· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2012

Israely : Fitokonana Narahan-kerisetra Tany Tel Aviv #J14

Olona an’arivony no nirotsaka an-dalambe tany Tel Aviv ny alin’ny Sabotsy 23 Jona, taorian’ireo fifandonana narahin-kerisetra teo amin’ny mpitolona sy ny mpitandro filaminana ny omalin’iny.Ny Zoma 22 Jona, nikasa ny hiverina hibodo ny lalamben’ny Rothshield tao Tel Aviv miaraka amin’ny tranolay ireo mpitolona ho amin’ny fahamarinana sosialy (#J14) nefa notsenain’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny herisetra izany.

Iran: Hiran'ny Fahafahana

Ny United4Iran, fikambanana iray tsy mitady tombontsoa manao fampielezan-kevitra momba ny zon'olombelona any Iran, dia manao dingana miaraka amina rakikira ao anaty aterineto voatokana hamelona indray ny fanantenana hisian'ny fahalalahana miteny ho an'ireo Iraniana.

Panama: Firenena Amidy

  20 Jona 2012

Amidy i Panama : na farafaharatsiny izay no fahitan'ny vondrona Panameana lehibe iray ny zava-misy taorian'ny nahitàny tamin-katezerana ny fomba ataon'ny governemantan'ny Filoha Ricardo Martinelli ikendrena ny handafosana ampahany midadasika amin'ireo fananan'ny firenena..Azo jerena eny an-dalambe sy eny anaty tambajotra sosialy ny hatezearan'ny vahoaka Panameana.

Togo : Mihantsy an'i Faure Gnassingbé Eyadema Ny Fiaraha-mientana “Ndeha Hovonjena i Togo”

  20 Jona 2012

Nivadika ho fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana ny diabe iray am-pilaminana nataon'ny fiaraha-mientana "Ndeha hovonjena i Togo" tamin'ny 12 Jona teo. Nanodidina ny 120 ireo naratra voarakitra an-tsoratra nandritra ireo fifandonana ny 12 sy 13 Jona. Isan'ny tafiditra ao anatin'ny fitakian'ireo nanao fihetsiketsehana ny fampiharana ny zava-boalazan'ny Kaomisionam-pirenena momba ny Zon'Olombelona mikasika ny fampijaliana sy ny fanavaozana ifotony ny Lalampanorenana. Ankehitriny i Togo dia anaty tetezamita politika taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2005 nolavin'ny betsaka ka nahatonga ho eo amin'ny fitondrana an'i Faure Gnassingbé Eyadema, zanaky ny filoha teo aloha Gnassingbé Eyadema. Misy fihetsiketsehana iray nomanina hatao ny 18 Jona.

Angola : Ny Mozikan'ny Fanoherana, Androny Tahaka Ny Omaly

  18 Jona 2012

Ireo fikambanana mpiaro n y zon'olombelona sy ireo bilaogera dia samy niteny faholo fa tandindonin-doza ny fahalalahana miteny ao Angola, amin'ny alàlan'ireo mafàna fo mpiangaly mozika. Mandritra izany fotoana izany dia natao tao Lisbonne ny fanomezam-bohinahitra ho an'ny mozikam-panoherana angoley izay ny tarika N'Gola Ritmos tamin'ny taona 50 sy 60. Fitetezana ny lasa izay mahatonga ny tena hisaina ny an,kehitriny ara-politikan'i Angola, nefa miha-manakaiky hatrany ny fifidianana.

Arabia Saodita: Tolona Hanavotana Ireo Gadra Notànana Tsy Nisy Fitsaràna

Inoana ny fanjakàn'i Arabia Saodita fa manana gadra an'arivony izay tsy navela niatrika fitsaràna ary maro amin'izy ireo no tsy mahalala akory ny antony nanamelohana azy. Niasa mafy ny fianakavian'ireo gadra ireo nandritra ny volana vitsy farany teo, tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, mba hampitàna ny vaovao ary farany dia nanapa-kevitra ny hanao fitakiana an-dalàm-be. Mona Kareem dia mitatitra ny niandohan'ny tolona iray tamin'ny Twitter.

Korea Atsimo: Nohamafisin'ny Fitsarana ny Didy Fandraràna Boky “Manakorontana” Eo Amin'ny Tafika

  09 Jona 2012

Nankatoavin'ny fitsarana ny fandraràn'ny minisiteran'ny Fiarovana mikasika ny fivezivezen'ny boky ao amin'ny tafika, boky voalaza fa “manakorontana”, izay miteraka tahotra eo amin'ireo Koreana ny amin'ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra. Tsy noraisin'ny Fitsaran'ny Distrika afovoany ao Seoul  ny fitoriana nataon'ny mpanoratra sy ny tranom-pirinty namoaka ireo boky nosokajian'ny minisiteran'ny Fiarovana ho “manakorontana”...