The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Freedom of Speech Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Freedom of Speech

2008-11-22

Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu

Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ...

2008-10-16

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

2008-09-28

Shina: Handratra ny fontsika ve ny loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana?

Efa tsy dia tena faraidiny loatra ny tantana raha nahazo ny loka Nobel momba ny haisoratra i Gao Xingjian tamin'ny  2000; Niarahaba ilay nizaka ny zom-pirenena Shinoa teo aloha i Zhu Rongji, ary notazonin'i Wikipedia fa fotoana mahafinaritra ho an'ny haisoratra Shinoa ny nandrombahany azy tamin'ny faha-100 taonan'ny Loka Nobel, ...

2008-09-27

Ejipta: Jiolahin-tserasera manao Jihad (na sovoka anaovana jihad)

Mihanaka avy eny an-tokontany hiditra amin'ny tontolo viritoaly ve ny Jihad ? Soratan'ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Marwa Rakha eto (sy eto) ny fahatongavan'ny adihevitra mandeha eo amin'ny vondrona lahika sy Isilamika ao Ejipta amin'izao fotoana izao. Manoratra ary izy: It is no big secret that the number of Egyptians who believe ...

2008-09-24

Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratraVideo post

Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny ...

2008-09-22

Macedonia

Nizara rohin'ny mpitoraka blaogy roa izay naneho horonan-tsary maro maneho ny fanararaotam-pahefana ao amin'ny faritra iray ao Skopje i Razvigor ;-) dia i Komunikacii [MKD] sy Panta Rei [MKD].

2008-09-14

China ,
Iran

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

2008-09-10

Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy

Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana ...

2008-09-06

Iraq

“Nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty azy tao anatin'ny 30 mn, nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty ity bolongana ity. Izany no nitranga tao anatin'ny 4 andro izay raha nanodidina ny 3 isan'andro teo ho eo. Izany hoe mahatratra 150 ny fiezahana hipiraty azy isan'andro. Hmmmm….Te-hahafantatra izay antony aho,” hoy ny fanontaniana'ilay mpamaham-bolongana Irakiana Layla Anwar.

2008-09-02

Madagascar

Gazety Avylavitra no namoaka sary vitsivitsy ny nisamborana mpitarika mpanohitra iray nosamborina ampahibemaso indrindra dia Atoa Henri Lecacheur tao amin'ny toerana misy ny tsena (taloha) ny zoma maraina (8/29/008) ary polisy misarontava no nisambotra azy (mg).