· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2011

Sina: Mpisolovava Momba Ny Zon’Olombelona Voatazona Am-ponja Nohadiadiana Momba Ny Fiainana Ara-Pananahana

  31 Mey 2011

Telo volana taorian’ny famonjàna, Li Tiantian, mpahay lalàna Sinoa dia nanoritsoritra tao amin’ny Twitter ny momba ireo mpanadihady azy nampiasa ny antsipirihan’ny tsiambaratelom-piainany mba hanaovana herisetra taminy. Volana vitsivitsy lasa izay, anjatony mahery ny mpahay lalàna momba ny zon’olombelona an-jatony, mafàna fo, mpanoratra ary mpanakanto no voasambotra na nenjehin’ny lalàna tao Sina vokatry ny fifandonana tamin’ny hetsi-panoherana Jasmine.

Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”

  30 Mey 2011

Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Ekoatora: Fandalinan'ny Vahoaka Ny Vokatry ny Fitsapan-kevibahoaka

  25 Mey 2011

Ny vokatry ny fitsapan-kevibahoaka tao Ekoatora farany teo, izay ankoatry ny zavatra hafa rehetra ka nanome fahefana bebe kokoa ny Filoha Rafael Correa manolona ny fitsarana sy ny media, dia niteraka fifanakalozan-dresaka mikasika ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana ary nitondra fampisaintsainana teo amin'ny sehatra rehetra misy ao anatin'ny fiarahamonina Ekoatoriana mikasika izay haterak'ireo vokatra ireo.

Koety: Ny bilaogera manoloana ny fanendrena ny governemanta fahafito nataon'ny PM

Bilaogera Koesiana nanohy niadi-hevitra ny fomba hiasan'ny governemanta amin'ity herinandro ity, taorian'ny fananganana governemanta vaovao nataon'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah. Tamin'ny lahatsoratra teo aloha no efa nanoratako ny fanendrena indray ny Praiminisitra na dia teo aza ny  fanontaniana efa nataon'ny Antenimiera, manoloana ny fiovaovan'ny governemantany. Andro vitsivitsy lasa, nanao ny...

Tontolo Arabo: Handray an'i Maraoka sy Jordania Ny Vondron'ny Fitondram-panjaka Arabo

Tamin'ny voalohany nihevitra ny tsirairay fa vazivazy na tsahotsaho ihany ny tao amin'ny Twitter. Taty aoriana, fantatr'ireo mpiserasera fa zavamisy marina tokoa fa tsy tsaho na vazivazy ka nampitokelaka ireo mpisiokantsera ny fahafantarana fa horaisina  tsara sy hiadian-kevitra ny fangatahan'i Maraoka ho mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasa ao amin'ny Helodrano (CCG)....

Okraina: Mpanao politika mpisera ao amin'ny Facebook sy Twitter

Mihoatra ny iray tapitrisa izao ny vahoaka Okrainianina mampiasa [uk] Facebook ary mihoatra ny 80,000 ireo mpampiasa [en] Twitter, mihamaro dia maro ireo mpanao politika Okrainiana no misafidy ny hiditra mpikambana amin'ireo tambazotran-tserasera ireo. I Tetyana Bohdanova dia nanome lanja ny fikarohana sasany izay nataon'ny tompon'andraikitra Okrainiana eo amin'ny resaka aterine sy ny vohikalan'ny haino aman-jery mpifaninana ara-tsosialy rehetra Watcher.com.ua mametraka rafitra ahafahana mijery ny filahatr'ireo mpanao politika manana ny lazany ireo amin'ny alalan'ny kaontin'izy ireo eo amin'ireo tambazotran-tserasera Twitter sy Facebook.

Gabon: Mety hampikorontana ny fanesorana ny zon'ny depiote tsy ho azo samborina

  12 Mey 2011

Misoko mangina ny krizy ara-politika sy ara-tsosialy any Repoblika anivon'i Afrika Gabon nanomboka ny 26 janoary 2011. André Mba Obame, filohan'ny antoko mpanohitra “Union Nationale” izay efa voarara, no nanao ny fianianany fa izy no filohan'ny firenena, nanamafy hatrany izy fa izy no mpandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana jona 2009  saingy...