· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2008

Angôla : Ny fahafaham-panehoankevitra sy ny fanatontoloana

  23 Avrily 2008

Kianda no manapariaka ny heviny momba ny fahafaham-panehoankevitra sy ny fanatontoloana : que o facto de alguém não ter nascido num País não lhe deve retirar o direito a opinar, criticar, eventualmente até votar ou mesmo governar … estamos numa era de globalismo, de um mundo com cada vez menos...

Egypta:Olona tsy hita nanjavonana

  22 Avrily 2008

Mety efa henonao ny momba ny fitokonana tamin'ny 6 Aprily nitranga teto Egypta, sy i Esraa Abdelfattah, mpamorona ny hetsika Facebook Group nosamborina ary avy eo nambara fa tsy hita nanjavonana, ary hoe navotsotra afaka minitra maro taty aoriana. Izany no nanosika an'i Michaelitoo hanapa-kevitra ny hanoratra eto momba azy...

Maraoka:Aza kitikitihana ny mpitari-pivavahako!

  17 Avrily 2008

Robin des Blogs dia naharay fanamarihana efa ho ampolony mahery tamin'ny hafany momba ny minisitra ao amin'ny Governemanta Marokana niantso ny mpitari-pivavahana (muezzin) tao amina toeram-pivavahana silamo iray mifanakaiky amin'ny faritra natao ho fizahan-tany mba tsy hikaika fivavahana. Ity no lohatenin'ny hafatra,” Aza kitikitihana ny mpitari-pivavahako” [Hands off my muezzin]...

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

  16 Avrily 2008

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

  16 Avrily 2008

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Madagasikara : Manindrahindra loatra ny Tontolo iainana ?

  15 Avrily 2008

(sary nindramina tamin'i Harinjaka) Tsy isalasalana fa ny resaka tontolo iainana manokana misy ao aminy, no ahafantaran'a an'i Madagasikara indrindra. Na dia izany aza, ny fanindrahindrana ny tontolo iaianana dia tsapan'ny Malagasy ho toy ny manarona izay fahasarotana amin'ny fiainana andavan'androny. Rossy izay isan'ny mpanakanto Malagasy malaza indrindra no namorona...

Egypta:Ny tantaran'i Sounilla

  14 Avrily 2008

Zava-bitika ihany no mba hain’i Sounilla, mpianatra Amerikanina, hoe anaty inona ary izy izany no mizotra raha nahita mpianatra roa avy amin’ny anjerimanontolo misy azy nijoro teo afovoan’ny Cairo Square izy ary nanapa-kevitra ny handeha ho eny amin’izy ireo ka ny fakantsariny dia tsy miala any amin’ireo. Tsy hay hoe...

Sri Lanka: Atsaharo ny fanenjehana mpanao gazety

  12 Avrily 2008

International Federation of Journalists (IFJ) Federasiona Iraisam-pirenen’ny Mpanao gazety, fikambanana iray milofo amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny zo sy fahalalahan’ny mpanao gazety dia miantso mba hanaovana ny 10 Aprily ho Andro Iraisam-be, ampitondraina ny teny faneva hoe “Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Sri Lanka“. IFJ dia miantso ireo...