Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny
Solontenan'ny Reporters Sans Frontières tsy nekena hiditra ao Hong Kong
Nosavaina sy nohadihadiana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina ny solontenan'ny RDF tamin'ny 10 Aprily 2024 mialoha ny nandroahana azy hivoaka ny firenena.
Inona no ao ambadik'ireo ‘hirika volamena’ entin'ilay fiarahamiasa vaovaon'ny vondron'orinasa media maleziàna Star amin'ilay mpiaramiasa aminy avy any amin'ny tanibe Shina
Ny fanjakana shinoa no hany tokana tompon'ny petrabola ao amin'ny Contemporary World Publishing Co., Ltd,, ilay orinasa ao ambadiky ny Contemporary World Magazine, mpiaramiasa farany indrindra ao amin'ny Vondrona Media Star.
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.
Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana
Nasehon'ny firaketana (andron-drakitra fa nihena ho 181 tamin'ny heriantaona ny karazan-kerisetra nihatra tamin'ny matihanin'ny fampitam-baovao, raha nitombo 92,31 isanjato kosa ny fitoriana mpanao gazety teny amin'ny fitsarana.
Maneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny mpanohitra Agbéyomé Kodjo tany an-tsesitany ny Togoley
Lasa toerana mahazatra hiafaran'ny fiainan'ny mpanohitra ny fitondrana Togoley ny sesitany. Agbéyomé Kodjo no farany teo, izay maty tamin'ny 3 martsa 2024 tany Ghana.
Miroso amin'ny fifidianana ifotony i Torkia
Mitodika any amin'i Ekrem İmamoğlu an'ny CHP, izay efa niasa nandritra ny dimy taona sy amin'i Murat Kurum an'ny AKP, minisitry ny tontolo iainana, ny tanàn-dehibe ary ny fiovan'ny toetr'andro teo aloha, ny maso rehetra.
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Tsy miaro ny mpanao gazety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any Tchad
Roa volana latsaka mialoha fifidianana filoham-pirenena amin'ny 6 Mey 2024 any Tchad, tsy mitsahatra manenika ny mpanao gazety ao an-toerana ny fandrahonana ho faty.
Deepfake sy ny loza ateraky ny fitomboan'ny fampiasana hosoka amin'ny horonan-tsary
" ... Eo ambavahoanan'ny "fahafatesana" ny fahamarinana noho ny fiparitahan'ny deepfakes, dia ho sarotra kokoa ny hahatakatra ny atao hoe marina."
Diaben'ny vehivavy ho an'i Palestina sy manohitra ny fanjakazakan-dray ao Pakistan
Nivondrona tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy ny vehivavy ao amin'ireo tanàndehibe ao Pakistan, toa an'i Islamabad, Lahore, Karachi, ary Multan, nitaky ny fitovian-jo ho an'ny lahy sy ny vavy, ny rariny ary ny fiarovana, nanohitra ny fitsipiky ny fanjakazakan-dray nandritra ny fito taona nisesy.