· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Oktobra, 2010

Egipta: Facebook maditra

Niteraka tsaho, esoeso ary fampihomehezana maro samihafa manerana ny blaogy sy Twitter ny fandaharana iray nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakàna. Manome fanampim-baovao i Tarek Amr ao amin'ny fanangonany ny fanehoan-kevitra teo anivon'ireo Egiptiana amin'ny aterineto.

Afrika: Mbola mitolona ho amin'ny fahalalahana an-gazety ny mpanao gazety

  21 Oktobra 2010

Reporters Sans Frontières no namoaka ny Filaharan'ny fahalalahan-gazety androany (20/10/2010). Nomarihan'ity fizarana momba an'i Afrika moa fa faninefany misesy izay no nitazonan'i Eritrea ny laharana farany ary amin'ireo firenena afrikana mpiteny frantsay dia mampanahy tokoa ny fahalalahan-gazety [fr] any Roandà, RD Kongo, Kamerona, Cote d'Ivoire ary Madagasikara.

Iran: Dian'ny filoha Ahmadinejad tany Libanona

Vao nahavita ny fitsidihana roa andro tany Libanona ny filoha Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad. Io fitsidihana amin'ny fomba ofisialy voalohany notontosainy hatramin'ny nandraisany fahefana tamin'ny 2005. Niresaka tamin'ny mpitondra fanjakana Libaney izy ary nitsidika ihany koa ny toerana mampatanjaka ny antoko sakaizan'i Iran dia ny Hezbollah izany, dia ny faritra atsimon'ny...

Hongria: Mampidi-doza ny toerana fanangonana fako simika

Araka ny fanadihadihana, nandrakotra tanàna maro tany antsinanan'i Hongria ny fikorianan'ny fotaka misy poizina simika tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Nahakasika tanàna fito izany fahapotehana izany vokatry ny fikorianan'ny fako misy poizina simika navoakan'ny orinasa iray mpikarakara firaka: Tüskevár, Kolontár, Kisberzseny, Somlóvásárhely, Apácatorna, Devecser, Somlójenő. (Sarintany miaraka amin'ilay toerana fanangonana azo...

Vietnam: Fety faha-arivo taona an'i Hanoi

  12 Oktobra 2010

Arivo taona i Hanoi. Naharitra hafoloana (1-10 oktobra) ny lanonana fanamarihana izany fotoan-dehibe izany. Mizara ny fomba fijery sy ny eritreriny tamin'ny nanatontosana ity fihetsiketsehana ity ny mpamaham-bolongana. Aaron Joel Santos mitantara ny fizotry ny sehatra any Hanoi nandritra ny andro voalohan'ny fankalazana Ho feno 1000 taona i Hanoi. Haharitra...

Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina

  10 Oktobra 2010

Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, ary ankehitriny ny gazety ao an-toerana dia manomboka mamoaka ny kiana avy amin'ny governemanta milaza azy ireny ho fampielezan-kevitra maloto mikendry fotsiny ny hanaratsy endrika azy ireo eo imason'ny mpifidy

Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...