The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fahalalahàna miteny Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fahalalahàna miteny

2009-11-05

Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika MaitsoVideo post

Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity. Araka ny efa ...

2009-11-04

Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?

Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.

2009-11-03

Georgia: Mampitabataba orthodoksa

Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi]. The ...

2009-10-31

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

2009-10-28

Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i GazaVideo post

Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena  ary ...

2009-10-14

Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.

2009-10-10

Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?

Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr

2009-10-08

Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana

Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny ...