Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana
Manameloka ny filazan'i Shina momba ny fihenjanana an-dranomasina ny vondrona fampahalalam-baovao Filipina
"Manao vivery ny ainy manoloana ny herisetra tampoka ireo mpanao gazety ao anatin'ireo sambo mpamita iraka mba hampiharihary ny tena fahamarinana misy."
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.
Horohorontany tany Tiorkia : Herintaona lasa izay, fampanantenana poakaty, fiainana simba
Araka ny voalazan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fanajariana ny tany, 46 000 monja tamin'ireo trano fonenana 300 000 nampanantenaina no vita hatreto, ka mamela ireo sisa velona marobe tamin'ny horohorotany ho any anatin'ireo trano fialofana vonjimaika, kaontenera sy tranolay.
Fandresena lehibe no azon'ny mpanohitra tamin'ny fifidianana ifotony tao Torkia
Maro tamin'ireo faritany nitarihan'ny mpandala ny mahazatra AKP no nahavokaran'ny fandresena ho an'ny kandidàn'ny antoko mpanohitra.
Ny momba an'i Bassirou Diomaye Faye, filoham-panjakana tanora indrindra tao Sénégal
Voafidy ho filohampirenena taorian'ny fifidianana tamin'ny 24 Martsa 2024, Bassirou Diomaye Faye, 44 taona, no lasa ho ny tanora indrindra nandray ny toerana maha-filohampirenena teo amin'ny tantaran'i Sénégal
Foto-pianarana mahatohina momba ny sisintany ifanoloran'i Rosia sy Finlandy
Misy vondron'olona mpikaroka momba ny zon'olombelona sy ny fifindramonina manazava ny fomba hanitsakitsahan'ity lalàna ao Finlandy ity ny adidy iraisampirenena sy ny lalànan'ny zon'olombelona.
Miroso amin'ny fifidianana ifotony i Torkia
Mitodika any amin'i Ekrem İmamoğlu an'ny CHP, izay efa niasa nandritra ny dimy taona sy amin'i Murat Kurum an'ny AKP, minisitry ny tontolo iainana, ny tanàn-dehibe ary ny fiovan'ny toetr'andro teo aloha, ny maso rehetra.
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Nolazaina tanaty hetsi-panoherana sy filazana ho fisian'hosoka ireo mpandresy tamin'ny fifidianana tao Indonezia
"Heverinay fa mitombina ho an'ny vahoaka ny manontany (misalasala) ny vahoaka amin’ny voka-pifidianana, miainga amin’ny dingana ahiana ho misy hosoka sy miterak'olana."