· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Sakafo tamin'ny Jona, 2012

Noferan'i Zambia Indray Ny Vidin'Ny Katsaka, Ka Mahasorena Ny Banky Mondialy

  07 Jona 2012

Efa niteraka roaka sy tonga hatrany amin'ny fikasana hanongam-panjakana ny fiakaran'ny vidin'ny katsaka, foto-tsakafon'i Zambia. Mbola nandraikitra ny vidiny farany ambony indrindra ihany ny manampahefana zambiana na dia eo aza ny fampitandremana nataon'ny Banky Mondialy amin'ny fahapotehan'ny sehatry ny fambolena vokatr'izany fanapahan-kevitra izany.

Kenya : Mahazo Laka Ny Fambolena Eny Andrenivohitra

  07 Jona 2012

Ao Kenya, mianatra teknika maro momba ny fambolena sakafo hivelomana sy hamidy ireo mponina, eny fa na dia eny amin'ny toeram-pambolena tery aza. Ho an'ireo olona tsy ampy fidiram-bola na tsy misy mihitsy, ny fambolena any andrenivohitra no mety ho lakilen'ny antoka ara-tsakafony. Ireto lahatsary manaraka ireto dia mampiseho ny fambolena anaty tavy ary mampiasa toerana sy fahafaha-manao voafetra.