· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2010

Sina: fanatsaràna ny GFW

GV Mpisolovava  29 Aogositra 2010

Ny  tatitra avy amin'ireo loharano samihafa dia niteny fa voasakana  any Sina nanomboka tamin'ny Zoma (27 Aogositra) ny Freegate, iray amin'ireo fitaovana malaza fandinganana ny sakana . Rehefa mandefa ilay rindrambaiko ireo mpampiasa izany, dia misy hafatra fampitandremana miseho: Diso, tsy maintsy hajanona ny rindrambaiko. Azafady, raiso ny fialantsininay. Ity...

Iran: Mpitoraka blaogy mety ho voaheloka ho ‘manangana ady amin'Andriamanitra’

GV Mpisolovava  27 Aogositra 2010

Misonga ny ahiahy fa hoe i Shiva Nazar Ahari, mafana fo iray amin'ny fiarovana zon'olombelona nofonjàna, mpitoraka blaogy, ary tonian'ny famoahana ao amin'ny tanonkalan'ny Komitin'ny Mpitatitra momba ny Zon'Olombelona [Committee of Human Rights Reporters] ao Iran, dia mety hohelohina noho ny resaka moharbeh ( fananganana ady amin'Andriamanitra/fankahalàna an'Andriamanitra) amin'ny fitsarana ho avy atsy ho atsy.

Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto

  26 Aogositra 2010

Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy ambony.

Azerbaijan: Namafisin'ny Fitsarana Avo ny fiampangàna ireo mpitoraka blaogy

GV Mpisolovava  21 Aogositra 2010

Ity  dia fampidirana avy amin'ny fanasàna natao tamin'ny blaogin'i  Rebecca Vincent, Advocacy Assistant ho an'i Azerbaijan sy ny Europe Program Manager ao amin'ny ARTICLE 19. Ho fanampim-baovao bebe kokoa, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent amin'ny: rebecca [ at ] article19 [ dot ] org ARTICLE 19 dia manaramaso akaiky tokoa ny...

Jadona anaty aterineto ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran

GV Mpisolovava  19 Aogositra 2010

Hatramin'ny taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009, nanenjana ny fepetra faneriterena ny gazety ny repoblika islamikan'i Iran ka tadfiditra amin'izany  ireo mpitoraka blaogy sy ny sehatra fitoraham-bolongana madinika toy ny  Facebook sy twitter. Na dia efa zava-panao mahazatra ao amin'ity repoblika islamika ity aza ny faneriterena ny gazety, tamin'ity indray mitoraka...

Jordania: Mibanjina anao i Big Brother!

Nifoha tampoka ny vondron'olona Jordaniana mpampiasa aterineto rehefa nipotra ireo vaovao mikasika ny fanasaziana an'Imad Al-Ash an-tranomaizina mandritra ny roa taona - noho ny faniratsirany ny mpanjaka Jordaniana tao anatina hafatra enoho eo (IM) nalefany tamin'ny namany iray. Manana ny ambarany ireo mpitoraka blaogy eto.

Sina: izaho no i Liu Xianbin

  18 Aogositra 2010

42 taona i Liu Xianbin ary nandany ny iray ampahatelon'ny androm-piainany tany am-ponja. Nogadraina indray izy nanomboka ny volana Jona ary manao fampielezan-kevitra amin'ny hiaka hoe "izaho no Liu Xianbin " ireo mahery fo .