Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2009
Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja
Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 amin'ny Lalàna...
Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora
Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara....
Fiji: Fanehoan-kevitra manoloana ny fisamborana ireo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy
Notaterina teto amin'ny Global Voices vao tsy ela akory izay fa notazonin'ny polisy ireo solosaina findain'ireo olona telo nahiahiana ho mpitoraka bilaogy ao amin'ny vohikala Raw Fiji News manohitra ny governemanta. Ireo mpanao lalàna telo, ankoatry ny maro hafa, dia notononina anarana vao haingana tao amin'ny vohikala Real Fiji News...
Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray
Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou. 2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。 Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny...
Fiji: noraofin'ny polisy ny solosaina findain'ny ahiahiana ho mpamaham-bolongana
Notazonin'ny polisy ao Fiji ny mpisolovava telo ao an-toerana ary noraofiny ihany koa ny solosaina findain'izy ireo, satria heverina fa manana fifandraisana amina bolongana manohitra ny governemanta izy ireo. Notazonina vonjimaika nandritra ny ora vitsivitsy tamin'ny talata 19 mey ireto mpisolovava telo ireto dia i Richard Naidu, Jon Apted ary...
Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana
Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana...
Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404
Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety...
Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto
Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao...
Iran: Hetsiky ny mpitoraka blaogy 1000 isa ho fanohanana an'i Mousavi ho filoham-pirenena
Ny mpanohana ireo roalahy ‘reformista’ mpilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ny praiminisitra teo aloha Mir Hussein Mousavi sy mpitondra tenin'ny parlemanta teo aloha, Mehdi Karroubi dia mampiasa ny aterineto, tafiditra anatin'izany ny blaogy sy ny Facebook, mba hampiakarana ny vintan'izy ireo ho isan'izay voafantina ho mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ataon'ny...
Iran: Tsy hisy mofomamy omena ny vehivavy Iraniana amin'ny andro natao ho azy ireo
Na tsy mankato ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy aza ny governemanta Iraniana ary nanàkana ireo vehivavy mafana fo niketrika sy nanoman-javatra ho fankalazana io andro io efa ho 30 taona lasa izay, dia nahatsiaro ny 8 Marsa hatrany ny mpitoraka blaogy Iraniana sy ireo vehivavy mafana fo hanomezam-boninahitra ny...