The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Gender Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Gender

2009-05-29

Japana: Fitadiavam-bady!

Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady'. Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra ...

2009-05-25

Sina: manampy an'ilay mpandroso sakafo nahafaty mpiasam-panjakana iray ireo mpampiasa aterineto

Deng Yujiao, mpandroso sakafo  iray mipetraka any amin'ny faritanin'i Hubei nanindrona antsy mpiasam-panjakana iray ary nandratra iray hafa raha nanohitra ny fikasan'iretsy farany ny hanao firaisana ara-nofo taminy.  Ny resaka mandeha eo anivon''ny aterineto dia tsy misy fitserana manoloana ilay razana fa manohana amin'ny ankapobeny an'ilay vehivavy 21 taona, amin'ny ...

2009-05-20

Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto

Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa. Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro, Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia mihevitra fa ...

2009-05-09

Iran: Tsy hisy mofomamy omena ny vehivavy Iraniana amin'ny andro natao ho azy ireo

Na tsy mankato  ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy aza ny governemanta Iraniana ary nanàkana ireo vehivavy mafana fo niketrika sy nanoman-javatra ho fankalazana io andro io efa ho  30 taona lasa izay,  dia nahatsiaro ny 8 Marsa hatrany ny mpitoraka blaogy Iraniana sy ireo vehivavy mafana fo hanomezam-boninahitra ny ...

2009-05-06

Iran: Novonoina ho faty i “Voafonjan'ny loko”Video post

Novonoin'ny fitondram-panjakana Iraniana tamin'ny Zoma maraina tamin'ny faha-23 taonany ny tovoavy 23 taona antsoina hoe Delara Darabi Delara Darabi , izay voaheloka ho namono olona tamin'ny faha-17 taonany ary notazonina nandritra ny taona maro tao amin'ny Fonjaben'i Rasht Central. Nahazo ny lazan'ny anarana ho “voafonjan'ny loko” i Delara noho ny fahaizany ...

2009-03-25

Malawi: Mpilatsaka ho fidiana vehivavy sy ny pôlitikan'ny faritra

2 volana mialohan'ny latsa-bato hifidianana izay ho filoham-pirenena sy fifidianana parlemantera hatao ny 19 may 2009 ho avy izao dia namelabelatra mikasika ny zava-misy 2 ny "soup du jour", ny fampidirana sy ny famoahana am-ponja vao haingana sy ny fanodinkodinana nataon'ny Filoha teo amolha Dr. Bakili Muluzi, ary ny fitsidihana ...

2009-03-15

Ny “New Citizen Media Projects Foster Rising Voices” tany Côte d'Ivoire, Liberia, Sina, Mongolia, ary YemenSary post

Tamin'ny volana Janoary dia tolotra maherin'ny 270 avy amin'ireo mpikatroka mafana fo, mpitoraka blaogy, ary ONG [Fikambanana tsy miankina]  no voarainay, izay samy maniry mafy ny hampiasa ny fitaovam-pampitàna vaovaom-bahoaka hampahafantarany ireo vondron'olona - nataon'ireo mpampita vaovao tranainy sy vaovao ankilabao hatry ny ela - mba ho eo amin'ny tranonkalan-tserasera ...

2009-03-12

Ejipta : mandrisika an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy i Dalia Ziada

Amin'izao andro fahatsiarovana ny andro nahaterahan'ny Mpaminany Mohamed izao dia manentana ny olona rehetra i Dalia Ziada hanery an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy Silamo manerana ny tany! Nanomboka tamin'ny firesahana ity andro fankalazana ity tany Ejipta i Dalia: Androany, Ejipta-ary Ejipta irery- no nankalaza ny andro masina nahaterahan'ny ...

2009-03-11

Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”Video post

Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy. Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny ...

2009-03-10

Sary mihetsika : ankalazaina ny vehivavy amin'ny andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireoVideo post

Efa nankalazaina nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1900 ny Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: raha hiverenana kely ny tantara dia fampahatsiahivana ny fitondrana tsy nety natao tamin'ny vehivavy sy ny tolona mafy tsy an-kijanona natao hahazoana fitovian-jo. Na izany aza, tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia maro amin'ireo tsy fitovian-jo ireo ...