· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2010

Mpitantana vohikala manohitra ny sivana amin'ny aterineto, voasambotra tany Thailand

  28 Septambra 2010

Nosamborina androany tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Bangkok ny mpitantana ny vohikalan'ny gazety tsy miankina iray any Thailand, noho ny fanompàna mpanjaka. Nangingiana ny haino aman-jery mahazatra tany an-toerana momba izany fa ireo mpampiasa twitter kosa namatsy torolàlana sy fanampim-baovao hanampiana ny fanohanana ny hetsika ho fangatahana ny famotsorana ilay mafana fo voasambotra.

Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana ny tiany hambara ireo vahoaka Saodiana ao amin'ny aterineto.

Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!

GV Mpisolovava  26 Septambra 2010

Voasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai. Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety hihatra amin'ny Fahalalahana Miteny” natao tany Bodapesta ny mpanao gazety sy mpanohitra ny fanivanana iray (@Jiew ao amin'ny twitter). Mitondra...

Kongo (RDC) : Radio Okapi, nandrombaka ny loka “Free Media Pioneer”

  25 Septambra 2010

Ny 9 septambra 2010, ny Institut international de la presse (IPI) no nanolotra ny loka « Free Media Pioneer » [Mpitari-dalan'ny Media malalaka] tamin'ny Radio Okapi, radio an'ny Firenena Mikambana any amin'ny Repoblika demaokratikan'i Kongo naorin'ny Monuc (Mission des Nations Unies au Congo na Iraky ny Firenena Mikambana any Kongô izay...

Indonezia: Mihantsy ny didim-pitsarana ka manakatona fiangonana ny fanjakana iray

  22 Septambra 2010

Noterena hampitsahatra ny fanompoam-pivavahana, tamin'ny alahady alina teo, ny fiangonana protestanta GKI Taman Yasmin ao amin'ny fitantanam-panjakan'i Bogor, Indonezia. Nohodidin'ny polisy sy ny sampan'ny mpitandro ny filaminana (Satpol PP) ny manodidina ny fiangonana, Notapahiny ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana, ary nakatony ara-panjakana noho ny baikon'ny (fitantanana ny ) tanàna ny fiangonana

Sina: Zo hitokona

  22 Septambra 2010

Ny taona lasa iny no nahitana fihamaroan'ny isn'ireo Sinoa mpiasa mitaky ny zony tamin'ny alalan'ny fitokonana nanerana ny firenena; hetsika tsy ela akory nitakian'ireo mpiasa Sinoa ny zon-dry zareo amin'ny asa tany Rosia no nahatonga resa-be na tao anatiny izany na tany ivelan'ny sisintany.

Mozambika: Mitsabatsabaka amin'ny tolotra Simaiso (SMS) ny Governemanta

GV Mpisolovava  21 Septambra 2010

Dika sarina fàfana avy amina tatitra an-tsarimihetsika tao amin'ny Youtube mitatitra tsy hafalian'ny vahoaka tao Maputo, an’ i Amanda Crossi, nozaraina sy nampiasàna ny CC Attribution – Non-Comercial- Share Alike license Resaka betsaka mandeha eran-tany momba ny hetsi-bahoaka nanoherana ny fidangan'ny vidim-piainana tao Maputo tamin'ny 1-2 Septambra no naelin'ny hafatra...