Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2011
Ejipta: Graffiti – Mba ho Revolisiona Maroloko sy Ho Fahatsiarovana Tsy Maty Vonoina
Hatrany amin'ny andro voalohan'ny rovolisiona ejiptiana, naka ny fomba fanaon'ny razambeny ireo mpanao hetsi-panoherana amin'ny fomba fandraketana ireo androm-pandresena sy firavoravoana, fandraketana ireo andron'ny revolisiona eny amin'ireo rindrin'ny Kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Caire, ivon'ireo fihetsiketsehana. Tonga ny anjarany, maniry toa anana ny graffiti eraky ny rindrina ao Caire.
“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka
Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:...
Nandroaka Mpiasan'ny Fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan
Nitatitra ny The Commitee to Protect Journalists fa nandroaka mpiasan'ny fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan,izay tonga mba haka sary fanadihadiana iray momba ny zon'olombelona eo amin'io firenena io.
Arzantina: Miresaka Sondro-bidim-Piainana ireo Mpitoraka Bilaogy
Lohahevitra efa resabe hatry ny ela ta Arzantina ny sondro-bidim-piainana, ary lasa lohahevitra miverimberina eo amin'ireo mpitoraka bilaogy.Satria olana ara-politika manan-danja lehibe tokoa, dia andrasana ny handraisana azy ho lohahevitra lehibe hifandresen-dahatra mandritra ny hazakazaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny Oktobra ho avy io.
Tetikasa “Exploring Taboos”, diaben'ny vehivavy an-tapitrisa
Noraiketin'ireo gazety malaza ary koa ny vaovao an'olo-tsotra an-tantara ireo zava-niseho nandritra ny revolisiona Ejyptiana, ka nitodika tany amin'ny fampandrosoana izay niteraka ny fionganan'i Hosni Moubarak tamin'ny 11 febroary 2011 avokoa ny mason'izao tontolo izao. Niara nifarimbona ireo bilaogera na ireo mpira-miasa isan-karazany tamin'ny tetikasa Rising Voices tao Ejypta mba hilazalaza...
Mozambika: Noravan'ny polisy tamin-kerisetra ny grevy
Ny 6 aprily, mpiasa ao amin'ny sampana polisin'ny Repoblikan'i Mozambika – Hery Vonjy Taitra ( Force d'Intervention Rapide) – no nampiasa herisetra mba handrava ny fihetsiketseham-panorenana nataon'ireo mpiasa amina orinasa momba ny Fiarovana olo-tsotra Group Four Security (G4S). Toa hita fa ny G4S dia nampidina ny karaman'ireo mpiasany, ary mitaraina izy...
Sivanin'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa ao Etazonia ny GV Advocacy
Tsy ela akory izao, ny ekipan'ny Global Voices dia naheno fa ny vohikalany, https://advocacy.globalvoicesonline.org, dia voasakana ao amin'ny foiben-toeran'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa – National Science Foundation (NSF) ao Washington, D.C. Raha ny fomba fanao mahazatra ireo orinasa sy fikambanana maro, dia mampiasa rindrambaiko fanivanana ny NSF mba hanakanana vohikala...
Madagasikara: Endrika sy habe samihafan'ny sivana
Ny mpamaham-bolongana Achille52 no mamahavaha ny zavamisy iainan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana eto Madagasikara (fr), izay amoahany amin'ny antsipiriany ny fomba anelingelenana isankarazany ny mpamaham-bolongana (izay efa nohazavain'ny tatitry ny Amnesty International ihany koa). Nambarany ihany koa fa nakatony tsy ho hitan'ny olona ny bolongany rehefa nisy manamboninahitra polisy nilaza taminy fa...
Brezila: Momba ny Fanokafana Ny Tahirim-Bakoky Ny Fitondrana Jadona
Napetraka ny fitorahana bilaogy ifarimbonana mba hangatahana ny fanokafana ny tahirim-bakoky ny fitondrana jadona miaramila Breziliana (1964-1985), tompon'antoka tamin'ny fampijaliana olona an'arivony sy famonoana Breziliana efa ho 380. ka tamin'ireo dia 147 no tsy mbola hita popoka ary tsy misy zavatra fantatra ny amin'izay niafaran'ny nofo mangatsiak'izy ireny. Mandrak'ankehitriny ny fianakavian'izy ireny dia mbola mangirifiry tsy mahalala ny tantaran-dry zareo.
Ejipta: Adihevitra izay anjara toeran'ny Media amin'ny fisamborana bilaogeranoina
Tamin'ny 31 Marsa, nandefa izao siokantsera manaraka izao ny mpanao gazety sady bilaogera Sarah Carr manontany ny raharaha Maikel Nabil Sanad amin'ny fitsarana miaramila. Ny bilaogera Nabil moa dia nosamborina tao an-tokantranony ny 28 Marsa, ary nampangaina ho “nanompa ny tafika” sy namoaka [Ar] “vaovao diso momba ny tafika”. @Sarahcarr: Misy...