· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2012

Shina: Tsy Mahataitra Ny Fanapahan-kevitry Ny Twitter Hanivan-tena

  30 Janoary 2012

Nanambra ny Twitter tamin'ity herinandro ity fa, ho fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe, nanapa-kevita ny hanomboka hanivana ireo fampahalalana voarara any amin'ireo fivarotana samihafa izay ananan'ny orinasa mpampiasa azy izy. Any Shina anefa, izay efa voasakana efa mihoatra ny roa taona ny Twitter, mbola maro ireo mpampiasa no mbola mitsidika io vohikala io, milaza ny vondrona mpampiasa Twitter goavana iray fa mety tsy ho olana be loatra io fanapahan-kevitra io.

Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe

  28 Janoary 2012

Ny Fetiben'i Salvador [karnavalina], ao Brezila, no iray amin'ny lehibe indrindra manerantany. Leon'ny resaka ara-barotra tafahoatra sy ny fanovana ny kianjam-bahoaka lasa an'olotsotra vonjimaika kosa ny mponina ao an-tanàna. Nidina an-dalambe ry zareo tamin'ny 14 janoary rehefa nifanentana sy nifandamina tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mitaky ny hanalana ny fanorenan'ireo orinasa tsy miankina hiala amin'ny arabe.

Gresy: Fanakianana Ireo Mpanao Politika Nandritra Ny Fankalazàna Ny Theophany

  27 Janoary 2012

Tao Gresy, ny 6 Janoary dia androm-pirenena fankalazàna ny Theophany. Isan-taona, ny governemanta sy ireo mpiasam-bahoaka dia mandray anjara amin'ilay fankalazàna, ka aorian'izany no ananan'izy ireo fotoana hanaovana fanambaràna amin'ny fomba ofisialy. Kanefa, noho ny fahasahirànana ara-toekarena, politika ary sosialy lalovan'i Gresy, ny fankalazàna tamin'ity taona ity dia voamariky ny fanehoan-kevitra mivaivay noho ny tsy hafaliana sy ny fanakianana ireo mpanao politika..

Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto

Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.

Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia

Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Ny andro namoahan'ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro an'ilay kisarisary maka endrik'ilay mpaminany antsoina hoe Muhammad ho toy ny 'mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny' araka ny hita eo amin'ny fonony dia efa saika nikatona avokoa ny mpivaro-boky rehetra, ary tao anatin'ny iray andro avokoa no nitrangan'izany.

Iran: Mpamaham-bolongana Islamika Nogadraina Mitokona Tsy Hihinan-kanina Ao Am-ponja

Hatramin'izay 33 taona nisian'ny Revolisiona Islamika izay, karazana paradisa ho an'ny mpitondra fivavahana Islamika i Iran, izay nahazo ny fahefana sy mitondra ny firenena. Saingy tsy izy rehetra. Mohammad Sadegh (Arash) Honarvar Shojayi, mpitondra fivavahana sady mpamaham-bolongana, no anisan'ireo iharan'ny fijaliana ao am-ponja miaraka amin'ireo voafonja maro hafa  noho ny heviny sy ny...

Tonizia: ”Aza Sivanina Ny Votoaty Vetaveta”

Amin'ny fiandohan'ny Febroary, ny Masoivoho Toniziana misahana ny Aterineto dia hanao fampakarana amin'ny Fitsarana Ambony ny didy navoakan'ny fitsarana iray tao Tunis tamin'ny May 2011 nandidy ny masoivoho mba hanakana ny fidirana amin'ireo votoaty miresaka vetaveta ao amin'ny aterineto. Ho an'ireo Toniziana mpiondana aterineto, sy ireo mafàna fo mpiaro ny fahalalahana miteny, tsy vahaolana ity karazana sivana ity, fa horohoro iray atao amin'ny fahalalahana miteny.