GlobalVoices anaty

Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

Tahiry Lohahevitra · 48 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

13/05/2013

Pelaka Efatra Nosamborin'ny Polisy Tany An-Trano Fandihizana

Tohin'ny lahatsoratra

Noho ny baiko avy amin'ny ben'ny tanàna, Antoine Chakhtoura, polisy 12 no nanao fisavana tao amin'ireo trano fandihizan'ny pelaka “Ghost” ao Dekwaneh, Matn, Libanona. Voalaza fa niharan'ny fandrahonana ireo mpanjifa...

02/05/2013

Mariazy ho an'ny Rehetra : Ahoana ny Eritreritr'ireo Ivoariana ?

Lany tao Frantsa tamin'ny herinandro lasa teo ny lalàna  ”mariazy ho an'ny rehetra” izay manome alalana ny fanambadiana na eo amin'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Ny adi-hevitra...

13/04/2013

Sary Lahatsoratra
Nankatòavin'i Orogoay Ny Fanambadian'ny Olona Mitovy Fananahana

Tohin'ny lahatsoratra

Nanjary firenena Amerika Latina faharoa mankatò ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Orogoay. Tamin'ny 10 Aprily 2013, nankatòavin'ireo mpanao lalàna marobe tao amin'ny Kongresy ny lalàna, izay mamaritra ny fanambadiana ho...

15/03/2013

Guyana, Cuba: Habemus Papam, Saingy “Fa Iza Moa Izy”?

Tohin'ny lahatsoratra

Feno ny andro feno iny hatramin'ny nivoahan'ny setroka fotsy tamin'ny Lasapely Sixtine manamarika ny nandrasan'ny Katolika manerana ny tany: Habemus Papam [mg]. Araka ny hita miharihary, ny Fihidiana an-trano nataon'ny Kardinaly no nifidianana ny papa Amerikana Latina sady zezoita voalohany indrindra hatramin'izay...saingy nisy bilaogera iray nanontany hoe , "Fa iza moa izy"?

09/03/2013

Shina: Mitaky Fitovian-Jo Amin'ny Fanambadiana Ireo Ray Aman-dRenin'ny Ankizy Gay

Tohin'ny lahatsoratra

Ray aman-dreninà gay ( lehilahy mifankatia) sy lesbienne ( vehivavy mifankatia) maherin'ny 100 avy any faritra samy hafa any Shina no nandefa taratasy misokatra any amin'ny solontenan'ny Kaongresim-Pirenen'ny Vahoaka any Shina mangataka amin'ny governemanta hanao ny fanambadian'ny mitovy fitaovam-pananahana ho ara-dalàna

19/02/2013

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

Tohin'ny lahatsoratra

Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.

31/01/2013

Video Lahatsoratra
Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh

Tohin'ny lahatsoratra

Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo...

20/01/2013

Manohitra Ny Fakana Lahatsary Miafina Avoaka Fahitalavitra Ny Mpikatroky Ny Zon'ny Pelaka ao Zeorzia

Tohin'ny lahatsoratra

Nanambara [ka] ny sampan-draharahan'ny Fampanoavana ao Zeorzia tamin'ny 14 Janoary 2013, fa naka lahatsary miafina ireo olona fanta-daza manao firaisam-batana amin'ny olona mitovy fananahana aminy ny lehiben'ny Polisy[-n'ny] Miaramila teo aloha Megis Kardava. Nolazain'ilay...

17/01/2013

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

Tohin'ny lahatsoratra

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy.

05/01/2013

Oganda Tamin'ny 2012: 50 Nahaleovan-tena Sy Solombavambahoaka Tanora Indrindra Ho An'i Afrika

Tohin'ny lahatsoratra

Iray amin'ireo taom-pahasambarana teo amin'ny tantaran'i Oganda ny 2012. Fahatsiarovana mamy miainga avy any amin'ny nahalanian'ilay mpikambana tanora indrindra ao amin'ny Parlemantam-Pirenena tamin'ny fankalazana ny faha-50 taona nahaleovan'ny firenena tena.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny