The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Sakafo Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Sakafo

2008-12-28

Noelin-dry zareo any Karaiba

Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna... Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao "meme" amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa ...

2008-12-11

Israel

Ao amin'ny “ Fampinonoan-dreny sy ny Jodaisma: Nahoana ny renin'i Mosesy no tsy nametraka tavoahangy (biberao) tao amin'ny lakanjozoro ,” Hannah Katsman ao amin'ny Green Prophet no manazava ny mahazava-dehibe ny fampinonoan-dreny teo amin'ny lalàna jiosy sy ny nentin-drazany raha oharina amin'ny fiaraha-monina any Isiraely amin'izao fotoana izao.

Maya Norton

2008-10-23

Angola

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

2008-10-10

Trinidad & Tobago

Tantaran'i Now is Wow Too, mpitoraka blaoby avy ao Trinidad eto ny resadresaka nifanaovany tamin'ny mpivarotra voanio iray.

2008-10-06

Thailand

Mankalaza ny fety isantaonan'ny mpifady hena ny fokonolona Shinoa mipetraka any Thailand. Jereo sao mahaliana anao ireto sary manaraka ireto.

2008-09-24

Madagasikara : Eny an-dalambe eny

Tantarain'ny namana Ariniaina ao amin'ny Dago Tiako ny andavan'andron'ny fiainana manamorona ny arabe any Antananarivo, any Madagasikara : Suddenly, you notice lots of people making a circle. You think there must be an accident. You come nearer to se what’s going on. In the middle of the circle, there is a ...

2008-09-23

Shina: Misedra olana ny “Vita avy any Shina”

Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny hatezerana vokatr’ilay vovo-dronono voapoizina. Ankoatry Sanlu (三鹿), ny fandraharahàna ankapobeny misahana ny fanaraha-maso ny kalitao, ny Fitsirihana ary ny Fisorohana eto amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina koa (國家質檢總局) dia nampahafantra tamin’ny 16 septambra fa ampahadimin’ny mpamokatra vovo-dronono natao ho an’ny zazakely eto amin’ny firenena no voarohirohy amin’ilay ...

2008-09-16

Fifaninanan-dahatsarin'ny Banky mondialy - Traika sosialin'ny fiovaovan'ny toetr'andro.Video post

Nanao antso ho fanatevenana lahatsary fanadihadiana fanadihadiana 2 - 5 minitra maneho ny karazana sy ny fiantraikan'ny fioavaovan'ny toetr'andro tsy amin'ny fotoany. Amin'ny 24 oktobra 2008 ho avy izao no andro farany hametrahana izany lahatsary fanadihadiana izany. Tsy maintsy avy any amin'ny firenena andalam-pandrosoana (indrindra fa avy amin'ny tanora) izany ...

2008-09-09

Haiti

jmc strategies no niteny fa “Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy ho Piraiminisitra Haisiana hajaina izao i Michèle Pierre-Louis…Hanokatra Toko amin'ny fanamby lehibe indrindra hatrehin'i Haiti amin'ity taompolo ity :Ny fanorenana indray taorian'ny fandravana nisesy nataon'ireo rivodoza Fay, Gustav, Hanna ary Ike.”

2008-07-31

Dominica ,
U.S.A.

“Liana dia liana amin'ny fizotry ny fifidianana Amerikana i Chris ao amin'ny Dominica Weekly , ary mitarika azyizany hitodika amin'ny toetoetran'ny politika ao an-tanindrazany: “Angamba ny zavatra mahomby indrindra azontsika atao dia ny milaza ny marina amin'ny manampahefana, midradradradra izay ilaintsika, mitaky ny zo sasantsasany, tahaka ny fitsaboana, fahampiantsakafo, ary fialofana ho an'ny rehetra.”