· Oktobra, 2009

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2009

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

  31 Oktobra 2009

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

  14 Oktobra 2009

Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

  10 Oktobra 2009

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana

  08 Oktobra 2009

Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny fianakavian'ny...