Global Voices teny Malagasy » Fahalalahàna miteny
Maraoka:Mitohy ny ady atao amin'ny mpanao gazety
Manamafy ny fanenjehana ireo mpanao gazety miahy tena ny manampahefana Maraokana. Mahàlana izany hoe herinandro iray tsy ahitana ny fanjakana  manameloka mafy ny asa fanaovan-gazety izany, na ny an-tsoratra na ny media amin'ny aterineto. Ny mpiaro ny fahalalahana manao gazety toy ny Reporters Without Borders izao dia mitsara ny zava-mitranga amin'ny fahalalahana manao gazety ao amin'ny firenena ho “sarotra”, amin'ny fanamelohana “rafi-pitsaràna mamoaka andian-tsazy noforonina mba hanakivy sy hanakenda ny lafiny ara-bolan'ny fanaovan-gazety tsy miankina.”
Ny   fanenjehana farany voarakitra izao dia ny didy famonjàna navoakan'ny fitsaràna ao Casablanca ny Alatsinainy teo ho an'i Said Laâjal, mpanao gazety ao amin'ny Al Massa'e, gazety mpivoaka isan'andro tena be mpamaky, sy ny mpiandraikitra ny fanontàna azy, Rachid Nini, mpanoratra “chroniques” fanta-daza. Ireo mpanoratra roa ireo moa dia samy voarohirohy ho “namoaka vaovao tsy marina” mifandraika amina lahatsoratra mahakasika raharaha-na zava-mahadomelina. Nanambara i Nini fa tsy hanao fampakarana ny didy nivoaka izy. (loharanom-baovao: AFP) Niady hevitra momba izany sy ny fizotry ny raharaha ireo mpitoraka blaogy.
eatbees, mpanoratra Amerikana, mpaka sary ary mpitoraka blaogy monina any Maroka dia manahy momba izay tena tanjon'ireo mpampanoa lalàna. Manoratra izy:
Fanamelohana an-kitsirano sy tsy ahoan-tsy ahoana ny fanaovan-gazety izao. Manao hadisoana sy mitatitra vaovao mety tsy ho marina ireo mpanao gazety indraindray. Misy ireo fomba famahàna izany, nefa tsy anisan'ireny ny fandefasana ireo mpanao gazety any am-ponja. Manahy mafy aho fa nanaovana tsindrihazolena i Nini sy Laâjal, tsy noho ity zava-nitranga ity, fa noho izy ireo manohitonhina olona manana  toerana ambony. Na mety ho fomba hanenjehana an'i Nini fotsiny izao, izay amin'ny maha-mpamoaka ny gazety Maraokana be mpamaky indrindra sy mpanoratra ny fanehoan-kevitra be mpamaky indrindra azy any Maraoka, dia lasa ivon-kery amin'ny zony manokana.
Raha tena tapa-kevitra ny tsy hampakatra marina ny didy momba azy  i Nini, ka mandeha any am-ponja, dia ho fihetsika maneho herim-po sy tsy fankatoavana sivily izany. Hahatonga azy ho maritiora ho an'ny fahalalahana manao gazety eo imason'ny Maraokana an-tapitrisany izany. Mazotoa amin'izany, ry firenena Maraokana.
Tsara ny manamarika fa efa eo ambany vesatry ny  onitra goavana noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ilay mpanao gazety, izay mety hahaborona ny fanontàna iray manontolo, araka ny nosoratan'ilay mpitoraka blaogy Ibn Kafka [Fr], mikasika taratasy iray nolazaina ho nosoratan'i Nini, mangataka ny famelan'ny mpanjaka:
Rachid Nini vit légitimement fort bien de cette florissante entreprise de presse (dans le contexte ravagé de la presse marocaine)…
[Il] aurait adressé une supplique au Roi […] dans laquelle il demande l’absolution des pêchés – en clair, la grâce pour son journal. Rien ne permet de garantir cette information, qui en soi n’est pas infâmante.
Mahavelona tsara an'i Nini io orinasam-panaovan-gazetiny io (mifandraika amin'ny tontolo rotika misy ny haino aman-jery Maraokana) …
Mino ny sasany fa nandefa taratasy fitalahoana tany amin'ny mpanjaka i Nini nangatahany fanafoanana ireo helony - raha tsorina, fangatahana famotsoran-keloka ho an'ilay gazetiny. Tsy misy fanamarinana izany vaovao izany, izy tsy maharikoriko rahateo koa.
Vao haingana no nisy adihevitra mifanohitra momba an'i Rachid Nini  tamin'izy nitsipaka am-pahibemaso iray tamin'ireo mpanao gazety tao aminy izay naneho ny fanohanany mpiara-miasa iray voarahona sy voahenjiky ny governemanta. Larbi, izay mitoraka blaogy ao amin'ny Comme une bouteille jetée à la mer!, dia milaza [Fr] fa tsy tokony hampidirana an'i Nini any am-ponja izany na handraisana ilay mpanao gazety ho mahery fo. Manoratra izy:
[H]eureusement que tout le monde n’a pas la même conception de la liberté d’expression et liberté de la presse que celle de Monsieur Nini. La place des journalistes n’est pas la prison mais dans leurs rédactions. Cela vaut pour tous les journalistes. Cela vaut pour Monsieur Nini . Et encore plus pour le journaliste Saïd Laâjal. La place de Rachid Nini et de Saïd Laâjal n’est pas la prison mais dans leur rédaction. Je suis bien entendu solidaire avec Rachid Nini et Saïd Laâjal. Parce que la peine de prison ferme qui leur est infligée est injuste au vu de ce qui leur est reproché. Et parce que même Monsieur Nini a a droit à ce qu’il a toujours dénié aux autres : exercer son métier de journaliste et s’exprimer librement, sans intimidations et sans procès arbitraires débouchant sur des peines infamantes.
Soa ihany fa tsy mitovy ny fahatakaran'ny rehetra sy Atoa Nini ny fahalalahana maneho hevitra sy ny falalahana manao gazety. Tsy any am-ponja no toerana tokony hisy ireo mpanao gazety fa any amin'ny biraony. Ho an'ny mpanao gazety rehetra izany. Ho an'Atoa Nini inhany koa. Ary na ho an'i Said Laâjal aza. Tsy any am-ponja no tokony hisy an'i Rachid Nini sy Said Laâjal fa any amin'ny biraony tsirairay avy. Mazava ho azy fa manohana an'i Rachid Nini sy Said Laâjal aho, satria ny sazy fampidirana am-ponja azy ireo dia tsy rariny raha jerena ny zavatra iampangàna azy. Ary satria na Atoa Nini aza dia manana zo amin'izay nolaviny foana tamin'ny hafa: izany hoe ny fanaovana ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy ary malala-pitenenana, tsy misy fampitahorana sy fitsaràna tsy marina mitondra amina sazy mahasosotra.
Hevitra iray nozarain'i Naoufel izay manazava[Ar] fa tokony ho an'ny tsirairay ny Fahalalahana fanaovan-gazety, na ho an' Atoa Nini aza. Manoratra izy:
هو بالنسبة لي شخص وقح .. انتهازي و متملق، يكتب ضد أي شيء إلا الملك..يحاكم الحكومة و الشعب و زملائه في الصحافة لكنه لا يتجرأ أن يقترب من مربع القصر رغم أن اصغر طفل في المملكة التي لم تعد شريفة يعرف أن أصغر قرار لا يمر دون دراية الملك..كتب ضد من كانوا زملائه[…]
الآن..هل نتضامن معه؟
لا خيار آخر
Amiko i Nini dia tia midera tena, mpanararaotra ary mahasosotra (sic). Manoratra zavatra mifanohitra amin'ireo rehetra izao izy, afa-tsy ny mpanjaka… Mametraka ny governemanta, ny vahoaka ary ireo mpiara-miasa aminy eo anoloan'ny fitsaràna nefa tsy sahy mandeha n'aiza n'aiza manodidina ny rovan'ny mpanjaka, na ny zandriny indrindra amin'ireo zaza ao amin'ny fanjakàna Sherifian (taranaky ny mpaminany) aza dia mahafantatra, izay marihana fa tsy Sherifian intsony, fa na ny fanapahan-kevitra faran'izay kely indrindra aza dia tsy manan-kery raha tsy mandalo any amin'ny Mpanjaka.. Nanoratra manohitra  ireo mpiara-miasa aminy izy… Ankehitriny, tokony hanohana azy ve isika? Mieritreritra aho fa tsy manan-tsafidy ankoatra izay isika.
Ejipta: Ny filoha Moubarak sy ny fiandrianan'i Ejipta
Taorian'ny lalao nifanandrinan'i Ejipta sy Alzeria tany Soudan dia nanao fihetsiketsehana tany Zamalek nanoloana ny ambasady Alzeriana tao Le Caire ny mpankafy baolina kitra ejipsiana ny alakamisy alina sy ny zoma tolakandro. Ny zanaka lahin'ny filoha, Alaa Moubarak, no nandranitra tao amin'ny fahitalavitra. Ny marainan'ny asabotsy 21 novambra dia nikabary tao amin'ny fivorian'ny parlemanta (anankiroa: Antenimieram-bahoaka sy ny Filankevitra Shura) ny filoha Moubarak, ary nandritra izany na dia tsy niteny nivantana an'i Alzeria aza izy dia nilaza fa ny fiandrianan'ny Ejipsiana dia mifamatotra amin'ny fiandrianan'i Ejipta ary nivoady fa tsy handefitra mihitsy manoloana ireo maniratsira azy i Ejipta.
Ny Kabarin'i Mubarak
Sarah Carr tsy resy lahatra tamin'ny kabarin'i Moubarak:
Moubarak: “andraikitry ny firenentsika ny mampanaja ny mahaolona ireo terantanintsika any ivelan'ny firenena. Manara-maso ny zon'izy ireo isika ary miampanga ny herisetra sy ny fanitsakitsahana atao amin'izy ireo” - dia mbola notohizany fa voahosihosy teo ambany fiahiantsika tato anatin'ny faritr'i Ejipta izany!
Jasmine Aladdin mitazana fotsiny
Iriko fatratra Andriamatoa filoha fa tsy resabe fotsiny izany hampiaka-pofona ny sasany. Iriko koa ny hampiatoan'ny Ejipsiana any ivelany fanomezana anarana ratsy any ivelany an'i Ejipta amin'ny fanitsahana ny reharehany  fa hoe izay no fanorenany ny fiainany! Inona izany no avelantsika ankoatra ny fiandrianantsika?
Sharif Hafez mpanao famakafakana politika no mahatsikaritra ny fahendren'ny filoha Moubarak raha niangavy ny parlemanta ho tony izy
Lesona politika marina iny ho an'ny rehetra; ny politika mantsy dia tsy ny fieritreretanao am-pahatezerana akory, fa ny fahaizanao tony sy milamina rehefa miteny - tsy mila faharesena hafa intsony isika!
Perwin Ali tsy faly tamin'ny lohatenin'ny BBC!
Hay efa manomboka mahatsikaritra ny tandrefana, saingy heveriko fa mbola tsy mbola tsara ny fiheviny…jereo fotsiny ny lohateny! Ahoana no fandraisanao azy? Efa tsy resaka baolina intsony e. Raha midaroka ny resy ny mpandresy TAORIAN'NY nahareseny azy dia TSY resaka baolina mihitsy io.
Dr. As`ad AbuKhalil - Tezitra amin'ny mpanao lalàna Egiptiana ny Arabo tezitra amin'ny “fitehafana”
Inona no asan'ny mpanao lalàna ejipsiana afa-tsy ny mitehaka ny kabarin'ny filoha? Naman'ny dadako ny sasany amin'izy ireo ary nitehaka an'i Nasser, avy eo nitehaka ho an'i Sadat, ary izao indray mitehaka ho an'i Moubarak. Fantatrao ve fa i Mustafa Khalil, ilay nitondra ny fanelanelanana tamin'i Egipta hihavana amin'i Israely dia tsy nivadika tamin'i Nasser, ambanin'i Nasser?
Zeinobia maniry ny fiandrianan'i Egiptiana ao Egipta
Nolazain'i Moubarak tamin'ny kabariny nanoloana ny parlemanta sy ny Filankevitra Shura fa andraikitry ny fanjakana ny misahana ny Ejipsiana ivelan'i Ejipta ary ny fiandrianan'izy ireny dia avy amin'ny fiandrianai Ejipta!!
Tsy hitako izy holazaina afa-tsy ny hoe :Andriamatoa Filoha, tsy niseho izao zavatra rehetra izao raha tena manana fiandrianana ny Ejipsiana sady omena toerana tsara ao Ejipta!!? Azafady mba teneno amin'ireo noratrain'ny polisy izany, azafady teneno indray izany amin'ireo Ejipsiana an'arivony any ivelany izay hiharan'ny fanalam-baraka noho ny politika nataonao nandritra ny 28 taona izao. Andriamatoa filoha, azafady mba teneno amin'ireo fianakavian'ny niharam-boina sy namoy havana manodidina an'i Israely izany, ho an'ireo tao anatin'ny fiaramanidina 990, ho an'ireo tao anatin'ny sambo Al Salam sy tao amin'ny Badr I.
Marwa Rakha
Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro
Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina  tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro  antsoina hoe Fakt, an'i Axel Springer AG, dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.
Wiadomości24.pl, vavahadin'ny fanaovan-gazetim-bahoaka Poloney, manoratra (POL) fa, araka ny voalazan'ilay mpitoraka blaogy, ny fahatomombanan'ny Fakt teo amin'ny tsena Poloney dia saiky niankina betsaka tamin'ny fandinganana ireo fitsipiky ny fanaovan-gazety avokoa.
Ity misy sombintsombiny amin'ny iray amin'ireo lahatsoratra voalohany (POL) ao amin'ny BrukowiecStory:
Mieritreritra aho fa ny famoronana ny Fakt no tena dona lehibe indrindra tamin'ny fahalalahan'ny media Poloney hatramin'ny [1989]. Talohan'ny 2003, tsy nisy afa-tsy Super Express, tabloid tsotra, mazava ary mahafinaritra. Nisy tombony iray izy ity – nanoratra ny marina foana ry zareo. Amin'ny fomba tabloid, nefa mbola afaka nilaza izany ho fanaovan-gazety ihany ny olona. Ary nijanona ho toy izany foana  ny toe-javatra  talohan'ny nidiran'ny Fakt teo amin'ny tsena.
Voalohany eo amin'ny tantaran'ny media Poloney, no nahitanay fomba vaovao – ny famoronana ny marina. “Tsy misy zava-mitranga? Raha izany forony ny zava-miseho,” ny tonian'ny famoahana dia tokony hikendry foana izay tokony hihetsehan'ireo mpanao gazety. […]
Ny mpitoraka blaogy koa dia nilaza fa te hanangana fikambanana ho an'ireo olona izay voa tamin'iny Fakt iny, ary milaza ihany koa fa misy fanomanana hetsi-bahoaka goavana. Hatreto aloha, mbola tsy namoaka lahatsoratra mikasika mazava ny fandikan-dalàna nataon'ny mpiandraikitra ny gazety izy.
Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray
Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra  sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe  “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne? [Why am i ready to defend Britain?]“
Maram dia manomboka ny filazàny amin'ny hoe:
كنتُ دائماً أعلن أنني أحب بريطانيا..فهنا أحلى ذكريات طفولتي، وهنا الوطن الثاني الذي عشت فيه (ولا أزال) ردحاً من عمري. ولم تكن لدّي مشكلة كبيرة مع كون بريطانيا دولة عدوانية بامتياز (تاريخياً وفي الحاضر أيضاً ) باعتبار مشاركتها في الحربين على أفغانستان والعراق، لأنني كنت هنا منذ البداية وأعرف بأن هناك فرق شاسع بين ما يقوم الساسة بتنفيذه وبين ما يريده الشعب حتى في دولة ديمقراطية مثل المملكة المتحدة. فأنا أدرك بأن أقوى المنظمات الشعبية المعارضة للحرب موجودة هنا، وأفضل الأفلام الوثائقية التي فضحت جرائمها أنتجت في هذا البلد. وأراقب يومياً الجدل الدائر في الصحافة والإعلام وأروقة السياسة حول رغبة الشعب في رؤية قواته تنسحب من هذين البلدين وأن يفتح باب المحاسبة والمحاكمة لكل من تسببوا بهذه الجرائم.
Nilaza mandrakariva aho fa tia an'i Grande Bretagne… Tany ireo fahatsiarovana tsara indrindran' ny fotoam-pahazazako, tanindrazako faharoa, izay niainako betsaka ny androm-piainako nandritry ny fotoana maharitra (ary hatramin'izao). Tsy dia nanana olana goavana loatra aho momba izay maha-firenena mahery setra an'i Grande Bretagne  (na ara-tantara ary mandrak'izao aza) indrindra fa raha ny hoe nandraisany anjara tamin'ireo ady roa tany Afganistana sy Iraka, satria teto foana aho hatramin'ny nanombohany ary fantatro fa misy fahasamihafàna goavana eo amin'ny tian'ireo mpanao politika hapetraka sy izay tadiavin'ny vahoaka,  na dia anatina firenena demaokratika toa an'i Grande Bretagne aza. Noho izany no nahatsapako fa eto daholo ireo foibena fikambanana goavana manohitra ny ady, ary ireo horonantsary tsara indrindra maneho ny heloky ny firenena dia eto no vokarina. Ary hitako saika isan'andro amin'ireo resaka an-gazety sy media isan-karazany, hatrany an-dalantsàran'ny mpitondra àny ny hetahetan'ny vahoaka hanesorana ny tafik'izy ireo amin'ireo firenena roa ireo, sy ny hanokàfana fanadihadiana lalina ka hitondràna eo anatrehan'ny lalàna ireo rehetra tomponandraikitra tamin'ireny vono olona ireny.
ومع مقتي الذي لا أخجل من التصريح به علناً ورفضي للسياسات الخارجية لحكومات لندن المتعاقبة، إلا أنني كنت دائماً أكن احتراماً كبيراً لسياساتها الداخلية والتي تقوم على احترام حقوق الإنسان وعلى إنشاء مجتمع متعدد الثقافات.
Na eo aza ny fankahalàko, izay tsy asiako henatra fa abaribariko ho hitan'ny maro, ary ny tsy fankasitrahako ireo politika ivelan'ny governemantan'i Londres nifanesy, dia manàja mandrakariva ny politika anatin-dry zareo kosa aho, izay mifototra amin'ny fanajàna ny zon'olombelona sy ny fametrahana fiarahamonina isian'ny fifangaroana kolontsaina marolafy.
فأنت في بريطانيا ليس مطلوباً منك أن “تنصهر” أو ” تتبرطن” حتى يعتبرك الناس واحداً منها. تستطيع أن تكون مسلماً وبريطانياً، يهودياً وبريطانياً، وأسودأً وبريطانياً، وتستطيع أن تصل بالأمس أو تولد هنا ومع ذلك تقول بفخر بأنك بريطاني ولن ينكر عليك أحد ذلك. صديقاتي الفرنسيات والإسبانيات وغيرهن من الأوربيات المتحدرات من غير البلد ذاته الذي يحملون جنسيته (حتى لو كان بلداً أوربياً مجاوراً) يعلنون بصراحة بأن الوضع ليس كذلك في بلدانهن. فالجزائري يظل غريباً في فرنسا ولو كان جده هو من هاجر إلى باريس قبل مائة عام يوم أن كانت الجزائر بالأصل جزء من فرنسا.
Rehefa tonga aty Grande Bretagne ianao, tsy ilainao akory ny hoe  “hahafehy” na  “hiova ho Anglisy” vao handray anao ho isan'izy ireo ny olona. Azonao atao ny sady ho Silamo no Anglisy,  sady Jiosy no Anglisy, sady mainty  no Anglisy; mety ho vao omaly ianao no tonga teto na teto mihitsy no teraka, ary dia afaka sahady hitoetra amim-pireharehana fa Anglisy ianao  – tsy misy olona afaka handràra anao amin'izany. Ireo vehivavy namako teratany Frantsay,  Espaniôla, sy Erôpeana hafa koa izay manana fiaviana ivelan'ireo firenena ireo sy izakàn'izy ireo ny zom-pireneny (na dia ireo manam-piaviana avy amin'ireo firenena Erôpeana mpifanolo-bodirindrina aza) dia tsy mihambahamba miteny fa tsy mba toy izao ny tranga iainana any amin'ny firenen-dry zareo. Ny Algeriana iray dia mijanona ho vahiny foana any Frantsa, na dia mpifindra monina tany Parisy efa anjaton-taonany tany aloha tany  aza ny raibeny  fony Alzeria mbola teo ambany fiahian'i Frantsa.
حدثان في الأسبوع الماضي لفتا انتباهي بخصوص خصوصية بريطانيا.
Tamin'ny herinandro lasa dia tranga roa no nisarika manokana ny saiko momba ny lafy tsara mampiavaka sy ananan'i Grande Bretagne.
Maram dia tonga hatrany amin'ny famaritana ny hetsika iray tao amin'ny Anjerimanontolon'i Oxford ho fandraisana mpiasa, nataon'ny Kaompanian-tsolika izay iasàny. Nandritra ilay hetsika dia maro ireo naneho tsy hafaliana nandrangaranga izay lazain-dry zareo fa nataon'ilay kaompania tany amina firenena maro maneran-tany, mitoroka azy ho nanao heloka bevava. Nanomboka nanàla ireo mpanao fanoherana ny mpitandro filaminana, saingy ny tomponandraikitry ny kaompania kosa nanaiky hamela azy ireo hilaza izay tiany hambara nandritry ny dimy minitra, tamin'ny nilazàny fa hajainy ny zon'izy ireo hànana fahalalàhana maneho hevitra. Kanefa, taorian'ny nahataperan'ny dimy minitra dia tsy navelan'ireo mpanao fihetsehana hanohy ilay tomponandraikitra, sady nanohy ny horakoraka ry zareo. Na teo aza anefa ny fanakorontanana, tohina ilay tomponandraikitry ny kaompania rehefa nahita iray tamin'ireo mpanao hetsika nentina an-keriny; nolazainy fa i Grande Bretagne dia firenen'ny fahalalàhana ary tsy misy olona tokony hofaizina satria hoe tsy mankasitraka ny fomba fiasan'ny kaompania.
Ny hetsika faharoa nisarika ny sain'i  Maram dia ampahany manokana tamin'ny fandaharana Fotoan'ny Fanontaniana [Question Time] fandefan'ny BBC isan-kerinandro, ka tanatin'izany no namalian'ireo mpanao politika sy olona maro hafa ny fanontanian'ny mpihaino momba ny olana sedraina ankehitriny. Tsy lanin'ny sain'ny maro, ny Question Time dia nahafahan'ny filohan'ny antoko ankavanana anglisy British National Party sady mpikambana ao amin'ny  EParlemanta Eropeana, Nick Griffin, nijoro ho isan'ireo mpandray anjara tamin'ilay fandaharana. Tany aloha tany i Nick Griffin dia efa voaheloka noho ny fizaràna fitaovana nihantsy  fifankahalàna ara-poko.
Taorian'ny fikarakarana ny seho an-tsehatra, Maram dia mamaritra ny zava-nitranga nandritra ilay fandaharana:
عودة إلى غرفن فقد أعطي الفرصة ليحدثنا عن خزعبلاته ويشتم الجميع دون أن يؤذيه أحد! وإنما استطاع زملائه في البرنامج من الأحزاب الأخرى وعلى رأسهم الوزير جاك سترو وكذلك الجمهور الحاضر (من بيض وسود وآسيوين ومسلمين ويهود ومسيحيين وغيرهم) بأن يردوا على أفكاره المتخلفة بمنتهى الهدوء والتحضر ويعروه أمام الجمهور البريطاني، فبدا (خريج جامعة كامبريدج) وكأنه طفل يحاول إغاظة الكبار بقول كل الكلمات التي طلبوا منه سابقاً أن لا يقولها..ثم بدا كفأر في مصيدة لا يقوى على الخروج منها…وكان أجمل تعليق ذلك الذي قاله أحد الحضور من المسلمين إذ عرض عليه أن يشتري له تذكرة للقطب الشمالي ليستمتع بالحياة في بيئة بيضاء لا تعكرها الألوان المزعجة!
Ndao hiverenana any amin'i  Griffin, nomena fotoana izy nilazàny tamintsika ny hagaigeny àry tsy nisy mihitsy olona nanelingelina azy tamin'izany! Soa fa ireo mpandray anjara avy amin'ny antoko hafa tamin'ilay fandaharana, notarihan'ny minisitra Jack Straw, ary ireo mpanatrika teo (fotsy, mainty, aziatika, silamo, jiosy, kristiana sy hafa koa) dia samy afaka namaly ny hevitra maiziny tamim-pahatoniana sy tamin'ny fomban'olo-mandroso avokoa, ary nampihanjahanja azy nanoloana ny vahoaka Anglisy. Ity olona navoakan'ny Anjerimanontolon'i  Cambridge ity dia toa nanao fanahin-jaza niezaka nandranitra ireo zokiny tamin'ny famerenana ireo teny rehetra efa noraràna tsy holazainy tany aloha tany… Avy eo dia toy ny voalavo tratry ny fandrika izy, tsy nahita ny làlan-kivoahana…Ny fanamarihana tsara indrindra dia avy amin'ny iray tamin'ireo Silamo nanatrika; nanao tolotra  hividy tapakila ho azy mba hahafahany mandeha any amin'ny Tendron-tany Avaratra ilehio, mba hahafahany manaram-po amin'ny tontolo fotsy, tsy pentipentenin'ny loko hafa!
انتهت الحلقة منذ أربعة أيام … ولم يخسر أحد وظيفته، ولم تقم انتفاضات ولا نزلت قوات الشغب إلى الشوارع! وواصلنا جميعاً حياتنا بسلام.
بعد أن شاهدت الحلقة ليلتها أطفأت جهاز التلفاز، وذهبت لأنام وأنا أشعر بفخر خفي لأنني متواجدة في هذا البلد العظيم  وبالتالي جزء منه، وأغمضت عيني وأنا أقول لنفسي بأن البلد الذي يمنح هذا القدر من الحرية للناس ليعيشوا ويتحدثوا دون خوف – مالم يخالفوا القوانين المعلنة المعروفة – لهو أجدر بقعة جغرافية بأن يتداعي الناس للدفاع عنها ولم لم ينتموا إليها عرقاً أو ولادة أو سكناً أو رحماً..فوطن الحرية هو واحة يستظل تحتها الجميع..في حين أن أوطان القمع هي سجون لأهلها..وشتان ما بين الواحة وزنزانة السجن الباردة..
Efatra andro lasa izay ilay ampaham-pandaharana… tsy nisy ny very asa, tsy nisy korontana nitranga, ary ny mpitandro filaminana mpandrava korontana dia tsy nirotsaka an-dalambe! Nanohy ny fiainanay tam-pilaminana izahay rehetra.
Taorian'ny nijerena ilay seho iny alina iny, nopihako ny fahitalavitra dia lasa aho natory niaraka tamina hadedahana tsy ambara havana fa hoe miaina eto amin'ity firenen-dehibe ity aho ary vokatr'izay dia vatana iray aminy. Nakipiko ny masoko no sady niteny irery aho hoe ny firenena afaka manome ny vahoakany ny fahalalàhana miaina sy miteny tsy amin-tahotra - raha mbola tsy mankitsakitsaka ny lalàna velona ry zareo - no tena toerana ara-jeografika ilain'ny olona hivondronana sy hahitàna fifanohanana, na dia tsy singa iray amin'izany noho ny fiaviana ara-poko, na noho ny fahaterahana, na noho ny fonenana teo aza izy … Toeram-pialàna sasatra an-tany efitra ho an'ny tsirairay ka ahafàhany misitraka  alokaloka  ny firenena iray itoeran'ny fahalalàhana, raha fonja ho an'ny vahoakany kosa ireo firenena anjakàn'ny famoretana… ary toy inona ny fahasamihafàn'ny toeram-pialantsasatra sy ny efitra famonjàna mamirifiry iray…
Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso
Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity.
Araka ny efa nantenaina, dia nandrakitra ny Iranian citizen media recorded “tantara” tamin'ny finday ny olo-tsotra nitati-baovao.
Manitsaka ny sarin'ny Mpitarika Faratampon'ny firenena, Ayatollah Ali Khamenei, ny mpanao fihetsiketseha-panoherana tao Teheran, fihetsika izay tsy azo nosainina akory volana vitsy lasa izay.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ROBiaGs7OYo&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/ROBiaGs7OYo&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Hafatra ho an'i Obama: Na ianao miaraka aminay na amindry zareo.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/x-yLLZ3JGfM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/x-yLLZ3JGfM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Mehdi Karoubi, mpitarika mpanohitra, miaraka amin'ny vahoaka.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/UuGNPxkIXU4&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/UuGNPxkIXU4&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Manafika ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/AIiAopKXE7w&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/AIiAopKXE7w&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Hamid Tehrani
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Iray amin'ireo takela-by any  Syria maneho ny Filoha Bashar al-Assad (sary an'i  jilliancyork)
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazàna izy ireny no “stereotypical” loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho  “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany ka asandratra ho toy ny zava-marina. Kanefa, nony nahatsikaritra lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny National Geographic noheveriny fa “ny tsara indrindra amin'ny lahatsoratra miresaka an'i Syria tanatin'ireo folotaona farany,” i Sasa, Siriana mpitoraka blaogy be mpahalala , mpamahana ny blaogy Syria News Wire, dia  zavatra tsotra no azony nolazaina:
Ny tena Syria marina no  lazain'ity lahatsoratra ity. Mampibaribary ireo teboka maro  efa fantatry ny Siriana mikasika ny fireneny, saingy hodian'ireo mpanao gazety vahiny tsy hita (na dinganina), noho ny fahamaizan'izy ireny hanamafy fotsiny ny stereotypes-ny.
Tsy atao mahagaga, matetika ao anaty firenena voasamatsamaka, tsy ny olona rehetra no homba ny fandalinan'i Sasa ilay lahatsoratra.   Imad Moustapha, Masoivoho Siriana any Etazonia (sady mpitoraka blaogy rahateo) dia nandefa taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratry ny  National Geographic izay nivoaka koa tao amin'ny  blaogy Syria Comment, miantso ny lahatsoratry ny  National Geographic ho  “fanehoana diso momba an'i Syria izay tany niaviako.” Tsy dia nanao fanamarihana loatra momba ilay lahatsoratra tao amin'ny Syria Comment i Joshua Landis, ny hafatra nalefany dia naharaisana  fanamarihana efa ho valopolo any ho any sy adihevitra mivaivay.
Ny mpametraka fanamarihana, Alex avy amin'ny Creative Syria dia nanakiana ilay lahatsoratry ny  National Geographic , amin'ny filazana hoe:
Tsy dia asiako olana loatra ny ankabeazan'izay voasoratra .. fa manana olana aho amin'ny fananako fahatsapana fa ny 90% amin'ilay lahatsoratra dia ny zavatra miiba no resahany … Tsy mieritreritra aho hoe Amerikana mpamaky iray no hanisy fisalasalàna hanafoana ny fialantsasatra efa nomaniny mialoha hatao any Syria. Iza no hahalatsa-kanina ao Bab Touma raha misy Siriana mahantra mitolona ho an'ny demaokrasia ampijaliana ao ambadiky ny varavaran'i Bab Touma ao?
Mpametraka fanamarihana hafa indray, Ghassan, nankafia ilay lahatsoratra:
tena mifototra amin'ny zava-misy ilay lahatsoratra, araka ny tokony ho izy, ary tsy iadian-kevitra. Manohana ny NG aho, ary ny fampitam-baovao sy fitenenana  malalaka izay tsy misy ao Syria.
Norman, dia nametraka fanamarihana ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i  Landis, ka nanamarika fa:
Mahaliana ny hoe ahoana no tsy hiombon-kevitra amin'ity lahatsoratra ity  i Syria tia ny Siriana rehetra.
Mpitoraka blaogy maro  hafa ivelan'i Syria no nihetsi-po mafy tamin'ilay lahatsoratry ny  National Geographic. Evan Hill, manoratra ao amin'ny blaogy iraisana The Majlis, dia nahatsapa fa mametraka an'i Syria ho toy ny tavela aoriana (taraiky tsy maharaka toetr'andro) ilay lahatsoratra, ka manamarika fa:
Isika dia tavela miaraka amina Syria mihisatra, ara-toekarena sy ara-politika, amina toe-tsaina antitra be efa ho 40 taona be izao raha kely indrindra. Ny  Talen'ny orinasam-panjakana iray mpamboly hasy, manadino na manafina fotsiny izao ny fahalalàny ny loza rehetra manodidina ny tontolon'ny asa any an-toerana any, dia miondrikondrika be ihany sy toa sahirankirana rehefa nanontaniana raha toa nahazo ny tombontsoany hatramin'izay. Ireo eny amin'ny Anjerimanontolo sy ireo mafàna fo dia samy mbola raiki-tahotra amin'ny asan'ny sampam-pitsikilovana natsangan'ny rain'i Assad taona maro lasa izay mba hamotehana ny fanoherana rehefa tsy nandeha ny tetikady politikany.
Rehefa avy namaky  ny fanakianana rehetra, ny  Syria News Wire dia nanainga ireo mpamaky mba hamaky ny lahatsoratra fototra sy ny  fanakianan'i   Imad Moustapha alohan'ny handraisan'izy ireo fanapahan-kevitra.
Georgia: Mampitabataba orthodoksa
Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola  ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi].
The Georgian police are reported to have tracked down the thought criminals responsible for “indecent and insulting” satirical videos which targeted the head of the Orthodox Church and caused a nationwide scandal in this fervently religious country. A statement from the Interior Ministry identified the culprits as a school pupil and a student. […]
Notaterina fa nahasarona ireo mpanao heloka tompon'antoka tamina lahatsary  satirika[mampihomehy toa maneso] “tsy mahalala menatra sy manompa” ny lehiben'ny Fiangonana Orthodoksa ka nampitabataba nanerana ity firenena fatra-pivavaka ity ny polisy Georgiana. Ny fanambarana nataon'ny minisiteran'ny atitany no nahafantarana fa mpianatra madinika sy mpianatra any amin'ny anjerimanontolo ry zalahy ireo.[…]
Nasondrotr'i Evolutsia hivelatra kokoa ny adihevitra ka nosinganiny ny herin'ny Fiangonana sy ny fahalalahana hiteny. Tao amin'ny singan-dahatsoratra tao amin'ny vaovaon'ny bolongana vaovao mamoaka vaovao amin'ny teny anglisy i Inge Snip no nampaneno ny lakolosy fanairana.
One of the most fundamental freedoms is, I believe, the freedom of speech. Freedom of speech enables a country to show to every citizen that their opinion is allowed to be heard, no matter the content. In addition, a true democracy allows the mocking of important figures in society, and by doing so, it shows its maturity.
To conclude, there is no grounds for investigating this issue, nor should there be; however, the law enforcement agencies did the opposite, because there is some kind of popular demand. As a student of law, this is easily one of the most ridiculous grounds for any judicial investigation I have ever heard.
Araka ny fahafantarako azy, ny fototra lehibe iray manorina ny fahalalahana dia ny fahalalahana miteny. Avy amin'ny fahalalaham-pitenenana no ahafahan'ny firenena iray maneho amin'ny olom-pirenena tsirairay fa omena alalana hohenoina ny hevitr'izy ireo, tsy maninona izay votoatiny. Ankoatra izany ny tena demaokrasia dia mamela ny fanesoesoana ny tsongoin' olom- bolo eo amin'ny fiaraha-monina  handeha, fa avy amin'ny fanaovana izany no anehoany ny fahamatorany.
Raha fehezina dia tsy misy antony tokony hanaovana famotorana amin'ity raharaha ity, na tokony tsy hisy izany;  saingy ny mifanohitra amin'izany moa no ataon'ny mpampihatra ny lalàna, satria misy ny karazana fitakiam- bahoaka amin'izany. Amin'ny maha-mpianatra ny lalàna, dia ity no iray amin'ny famotorana ataon'ny fitsarana kidaladala indrindra henoko.
Onnik Krikorian
Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]
Tsy mbola nisy hatramin'izay hamaroan'olona voarahona na voagadra noho ny zavatra nosoratany tamin'ny aterineto.
Koa satria moa nitombo aoka izany ny olo-tsotra no nampiasa ny aterineto  hanehoany ny heviny sy  ifandraisany amin'ny hafa, dia maro ihany koa ny mpitondra fanjakana no nanamafy ny fanaraha-maso, nanasivana, fitoriana eny amin'ny fitsarana ary ny fanorisorenana. Ny tena henjana indrindra amin'ny maro dia ny fisamborana ny mpamaham-bolongana noho ny resaka politika nosoratany an-tserasera sy/na an-toeran-kafa, ary misy aza indrisy ny mitarika hatrany amin'ny fahafatesana. Mahatratra ny 45%-n'ny mpiasan'ny fampitam-baovao mameno ny fonja ankehitriny no mpanao gazety an-tserasera sy mpamaham-bolongana avokoa.
Ankehitriny, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [feo voarahona] indray ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manara-maso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika, ka tafiditra ao ny Vaomiera miaro ny mpamaha-bolongana, Fikambanana Arabo miaro ny Zon'olombelona eo amin'ny vaovao, Mpanangom-baovao tsy voasakan-tsisintany[Reporters Sans Frontieres], Human Rights Watch[Mpiaro ny Zon'olombelona], CyberLaw Blog, Amnesty International, Komity mpiaro ny mpanao gazety, Global Voices Advocacy.
Mpamaham-bolongna inona ary Aiza?
Maro ny antony mahasarotra ny mikaro-baovao miresaka mpanoratra an-tserasera sy mpamaham-bolongana voarahona sy voasambotra.
Voalohany, sarotra dia sarotra ny mamantatra azy noho ny tsiambaratelo manodidina ny fanasivanana an-tserasera sy ny fangejana. Tsy misy herinandro izay tsy andrenesana mpanao gazety an-tserasera hafa na mpikatroka voasambotra amina firenena tahaka an'i Ejipta na Iran, saingy zavamiafina tanteraka matetika ny anton'ny fisamborana sy ny antsipiriany.
Faharoa, mbola mifangaroharo be hatramin'izao ny famaritana ny antsoina hoe “mpamaham-bolongana”. Mihamaro dia mihamaro ny mpanao gazety matihanina no mikisaka mankany amin'ny gazety an-tserasera sy mamaham-bolongana fa any nomisy fahafahana kokoa, ka manasaritaka ny  famaritana napetraka teo aloha. Ary maro amin'ireo antsoina hoe cyber-dissidents any Shina, Tonizia, Vietnam, na Iran no tsy manana bolongana ho azy manokana. Misy ihany koa ny fotoana noho ny zavatra natao amin'ny fiainana andavanandro no isamborana ilay mpamaham- bolongana fa tsy amin'izay navoakany an-tserasera.
Io fisavoritahana io no manasarotra ho an'ny mpiaro ny fahalalaham- pitenenana an-tserasera amin'ny fametrahana teti-panorona mahomby sy ahazoana fiaraha-miasa matotra hiarovana ny mpamaham-bolongana sy ny mpitolona an-tserasera, fa efa tena zava-dehibe aloha ny manandrana aloha.
Andao hiara-miasa
Mitarika ny vondrona mpanoratra, tonia sy mpandika teny izahay ato amin'ny Global Voices , mampahalala anay amin'izay mety hisiana fihoaram-pefy rehetra mikasika ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona. Kendrentsika ny hanakaikezana ny olona rehetra mety hanam-baovao mikasika izany miaraka amin'ny Threatened Voices.
Miantso izay rehetra manana havana, namana, mpiray tanindrazana izay efa nahazo fandrahonana izahay mba hametraka ao sy hilaza ny vaovao farany y mombamomba ireo izay nanjavona na voasambotra, mba ahafahanay mikaroka loharanom-baovao hafa, hanamarina, sy hametraka rohy an-tserasera natokana mba hanafahana azy ireny.
Amin'ny alalan'io fomba io, dia manantena izahay hahalala bebe kokoa hoe oviana, taiza ary tamin'ny fomba inona na nanao ahoana no nahatonga ny mpamaham-bolongana ho voahosihosy ny zony any amin'ny firenentsamihafa any, mba hahafahana mizara ny vaovao amin'ny mpanao gazety, mpikaroka, ary ny mpikatroka, sy hananganantsika aterineto ahafahan'ny rehetra mampihatra ny zony hiteny amin-kahalalahana, ary mba tsy hanadinoana ireo mpamaham-bolongana any am-ponja.
Aelezo maneratany. Tweet-eo [siaho an-tserasera], iresaho amin'ny bolongana ary ankotrio ny mombamomba anao ao amin'ny facebook hilaza ny Threatened Voices!
Sami Ben Gharbia
Irana: Afaho i Hossein Derakhshan
1 Novambra 2009 no tsingerintaona voalohany amin'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy, Hossein “Hoder” Derakhshan.
Cyrus Farivar, amerikana iray monina any sady mpitoraka blaogy no mpanao gazety dia  nitatitra fa tafaresaka tamin'i Hamed, rahalahin'i Derakhshan izy, izay nilaza taminy hoe :
Nihaona tamin'ny mpampanoa lalàna vaovaon'ny distrika ireo raiamandreniny, fotoana vitsy lasa izay, ka nomen'io alàlana nahazo niara-nisakafo hariva tao amin'ny fonjan'i Evin niaraka tamin-janany lahy, Hossein Derakhshan, ny Alakamisy29 Oktobra 2009 teo. Manamafy izany fa mbola voatazona ao amin'ny fonjan'i Evin i  Hossein, nefa tsy fantatr'ireo fianakaviana akory hoe rahoviana indray ny fotoana manaraka hahafahan'izy ireo mihaona aminy.
Ny mpitoraka blaogy Iraniana,  Jooya, dia  manoratra fa i Derakhshan dia mbola ao amin'ny sampana No. 325 foana any amin'ny fonjan'ny  Revolutionary Guards. Raha ny filazan'ireo mpiaro ny zon'olombelona, hoy i  Jooya manampy, dia natoka-monina tanteraka izy nandritra ny herintaona eo ho eo.
Vondrona iray ahitàna mpitoraka blaogy  Iraniana  no nanapa-kevitra hanampy hoe “Afaho i  Hossein Derakhshan” amin'ny anarana entin'ny blaogin-dry zareo mandritra ny herinandro iray. Milaza (fa) i Fanous Azad fa:
Izaho koa nanampy ny hoe “Afaho i Hossein Derakhshan” amin'ny anaran'ny blaogiko.
Manampy izy fa:
. . . fony  Hossein nanomboka niampanga ny hafa dia nitsahatra tsy namaky ny blaoginy aho, saingy ankehitriny dia miaro ny zony aho, tsy asiako fieritreretana hoe iza moa izy izay. . . . Hossein, toy ireo olombelona rehetra ihany, dia tokony hànana ny zony amin'ny fahalalàhana misaina sy miteny.
Parsanevesht dia manentana ny mpitoraka blaogy rehetra mba hiasa miaraka mba hahazoana akony goavana.
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambàra fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovy fihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
“Ny lalànan'i Jim Crow” izay nitaky ny fisarahan-toeran'ny Amerikana fotsy sy mainty dia foana tamin'ny 1965, ary ireo lalàna manohitra ny fifangaroan-karazana fihodirana izay nandrara ny fifanambadiana olona tsy mitovy fihodirana na ny firaisana ara-nofo dia foana nanerana ny firenen-drehetra nanomboka ny 1967.
Nefa mbola misy hatrany ny fanavakavaham-bolon-koditra. Na dia hoe tsy hita mitsikafona aza izy ireny matetika, misy kosa fotoana anandratany ny lohany mahatsiravina amin'ny fomba  tsy takona hafenina; nahatonga lohateny lehibe maro manerana an'i Etazonia ity tantara ity, niteraka lahatsoratra blaogy maro avy amin'ny fiaraha-monina ao an-toerana sy ivelany.
Ho valin'ny “fiarovan-tena” nataon'i Bardwell hoe mampivady olon-droa mainty foana izy, nampiseho ny hatezerany ilay blaogy manohitra ny fanavakavahan-bolon-koditra, Stuff White People Do, amin'ny fitenenana fa:
Hay, toa tsara fanahy tokoa ianao, Atoa mpitsara Bardwell. Ny fiarovanao tsy lazaina intsony.
Raha ny tranon'i Bardwell no resahina, izay mino aho fa feno vahoaka keli-na zazakely fotsy sy mainty miara-milalao dia tokony hiteny an'izao koa izy:
Manana namana mainty hoditra maro dia maro tokoa aho. Mankanyany an-tranoko ry zareo, Mampivady azy ireny aho, ampiasain'izy ireo ny trano fidiovako. Raisiko tahaka ny olon-drehetra ry zareo.
Hay moa, namana mainty hoditra koa, maro be. Hatrany amin'ny trano fidiovany!
Mpametraka hevitra iray ao amin'ilay blaogy Siditty (izay nanoratra ny lahatsorany manokana koa  ato), dia nikitika ny momba ny eson-tenin'ny hatezeran'i Bardwell:
Manontany tena foana aho hoe fa naninona ny lehilahy avy any Louisiana, izay manan-tantara goavana momba ny fifangaroana fihodirana (volon-koditra), na amin'ny alalan'ny rafitra fametrahana na amin'ny kolontsaina kiriolona (créole), no toa niditra tamin'ny fiahiana ny ankizy tampoka teo? Tsy niasa saina momba izany ry zareo tany amin'ny taona 1700 tany, tsy tokony koa izy ankehitriny.
Ny blaogy Racism Review dia nanohitra ny “fiasàn'i Bardwell saina momba ny taranaka” tamina porofo momba ireo zaza teraka avy amin'ny fiarahan'olona tsy mitovy fihodirana:
Ary, mba handalinana kokoa ilay porofo, tsy mijaly ireo zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana raha ampitahaina amin'ireo zaza hafa raha miaina anaty tontolo manaiky ny fahasamihafana sy ny zaza teraka tamina fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy ireo. Raha sendra fanavakavahana ireny zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana ireny (sy tsy fitoviana ara-drafitra hafa), dia mety hisedra adin-tsaina izy ireo, ary koa aretina mifandraika amin'izany adin-tsaina mitombo izany, toy ny fidorohana sy ny fibobohana. Izany no vokatry ny fanavakavahana, ary antony iray hafa tokony hanaovana izay hahafoana ny fanavakavahana.  Fa  tsy tokony ho antony – raha atsimbadika ny lojika – hanamafisana ny fanavakavahana izany.
Ary Black Girl in Maine koa dia niresaka  tsara momba ilay fanontaniana  “ahoana ny momba ireo zaza?”, ka nilaza ny zava-niainan'ny zanakalahiny izay metisy:
Ary ho an'ireo ankizy, ahoana ny momba azy ireo? Eny, indraindray ireo ankizy metisy dia ampijalian'ny hafa nefa tsy matetika izany, ary izaho aza mieritreritra fa amin'ny tanora ankehitriny dia efa saika mahafinaritra izany hoe metisy izany. Araka ny nolazain'ny namako ahy dia tsy mijaly noho ny tsy fananany namana lahy na vavy,  ny zanako lahy. Amiko, ny fotoana mety hananan'ireo zaza metisy olana goavana dia rehefa tsy misy na iza na mba  hiresahany momba izay razambeny. Amiko rehefa mifandray amin'ny razambeny sy ny foko ara-tantara ireo ankizy dia mamorona toeram-piadanana ho azy ireo izany.
Any Etazonia, misy lalàna maro manohitra ny maha-metisy any amin'ireo firenena maro, mandràra ny fanambadiana eo amina Amerikana fotsy hoditra sy Amerikana mainty hoditra (ary Amerikana avy amina fihodirana hafa).  Raha tany amin'ireo firenen-kafa kosa, nofoanana nanomboka tamin'ny taona 1780 ireny lalàna ireny, tany amina firenena enina ambin'ny folo tsy nofoanana ireo lalàna ireo raha tsy taorian'ilay tranga Loving vs. Virginia tamin'ny 1967, izay nisamborana tany am-pandriana mpivady tsy mitovy fihodirana, nivady tany Washington, D.C..  Tonga hatrany amin'ny Fitsaràna Avon'ny Etazonia ny ady ara-dalànan'izy ireo, ary nofoanana tamin'izay ireo lalàna.
Mpitoraka blaogy maromaro no niresaka momba ny endrika araka ny lalànan'ity raharaha ity. Misy mpitoraka blaogy iray, Jay Says, manoratra:
Amin'ny maha-Mpitsara misahana ny fandriampahalemana azy, tokony hahafantatra izy fa tsy voarara intsony ny fanambadiana tsy mitovy fihodirana – nambara ho tsy araka ny lalampanorenana, 40 taona lasa izay. Ity ohatra miavaka ity dia nipoitra taorian'ny Diabem-pirenena  ho an'ny Fitovian-jo tamin'ity herinandro ity, ka nanadihadiako fohy mpifankatia tsotra tsy mitovy fihodirana, ry Newmans (horonantsary) ny momba ny antony anaovan'izy ireo izany diabe izany.
Ny fanavakavahana volon-koditra, sokajy, lahy na vavy, fankahalana vahiny, tsy fandeferana ara-pinoana sy ny sisa dia afaka ary misy eo amin'ny fiaraha-monintsika, nefa tsy tokony hisy izy ireny ho arovan' ny  lalàna. Mahasosotra ny famelàna mpiasan'ny governemanta mikarama amin'ny hetran'ny “olona afak'i”  Etazonia (na amin'ity tranga iray ity, firenena iray any Etazonia) hampiasa ny faharesendahatra azy manokana mba hanapahana ny momba ireo olana izay tantanin'ny lalàna sivily. Raha tsy manaiky ny fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy dia tokony hitady asa vaovao – mety hoe Lehiben'ny  Ku Klux Klan ohatra?
Farany, nisy mpitoraka blaogy iray nanaraotra ka namadika ity trangan-javatra iray ity ho fotoana hakàna lesona. Ilay mpitoraka blaogy, manoratra ilay blaogy Inona no mba haiko? [What Do I Know?], dia nangataka ireo mpamaky mba hieritreritra ny fihetseham-pony tsirairay avy momba ity resaka ity:
Raha manahy ianao fa mbola velona anatintsika rehetra ny fanavakavaham-bolon-koditra, eritrereto ny tenanao mivady amin'ny olona iray tsy mitovy fihodirana aminao, indrindra raha fotsy hoditra ianao dia mainty hoditra ilay olona. Eny e, tsy haninona izany ho an'ny olon-kafa, nefa tsy hahita antony tsara sy mitombina ve ianao hoe mety hanasarotra lavitra ny fiainany ny zanakao vavy rehefa hitondra ny fofombadiny mainty hoditra ho any an-trano izy? Aza mihatsara velatsihy e. Na dia miteny aza ianao hoe “Ts'isy olana” tsy ho nisalasala na dia kely fotsiny aza ve ianao? Raha tsia dia olona tsy dia fahita loatra ianao.
Amin'izao Bardwell miteny izao fa tsy hiova hevitra izy ny momba an'io, zavatra iray no tena azo antoka: tsy maintsy ho maro ny vaovao ho avy.