Tantara misongadina momba ny Sakafo
2009-09-29
Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra
Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana. Nanosika ny maro hiazakazaka hivoaka hividy ilay sakafo ihany koa izy ity.
2009-05-22
Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana
hunger
Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana. Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo ...
2009-02-26
Maraoka: matsiro fotsiny amin'izao!
Tahaka ny resaka hanina avokoa no resaka tao amin'ny blogoma (bolongana maraokana) tamin'ity herinandro ity. Iray amin'ny heverina fa sarotra sy matsiro indrindra manerantany ny Moroccan cuisine (nahandro maraokana) izay avy amin'ny nahandro Arabo, Espaniola, Tiorka, Jiosy, ary fomban-drazana Amazigh sady fantatra amin'ny fampiasana anana sy episy (mpampatsiro hanina).
Mahalala ...
Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano
Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany
2009-02-19
Kambodza: Mizotra misimisy kokoa amin'ny ho avin’ny natiora organika.
Mikirakira an-tsehatra ireo vaovao bolongana Phnom Penh mikasika ny fihemoran’ny fivezivezen’ny sakafo tamin’ny 10 Febroary 2009 ny mpitoraka bolongana ao amin’nyCAAI News Media sy i Khmer Stars. Miresaka ny filozofian’ny fanamboarana ny sakafo ho tsara, madio sy mendrika manoloana ny fihenan-tsakafo ny loharanom-baovao, ary milaza izy hoe amin’ny fomba ...
2009-01-30
Sina: Mbola mba misaintsaina ireo ‘zazakely tratry ny vato any anatin'ny voa' ve ny governemanta?
Voafafa tsikelikely niaraka tamin'ny fikatonam-baravaran'ny orinasa Sanlu ny fampitam-baovao momba ny trangan'ny ronono voapozina tany Sina. Tamin'ny Desambra 2008, nanambara ny tetika iaingàna ho fanonerana izany ny governemanta Sinoa, na izany aza anefa, fahadisoam-panantenana ho an'ny maro tamin'ireo tra-doza no nisy. Ary araka ny tatitry ny gazety mpiseho ao Hong ...
2009-01-14
Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.
Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra
Andao ...








