana fifanenjanana tao Kolombia ny oktobra 2011. Nampisy fihetsiketsehana an-dalambe avokoa ny fifidianam-paritra ho avy amin'ny Alahady 30 Oktobra, ny Fifanekena Ara-barotra Malalaka miaraka amin'i Etazonia, ary ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ambony. Tamin'ny 7 Oktobra, niantso fitokonana nanerana ny firenena ny sendikà noho ny mety ho fisiana hitsivolana maromaro tapaka izay mety...

Tontolo Arabo: Mifampiarahaba Amin'ny Fifidianana Ao Tonizia

Nahazo fihobiana tsara avy amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny Toniziana, amin'izao fotoana handehanany hifidy ireo mpikambana 218 ao amin'ny antenimieran-dalàm-panorenana izay hisahana ny famolavolana ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena, ary hanendry ny filoha sy ny governemanta vonjimaika. Manan-tantara ny fifidianana satria voalaza ho toy ny ‘fifidianana malalaka voalohany ao...

Fahatsiarovana ny Rain'ny Fahaleovantena Mozambika, Samora Machel

  21 Oktobra 2011

Hankalaza ny faha 25 taona nahafatesan’ ilay rainy mpanangana dia ny Filoha Samora Machel i Mozambika ny 19 Oktobra 2011, namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tao Mbuzini, ao Afrika Atsimo tamin'ny 19 Oktobra 1986 izy. Nanambara ny governemanta fa “Taonan'i Samora Machel” ity taona 2011 ity. Lanonana no nanombohana ny...

Etazonia: 15 Oktobra Teny An-dalambe Sy Tany Anaty Tambajotra Sosialy

  19 Oktobra 2011

Tsy tsiambaratelo ho an'ny rehetra intsony ny hoe Facebook, Twitter sy YouTube, ankoatra ireo tambajotra sosialy hafa, dianitàna anjara toerana fototra tamin'ireo hetsika tato ho ato tao an-toerana sy manerana izao tontolo izao. Tamin'ny 2009, izao tontolo izao dia nahita ny antsipirihan'ny onja "maitso" tao Teheran avy amin'ireo sehatra ireo, ary nitranga ny toy izay tao amin'ny Kianja Tahrir tao Kairo sy ny "indignados" tao Madrid. Araka ny efa nampoizintsika, ny hetsika manerantany 15 Oktobra 2011, koa dia nampiasa betsaka ireny tambajotra ireny.

Rosia: Nahoana Isika No Mandao Ny Firenentsika?

  19 Oktobra 2011

Tato ho ato, ary volana maro izay, tsy maintsy ahitana resaka fifindra-monina na mihodinkodina eo amin'izany ny foto-dresaka teo amin'ny tontolon'ny aterineto Rosiana. Lahatsoratra matanjaka maro tanaty bilaogy nosoratanà olona avy amin'ny vondrona sosialy maro samihafa no lasa sehatra hanehoan'ny tsirairay ny toerana raisiny momba ny anio dy ny ampitson'ny firenena ary ny toerana misy ny vahoaka ao anatin'izany.

Jordania: Governemanta vaovao, Faniriana sy Fanantenana!

Notendrena androany ny praiministra vaovao tany Jordania, taorian'ny nandefasan'ny ankamaroan'ny solombavambahoaka taratasy nankany amin'ny mpanjaka Abdallah, izay nitaraina noho ny nataon'ny governemanta notarihan'i Dr Marouf Bakhit. Nametra-pialana i Bakhit ary neken'ny mpanjaka izany. Ankoatra ny taratasy nalefan'ny solombavambahoaka, ny fialan'i Bakhit dia vokatry ny fielezan'ny hetsika nanohitra ny governemanta nanerana...