· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Febroary, 2011

Kambodza: Iza no nanome baiko amin'ny fanakanana ireo vohikala mpanohitra?

  28 Febroary 2011

Hatramin'ny Janoary, misy ireo vohikala sasany manohitra ny governemanta tsy afaka hidirana any Kambodza. Milaza ireo mpandrindra ny raharaha fa noho ny fahasimbana ara-teknika izany raha milaza kosa ny governemanta fa tsy manao fanivanana izy. Kanefa namoaka taratasy fangatahan'ny governemanta ireo tamban-jotra mba hanakana ireo vohikala maro ny vondron'ny media.

Ejipta: Ho Bokotra Fampandehana Indray Ny Revolisiona Ejiptiana Ve Ny 25 Feb?

Ny omaly no nanamarika ny volana voalohany nanombohan'ny revolisiona Ejiptiana. Voaongana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, saingy tsy mbola vita akory ny revolisiona. Ireo mpanaofihetsiketsehana ao amin'ny kianja Tahrir izay mangataka ny hanatanterahana ny fitakiany dia nohodidinina sy naparitaky ny polisin'ny tafika. Ho fiandohana onjan-kerisetra vaovao indray ve izany?

Arabia Saodita: Ny fiverenan'ny Mpanjaka Abdullah

Niverina nody ny mpanjaka Saodiana Abdullah bin Abdulaziz omaly alarobia 23 febroary 2001, taorian'ny telo volana nitsaboana tena tany ivelany . Nanomboka tao amin'ny Hopitaly Presbyteriana ao New York ao Etazonia ny fitsaboana azy, ary notohizany tany Maraoka ny fanamafisana ny fahasalamany. Nanantena fiovana matotra ara-politika sy ara toe-karena  ireo Saodiana, nifanojo...

Iran: Tandindonin-doza i Hossein Ronaghi, mpitoraka bilaogy voafonja

Ilay mpitoraka blaogy Iraniana Hossein Ronaghi Malki dia manefa sazy 15 taona an-tranomaizina any amin'ny trano tsara aron'ny Fonjan'ny Evin, tsy mahazo mifandray amin'ny fianakaviany na ny mpisolo vava azy. Mojtaba Samienejad, mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady sekreteran'ny Trano Misahana ny Zon'olombelona any Iran, dia nilaza tamin'ny BBC Persiana fa mila fandidiana maika i Ronaghi ary efa ahiana mafy ny toe-pahasalamany.

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra