· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Mey, 2008

Malawi : Nogiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ny filoham-pirenena taloha

  27 Mey 2008

Ho tohin'ilay raharaha “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena izay nisamborana olo maro tany Malawi notaterina teto dia re indray izao fa napetraky ny mpitandro ny filaminana ambany figiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ingahy Bakili Muluzi izay filoham-pirenena teo aloha. Ny mpanao gazety Bright Sonani avy any Lilongwe sady vavolombelona nanatri-maso, no...

Manokatra fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana ny vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao ny vohikala YouTube

  23 Mey 2008

Nihatsotra ny fahazoana tombom-potoana hanapariahana ireo vaovaon'ireo olontsotra mampita vaovao : ny vohikala mpampariaka lahatsary eto amin'ny Aterineto YouTube dia nanokatra fantsona fahitalavitra ara-Aterineto natokana hitaterana azy ireny, ary nampitondrainy ny anarana hoe CitizenNews [vaovaon'ny olontsotra]. Ireo Vlogger [video+blogger mpiblaogy amin'ny alalan'ny lahatsary] dia afaka misoratra anarana ary mampariaka ho hitan'izao tontolo izao...

Libanona: Mifaneke na mifindrà toerana

  18 Mey 2008

“Teny an-dalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Beirota no nitenenan'ny mpikamban'ny ‘Fivondronan'ny Sembana’ sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny mpanao politika, tompondakan'ny ady (Seigneurs de la guerre), ny be fihetsiketsehana sy ny akamany ny tsy hiverenenany any an-toerana mihitsy raha mbola tsy milamina ny resaka ka vita misy ny...

Iran: Aostralia sy ny filoha Iraniana

  18 Mey 2008

Niteny i Anthony Lowenstein fa “eo ampakana hevitra” hahazoana mitory ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad ankehitriny ny lehiben'ny fampanoavana Robert McClelland,ao Aostralia, noho ny resany mikasika ny “fandravana” an'Isiraely. Mizara ny heviny mikasika izany tantara izany i Anthony.

Malawi : Hevitra nateraky ny fiverenan'ny filoha taloha hanao pôlitika

  15 Mey 2008

Vao tsy ela izay, no nanatanterahan'ny antoko [eo amin'ny fitondrana] UDF [United Democratic Front ] ny fihaonambeny sy ny nifidianany ny filoha taloha Bakili Muluzi ho  kandidan-dry zareo amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahaina amin'ny taona ho avy any Malawi [2009]. Ny filoha lefitry Malawi, ny Dr Cassim Chilumpha izay ambany fiampangana ho mpamadika no...

Maraoka : hatezerana sy alahelo noho ny orinasa izay nirehitra

  13 Mey 2008

Nisiana haintrano mahatsiravina roa tao an-drenivohitry ny toe-karena maraokana, Casablanca, tamin’ny faran’ity herinandro ity ka ny iray tao amin’ny orinasa mpanao kidoro ary ny faharoa kosa tao amina orinasa fanaovan-damba iray. Ampolony ny olona maty nandritra izany haintrano izany noho ny nanidian’ny mpampiasa ny toeram-piasana (avy any ivelany). Mitafatafa amin’alahelo sy fahatezerana noho io toe-javatra mahonena io no tontolom-bolongana Maraokana.

Serbia: Ny fifidianana parlemantera

  12 Mey 2008

Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Euros‘ mikasika ny fifidianana Serba: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa...

Libanona: Didy hitsivolan'ny governemanta noravana

  11 Mey 2008

“Nanambara ny famerenana an'Atoa Wafiq Shuqair ho lehiben'ny fiarovana ny seranam-piaramanidina indray KOmandin'ny tafika ary izy no hiandraikitra ny fanadihadiana momba ny seraseram-pifandraisan'ny Hezbollah ‘nefa tsy ho voakitika ny momba ny fitolomana (resistance)’, hiangavy ny mitam-piadiana rehetra hiala amin'izay ka hosokafana amin'izay ny lalana rehetra,” hoy ny tatitry In the...

Myanmar: Milona ny asa famonjena

  10 Mey 2008

Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo sy ny fanafody no tsizarizary