· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Jolay, 2010

Angola: Mihiratra indray ny vola madinika

  28 Jolay 2010

Nampiditra vola madinika kwanza teo amin'ny tsena indray ny bankim-pirenenan'i Angola tamin'ny volana May lasa teo. Ao amina firenena iray, ny mponina mampiasa ny vola dolara sy ny kwanza eo amin'ny fiainany andavanandro, dia efa mihazatra tsikelikely eo amin'ny fampiasana an'io vola vaovao io, manazava ny tarigetra tratrarina amin'izany izy ireo.

Sivana any Singapore

  26 Jolay 2010

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.

Côte d'Ivoire: Nogadraina ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, i Théophile Kouamouo sy ny ekipany nanomboka tamin'ny 13 Jolay

  22 Jolay 2010

Tamin'ny Talata 13 Jolay, nitatitra ny bilaogin'ny Le Nouveau Courrier [Fr], fa nahazo fitsidihin'ny polisy tsy nampoizina izy ireo tao aorian'ny nanehoana, io maraina io, ny fametrahana voalohany ny fanadihadiana lalina izay naharitra ny herinandro manontolo amin'ny honohono mikasika ny kolikoly amin'ny fivarotana cacao sy kafe any Côte d'Ivoire (jereo...

Thailand: Korontana ho an'ny Praiminisitra ny hafatra an-tsoratra amin'ny finday

  22 Jolay 2010

Nandefa simaiso tamin'ireo mpampiasa finday Thai an-tapitrisany ny Praiministra Thailand Abhisit Vejjajiva rehefa nandray ny asany tamin'ny 2008, nangataka ny firaisan-kina. Ankehitriny, izy miatrika ny heloka amin'ny kolikoly tamin'ny nahazoany ny "fanomezana" avy amin'ireo orinasa mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra. Voampanga ihany koa izy amin'ny fanitsahana ny zo manokan'ny mpanjifa finday

Iran: Nakatona ho an'ny raharaha ireo tsena satria mbola mitohy ireo fitokonan'ny mpivarotra

Niditra tamin'ny herinandro faharoa amin'ny fitokonana anoherana ny fiakaran'ny hetra ireo mpivarotra ao amin'ny tsenaben'i Teheran . Olon-tsotra maro mpampita vaovao no mitatitra izany tranga izany raha toa kosa ka mangina sy miezaka ny tsy miraharaha ny iray amin'ireo fitokonana lehibe indrindra tao anatin'ny 30 taona farany izao, ny haino aman-jery ofisialy .