2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-14
2009-10-10
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr
2009-10-08
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary
Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny ...
2009-09-30
Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena
Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.
2009-09-24
Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee
Andian'ilay hajia taona 2008 , nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana
Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia haingana any ny rojon'imailaka feno fanaratsiana. Miampanga lainga ny filoha Obama ho mamoaka hajia vaovao fahatsiarovana ny Idy roa ...
2009-09-22
Egypta: Gamal Mubarak … Fa nahoana no tsy izy?
Nifanojo ny fandraisana an-tànana nataon''i Sharek sy ny an'i Gamal Murbak, nanapaka hevitra ny hanao ny fampielezan-kevitra amin'ny fombany manokana [AR] ho an'i Gamal Murbak ity mpihira Egyptiana iray Mohsen El Sayad Gamal Mubarak .
Leih Maye7komshi (Maninona izy no tsy natao hitondra?) no lohatenin'ny hira ary Wa7da Masreya manoritra ...
2009-09-09
Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta
Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana.
Nanandratra ny Aghapy TV - avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” - ho ...
2009-09-08
Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam
Lohatenim-baovao maro indray no nampiseho an'ity mpahay lalàna Ejipsiana maha-be resaka ity. Eto indray dia ny niovany finoana ho kristiana no anton-dresaka. Mitantara ho antsika i Marwa Rakha.
2009-08-31
Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?
Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao.
Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny "fanamboarana") mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady (jereo ...





