The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Sarimihetsika Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Sarimihetsika

2009-05-16

Tanzania

White African [Afrikana fotsy] manapariaka mikasika ny Grid [griazy] izay rohy mampifandray ireo finday any Tanzania sy ny Hello Africa [Manakory Afrika] lahatsary manadihady izay fomba ampiasan'ny mponina any Afrika ny finday.

2009-05-02

Kolombia: Fitantarana ny fiainana eny ambony kamiao

8ruedas logo Toy ny ahoana ny fiainana rehefa saika eny amin’ny làlam-be foana ny tena? Nanapa-kevitra ny hanao ity andrana ity ilay mpitoraka blaogy Francisco Cárdenas, fanta-daza amin’ny blaoginy Cine al Oído, ary zarainy “en ligne” ao amin’ny 8ruedas. Hitaingina ny kamiaon’i Juan Camilo miaraka amina mpaka sary namany izy mba ...

Ny vaikan'ireo olo-malaza mandritry ny fifidiana Indiana

Salman Khan (eo afovoany), mpanakanto avy ao Bollywood, manohana ny kandidà Milind Deora nandritra ny fivondronana tany Mumbai Sarin'i Al Jazeera English ary nampiasaina teo ambanin'ny creative commons license. Any India, manana dindo  goavana ny mpilalao sy ny mpamokatra sarimihetsika ary noporofoin'i Danny Boyle izany tao amin'ilay sarimihetsika Slumdog Millionaire ...

2009-02-05

Chili: fiainana andavanandro atao blaogy horonantsaryVideo post

Avy any Chile, nitondra antsika ny tantarany isan'andro i Paloma Baytelman ary koa sehon-javatra tsy dia fahita firy ao anatin'ny blaoginy. Dadabe noely misaofera, fifidianana, sy fanadalana nataon'ny olona mifono seho-endrika no isan'ireo zavatra nampidiriny ao anatin'ny tranok'alany.

2009-01-27

Madagasikara: fitadiavam-bolan'ankizyVideo post

Green Boy sarin'i Patrick Lahatsary roa roa avy aty Madagasikara no maneho antsika ny fikaratahan'ny ankizy mikarokaroka sy mamoron-javatra ary fahasahiana kely mba hihoirany eo amin'ny fiainana. Voalohany amin'izany i Toky izay mampiasa kapoaka sy fitaovana hafa efa nampiasaina hanaovana fiara kapoaka, ny iray hafa indray mampiseho an'i Green Boy, izay ...

2009-01-14

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.Video post

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra Andao ...

2008-12-26

Makedonia tsy voafetran'ny fotoanaVideo post

ty lahatsary ity dia nosoratana sy notontosain'i Milcho Manchevski (efa tafiditra hifaninana tao amin'ny Academy Award ny taona 1995), ary ny tanjona amin'izany diany hampiroboroboana ny fizahantany mankany Makedonia. Halefa ao amin'ny CNN ity lahatsary ity, sy any amin'ny firenena hafa ampolony sady havoaka amin'ny fiteny valo samihafa. hitatitra amintsika izay ambaran'ireo bolongana sy ny fihetseham-po nahita ny lahatsary i Elena Ignatova.

2008-12-18

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary KrismasyVideo post

Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.

2008-10-06

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”Video post

Mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manokana no namoaka lahatsary fohy mitondra ny lohateny hoe "Mitandroka (Bullying)" mba hizarany ny fomba fijeriny momba ny famonoantena eo amin'ny tanora sy izay mety ho antony hanaovana izany. Tamin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny tava maneho hevitra no tena nandefasany ny hafatra, handravana ny elanelanan'ny tsy fifankahazoana fitenenana ka nataony izay hahazoan'ny rehetra ny lahatsary fohy novokariny.

2008-09-21

Japan

Ny hivoahan'ny [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe “mahafatifaty loatra” i Fujikawa [ja], nefa nambarany ombieny ombieny[ja] tamin'izany fotoana izany fa tsy mieritreritra velively no ho tarento izy.[ny tarento any Japana dia olona aseho tele matetika noho ny hatsaratarehiny sy ny bikany mba hisintonana mpijery sy hampiala voly ihany koa]