· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2013

Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina

  29 Mey 2013

Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra any ivelany mikasika ny fitondrantenany sy ny fiarovany ny kabarin'i Biden ho mendrika hosaintsainina tsara

Miampanga Mpanao Gazety ao amin'ny Twitter ny Filohan'i Panama

  23 Mey 2013

Matetika loatra ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) [es] no mahatezitra ny mpiserasera Panameana noho ny fisiahana mampiady hevitra sy mampiady tsotra izao, ary tonga hatramin'ny fanompana aza. Ny ohatra akaiky indrindra dia ny sioka nalefa mivantana tamin'ny mpanao gazety Santiago Cumbrera avy ao amin'ny La Prensa, gazety iray efa nifandona tamin'ny...

Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli

Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany

Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa

  22 Mey 2013

Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny...

Mitady Fiarahamiasa Aminà Orinasa Tsy Miankina Ny Orinasam-pifandraisana Saodiana Mba Hitsikilo Ireo Mpanjifany

Nangataka fiarahamiasa taminà orinasa tsy miankina iray ny orinasam-pifandraisana faharoa lehibe indrindra ao Arabia Saodita, Mobily, mba hanara-maso ireo fampiharana ara-pifandraisana amin'ny finday ampiasain'ny mpanjifany. Tamin'ny volana Martsa, nandrahona hanakatona ny WhatsApp, Skype sy ireo fampiharana hafa tsy mifanaraka amin'ny fepetra aman-dalàna Saodiana (mamela ny fanarahamaso na fitsikilovana) ny Vaomieran'ny Teknolojiam-pifandraisana sy ny...

Roa Taona Taorianan'ny Niafenany, Nandositra Tany Londra i Ali Abdulemam, Bahraini Bilaogera

Nipoitra tany Londra i Ali Abdulmam, Bahraini bilaogera, taorian'ny nandosirany tany Bahrain, izay toerana niafenany nandritra ny roa taona. Nandrtra ny fitsaràna tsy narehany, Abdulemam, 35 taona, dia voasazy 15 taona an-tranomaizina noho ny maha-mpikambanana azy anaty fikambanana mpampihorohoro ary koa saika hanongam-panjakana. Resak'ireo mpisera ety anaty aterineto ny tantaran'i Abdulemam nony nivoaka ny andinindininy tamin'izy io-aterineto.