Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2010
Venezoela: ireo mpampiasa Twitter, mpitoraka blaogy ary ireo mpikambana amina forum ao ambany mason'ny fitsaràna.
Ny tantara lavan'ireo fitsabahana amin'ireo banky any Venezuela [EN], dia nitarika tsaho marobe tsy azo nosorohana momba ny hoe banky iza indray no hiharan'ny fitsabahana ato ho ato. Ny Banky Federaly, niharany ny herinandro lasa teo, dia banky faha-roa ambinifolo nitsabahan'ny Governemanta nanomboka ny volana Novambra 2009. Herinandro lasa izay,...
Rosia: Famakafakana ny hetraketraka atao amin'ny mpitoraka bilaogy
Tato anatin'ny 5 taona izao dia mpitoraka bilaogy miteny rosiana 40 eo ho eo no lasibatry ny piraty informatika (hackers) ka izany hetraketraka izany dia tarihan'ny vondrona mitondra ny anarana hoe The Brigade of Hell (Ny Brigadin'ny Afobe). Mihetraketraka ireo mpitoraka bilaogy miresaka politika sy varotra izy ireo. Raha mihena...
Iran: sarisarin'i Mir-Hossein Mousavi mampisafoaka ireo maitso
Mpanao sariitatra Iraniana lehibe iray sady mpitoraka blaogy mipetraka any Canada, Nikahang Kowsar, dia namoaka sariitatry ny filoha mpitarika ny, Mir-H0ssein Mousavi izay niteraka fanehoan-kevitra maro tao amin'ny media sosialy Iraniana. Mampiseho an'i Mousavi mipetraka eo latabatra iray afaka 10 taona aorian'izao, manoratra ny fanambarany faha-300.
China: Fanentanana ny mba hampiasàna ny tena anarana eo anivon'ny aterineto
Ho an'ny maro amin'ny mafana fo amin'ny fampielezam-baovao, ny fametrahana ny tena anarana eo anivon'ny aterineto dia fanitsakitsahana ny fiainana manokana, kanefa, ao China, misy sasantsasany amin'ireo olon-tsotra mafana fo no manentana ny hametrahana ny tena anaran'ny tena amin'izay rehetra atao eo anivon'ny aterineto mba hioharana ny tahotra. Tamin'ny volana...
Bangladesh: Facebook nosakanana vonjimaika
Bangladesh izao no firenena faharoa any Azia aorian'i Pakistan manakana ny Facebook iray manontolo tao ho ao. Tamin'ny Zoma 28 May 2010 nanodidina ny tamin'ny 8:30 dia natao ny fanakànana noho ny fampielezan-kevitra masiaka manohitra ny Praiminisitra Sheikh Hasina ary nanohintohina fivavahana mihitsy, hoy ilay mpitoraka blaogy sady mpanao gazety...