· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2013

Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola

  31 Janoary 2013

Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.

Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh

  31 Janoary 2013

Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo ho meloka ao amin'ny fireneny ny fironany ara-pananahana. Ankoatra ny tsy famelana azy ireo hizaka ny zony, miatrika fanavakavahana, ompa, herisetra...

Sazy An-tranomaizina Mandra-pahafaty No Azon'i Pınar Selek Taorian'ny Fotoam-pitsarana azy Naharitra 15 Taona

Pınar Selek, sosiology sady mpanoratra monina ao Strasbourg, no efa voampanga fa nidaroka baomba tao amin'ny tsenan-tsakay ao Istanbul, voaheloka higadra mandra-pahafaty ao amin'ny fonjan'i Torkia izy. Rehefa noafahana madiodio in-telo nandritra ny fotoam-pitsarana naharitra 15 taona teo izy, nivoaka tamin'ny 24 Janoary 2013 lasa teo ny didim-pitsarana. Hosamborin'ny polisy...

Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa

Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...

Nitifitra Ranon-tsakay Tamin'ireo Mpampianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Bangladesh Ny Polisy

  24 Janoary 2013

Vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Bangladesh, no nampiasa tifitra ranon-tsakay ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Mpampianatra sy mpiasa an-jatony avy amin'ireo sekoly tsy miankina no voatifitr'izany. Nanao fihetsiketsetahana izy ireo ary nitaky mba hahazo fanampiana Fandoavam-bola Isam-bolana (MPO) avy amin'ny governemanta ny sekolin'izy ireo. Nitatitra ilay bilaogera Amrito Shudha fa mpampianatra iray antsoina...

Ny Taokanton'ny Fanoherana Ao Shina, Mihoatra Lavitra An'i Ai Weiwei

  24 Janoary 2013

Lasa malaza ao Shina ny endri-panoherana atao amin'ny endrika taokanto. Ity lahatsoratra ity dia mitondra ny mpamaky hijery ireo hetsika kanton'ny tarika - Made-in-J Town - izay nanao seho maro tamin'ny alàlan'ny vatany tao Shandong tamin'ny 2008, taonan'ny Olaimpika tao Beijing sady taona niatrehana famoretana henjana ho an'ireo feo manohitra.

#DELETECONTROL/: Fanentanana Hanoherana Ny Famoretana Aty Anaty Aterineto

GV Mpisolovava  23 Janoary 2013

Ny Sekoly Ambony Misahana Ny Fifandraharahana ao Pays-Bas, Hivos, izay miara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, ny Witness, ny Mideast Youth ary ny Tactical Technology Collective, dia mikarakara hetsika fanentanana antsoina hoe #DELETECONTROL/, hanampiana ireo mpampiasa aterineto tandindonin-doza hiady amin'ny famoretana anaty aterineto.