Tantara misongadina momba ny Sarimihetsika
Madagasikara: fitadiavam-bolan'ankizy
Green Boy sarin'i Patrick
Lahatsary roa roa avy aty Madagasikara no maneho antsika ny fikaratahan'ny ankizy mikarokaroka sy mamoron-javatra ary fahasahiana kely mba hihoirany eo amin'ny fiainana. Voalohany amin'izany i Toky izay mampiasa kapoaka sy fitaovana hafa efa nampiasaina hanaovana fiara kapoaka, ny iray hafa indray mampiseho an'i Green Boy, izay ...
Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.
Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra
Andao ...
2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-03
Azia sy Oseania: Lahatsarin'ny vokatry ny loza voajanahary
tondra-drano
Tao anatin'ny herinandro monja dia horohorontany, tsunami ary rivodoza isan-karazany no nandòna ny firenena maro any Ôseania, Azia atsinanana sy Azia atsimo atsinanana.
Tany amin'ny lahatsoratry ny Global Voices (teny anglisy) tany aloha tany no efa nampahalala antsika tamin'izay nitranga tany Thailandy, Kambodza, Laos, Philippines, ary Vietnam tamin'izay nafitsoky ny rivodoza ...
2009-09-30
2009-09-17
Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”
Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...
2009-08-30
Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza
Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.
2009-08-26
Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana
Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana. Medhi Karoubi mpitarika ny mpanohitra sady mpitondra tenin'ny parlemanta taloha no nanamarina fa mpigadra lahy sy vavy no iharan'ny ...
2009-08-14
Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy
Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany amina fiaraha-monina midadasika kokoa
2009-08-04
Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina
Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra sy mahay mifandefitra kokoa ny 'Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io
2009-07-30
Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia
Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."
2009-05-31
Rosia: Veloma mandrakizay ho an'ilay mpilalao sarimihetsika Oleg Yankovsky
Maty tany Mosko tamin'ny 20 Mey teo amin'ny faha-65 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Rosiana Oleg Yankovsky ary nalevina tao amin'ny Fasan'i Novodevichy roa andro taty aoriana. Mpankafy an'arivony no tonga nanao veloma farany azy tao amin'ny Fanaovana tantara an-tsehatra Lenkom. I drugoi, mpampiasa LJ, dia namerina namoaka sary avy amin'ny ...





