· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Marsa, 2012

Zambia: Mangataka Ny Firenena Hanaja Ny Zon'ny Pelaka i Ban Ki-moon

  13 Marsa 2012

Nitsidika an'i Zambia ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-moon vao haingana izay, nanatrika ny parlemanta, nihaona tamin'ireo mpanao politika malaza, isan'izany ny filoham-pirenenan'ny Repoblikan'i Zambia voalohany Kenneth Kaunda ary nitsidika ny toerana fizahan-tany voalohan'ny firenena, Randranon'i Victoria any Livingstone, tanàna any atsimon'ny firenena . Tsy nisy na iray aza tamin'ireo niteraka resabe tahaka ny fanentanany ny firenena hanaja ny zon'ny pelaka.

Liberia: Miparitaka Ilay Volavolan-dalàna “Vonoy Ny Pelaka”

  01 Marsa 2012

Nampahafantatra volavolan-dalàna iray izay mametraka ny fifanambadian'olona ho azo ampiharana ny sazy fanamelohana ho faty ny Vadin'ny Filoham-pirenena Liberiana Teo aloha Jewel Howard Taylor. i Jewel Howard Taylor dia loholona no sady Vady nisarahan'ilay filoha teo aloha Charles Taylor. Namerina nametraka volavolan-dalàna iray tahaka izay ary manohitra ny fifanambadian'olona mitovy, niteraka resabe, ihany koa i Oganda vao haingana izay. Fihoàrana ny lalàna ny fifanambadian'olona mitovy any aminà firenena Afrikana 38