Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Janoary, 2008
Kamerona: Lahatsary fanadihadiana ny adin'ny Alemana sy ny Bakweri
Lahatsary fanadihadiana vaovao momba ny tantaran’ny vahoaka Bakweri avy ao Kamerona iray indray no mivoaka: “…“Kuva Likenye” no lohateniny ary mahatratra 30 minitra ny faharetany. Voatantara ao ny fitarihana nataon’ny Mpanjaka antsoina hoe Kuva Likenye ny andian’olona maro nitsangana nanohitra ny miaramila Alemana indrindra tanelanelan’ny taona 1891 sy 1894.”
Bôtsoana : Fanatanterahana sarimihetsika any Bôtsoana
Mma Ramotswa no manapariaka lahatsoratra vaovao mikasika ny fanatanterahana sarimihetsika sy lahatsary any Bôtsoana : Over the past 10 or 20 years, digital cameras and computer editing have dramatically opened up filmmaking possibilities in “remote” places. Things are looking up for drama films and documentaries made in Botswana. “Tao anatin'izay...
Mozambika : Tany manonofy mitsangana
Forever Pemba dia faly mampahafantatra atsika fa ny sarimihetsika ‘Tany manonofy mitsangana’ [Terra Sonâmbula], notaterahin’ Mozambikana Teresa Prata avy amin'ny boky nosoratan'i Mia Couto dia handray anjara amin'ny Pune International Film Festival, any Inda, sy ny Bird's Eye Film Festival any Lôndra, Angletera. O filme, que conta a história de...
Shina sy Hong Kong: Jet Li sy ny fitiavan-tanindrazana
Diumanpark no namaham-bolongana momba ny resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpilalao sarimihetsika malaza Li Lianjie fantatra amin'ny anarana hoe Jet Li any amin'ny fahitalavitra T.V interview, indrindra ny momba ny fijeriny amin'ny fitiavan-tanindrazana. Ho an'i Jet dia ny fahafaham-pieritreretana na ny fahafahana misaina malalaka no zava-dehibe kokoa (zh).
Bangladesh : Ezaka fanampiana noho ny rivodoza Sidr
Nandrava an’i Bengladesh ny rivodoza Sidr ny tapaky ny volana Novembra teo, ary na dia nihena be aza ny firesahan’ny fampahalalam-baovao dia mbola mitohy hatrany ny ezaka fanampiana ny traboina. Nandefa lahatsary maromaro tamin’izay niainany avy any Dhaka, Bangladesh ho fandraisany anjara hampitsaharana ny fahantrana. Bangladesh moa no firenena fahafito...
Tontolo iainana : « Fanamaitsoana » ireo fiaraha-monina any Afrika Atsimo
Ny blaogy Carbon Copy dia manapariaka lahatsary-na 90 sekondra sy nandrombaka loka tamina fifaninanana izay mampiseho ny “township” Khayelitsha, Cape Town any Afrika Atsimo; izany lahatsary izany dia : « touches on daily township life in South Africa and how solar energy could be utilised to uplift the poor in...
Fanadihadiana momba ny bolongana sy ny fanaovan-gazety
Fabio Malini [pt] no mandrisika antsika hanaraka ny fanadihadian'i Alvaro Liuzzi [es] izay “niezaka hiresaka fanadihadiana tamina mpanabolongana maromaro Argentina, Espaniola, Shiliana sns – milazalaza ny omomba ny famahanam-bolongana sy ny fanaovan-gazety, navoaka an-dahatsary ao amin'ny vohikala Vimeo. 12 ny isany ary notontosaina tamina Canon Powershot A 550″. Paula Góes
Shina: Tsy ampandraisana anjara amin'ny fahazoan-doka ny filma erotika
Tsy eken'ny sampan-draharaha Shinoa miandraikitra ny Radio, ny Filma (lahatsary) ary ny Televiziona (SARFT) hampidiriana hahazoana loka hozaraina any Shina izay nandray anjara tamin'ny fanantontosana lahatsary somary maneho firaisana ara-nofo na dia tsy hita mivantana aza izany, tafiditra amin'izany na ny mpilalao fototra na ny mpanatontosa (tsy hita anaty lahatsary aza)....