· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2010

Sivana any Singapore

  26 Jolay 2010

Tanatin'ny iray volana monja, niteraka fanoherana mivaivay ny fanakanan'ireo manampahefana ao Singapore tsy handefasana horonantsary iray mikasika mpanao politika taloha nogadraina sy ny nisamboran-dry zareo mpanoratra Britanika iray izay nanoratra boky momba ny fanamelohana ho faty any Singapore. Maneho hevitra ireo mpitoraka blaogy.

Côte d'Ivoire: Nogadraina ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety, i Théophile Kouamouo sy ny ekipany nanomboka tamin'ny 13 Jolay

  22 Jolay 2010

Tamin'ny Talata 13 Jolay, nitatitra ny bilaogin'ny Le Nouveau Courrier [Fr], fa nahazo fitsidihin'ny polisy tsy nampoizina izy ireo tao aorian'ny nanehoana, io maraina io, ny fametrahana voalohany ny fanadihadiana lalina izay naharitra ny herinandro manontolo amin'ny honohono mikasika ny kolikoly amin'ny fivarotana cacao sy kafe any Côte d'Ivoire (jereo...

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

Fisintonana antsokosoko ny mombamomba ny olona amin'ny Gmail any Tunisia

GV Mpisolovava  17 Jolay 2010

Vao haingana ireo mpampiasa aterineto any Tonizia no nanomboka nitaraina momba ireo olana amin'ny fidirana amin'ny kaonty Gmail, ary nanomboka niparitaka ireo tsaho momba ny fisian'ny sivana amin'ny tolotra mailaka an'ny Google. Nanomboka tamin'ny nisian'ny andiana sivana vaovao izay nanakanana ireo vohikala malaza toa an-dry Flickr, Wat.tv, Blip.tv, Metacafe.com, Agoravox.fr...