· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Desambra, 2012

Vehivavy Sodanezy Mpanao Gazety Nampijaliana, Manao Antso Avo

  28 Desambra 2012

Sumaya Ismail Hundosa, 34 taona, dia nisy naka an-keriny tao an-tranony tamin'ny 29 Oktobra, ary hita taty aoriana nisy nanipy tany anaty fotaka tany amin'ny faritra somary lavidavitra any Khartoum tamin'ny 2 Novambra, dimy andro taorian'ny fakàna azy an-keriny. Satria tsy nosokafana ny andinindininy mikasika ny fampijaliana an'i Hundosa teo aloha, dia novalian'ny Sodanezy mponin'ny aterineto tamin'ny alahelo sy hatezerana izany, maneho ny fiaraha-miory sy ny firaisan-kina amin'ilay mpanao gazety, araka ny nosoratan'i Usamah Mohamed

Mampitandrina i Shina: “Tsy Ambonin'ny Lalàna ny Aterineto”

  28 Desambra 2012

Ny 18 Desambra 2012, namoaka lahatsoratra eo amin'ny pejy voalohany mitondra ny lohateny hoe “Tsy ambonin'ny lalàna ny Aterineto” ny gazety mpanohana ny governemanta Shinoa People's Daily [gazety mivoaka isan'androm-bahoaka] . Hoy ny lahatsoratra : the internet is as much a tool of rumor and misinformation as a platform for information sharing, and...

Hetsika “Voafonja Ny Latsabatoko” Hanohanana Ireo Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Iran

Naraha-maso akaiky nandritra ny 650 andro ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teo aloha sy lehiben'ny Hetsika Maitso, Mir-Hossein Mousavi, sy Mehdi Karroubi, miaraka amin'ny vadin'i Mousavi, Zahra Rahnavard. Nitodika tany amin'ny media sosialy ny vondronà Iraniana mpampiasa aterineto mba hanairana sy hanosehana ny famoahana an'ireo voafonja noho ny fanehoan-kevitra ireo.

Fanentanana #FastforBassel Hiarovana Mpiserasera Syriana Hiatrika Fitsarana Miaramila

Hiatrika fitsarana miaramila ao Syria i Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana Bassel Safadi ihany koa, ary tsy navela haka mpisolovava izy. Tany am-ponja foana ity mpilatsaka an-tsitrapo manam-pahaizana manokana momba ny rindrambaiko misokatra sy Creative Commons ity nanomboka ny volana Martsa. Nanatontosa hetsika  #FastforBassel tao amin'ny Twitter ireo mpanohana azy manerantany mba hanentana...