2009-08-04
Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra
Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.
2009-07-30
Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian
Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .
2009-07-27
Irana: Ireo mpitoraka blaogy Armeniana sy ny fianjeran'ny fiaramanidina
Raha nianjera ilay fiaramanidina mpampitohy mahazatra niala tao Tehran ho any Yerevan taorian’ny niaingany omaly, namoizana ireo olona 168 tao anatiny, dia maro ny tany Armenia sy ny Diaspora avy any no ory, indrindra indrindra noho ny fisian'ny Armeniana 40 tamin’ireo maty ireo.
2009-05-24
Sri Lanka : Mbola mifikitra ny fahakiviana, ny fangidiam-panahy ary ny fanosihosena
Andro vitsivitsy lasa izay no nifarana niaraka tamin'ny famonoana ny mpitarika ny LTTE Velupillai Prabhakaran ny ady an-trano naharitra 25 taona nifanaovan'ny governemanta Srilankey tamin'ny Tigra Mpanafaka an'i Tamoul Eelam (LTTE). Mampanontany tena ihany na dia izany aza hoe “Ho faty miaraka aminy ihany koa ve ny nofinofin'ny ...
2009-05-22
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha 65 taonan'ny Sürgün, ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée.
J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany:
Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD sovietika no ...
2009-05-09
Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura'
Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny 'cerisiers' izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa.
Fanaovana ‘Origami’ (kilalao vita ...
2009-05-03
Shina: Ny fanokana-monina ny Meksikana rehetra
Be loatra angamba ny lahatsoratr'i Michelle Malkin novakian'ny tompon'andraiki-panjakana Shinoa misahana ny fahasalamana tao ho ao; raha nofoanany avokoa ny zotram-piaramanidina avy any Meksika rehetra, ary nahavory Meksikana 41 raha vitsy indrindra tany Beijing, Shanghai ary Guangzhou ny fanjakana, handroaka azy ireo hiala an'i Meksika, nefa fantatra fa tsy ...
2009-03-25
Malawi: Mpilatsaka ho fidiana vehivavy sy ny pôlitikan'ny faritra
2 volana mialohan'ny latsa-bato hifidianana izay ho filoham-pirenena sy fifidianana parlemantera hatao ny 19 may 2009 ho avy izao dia namelabelatra mikasika ny zava-misy 2 ny "soup du jour", ny fampidirana sy ny famoahana am-ponja vao haingana sy ny fanodinkodinana nataon'ny Filoha teo amolha Dr. Bakili Muluzi, ary ny fitsidihana ...
2009-02-25
Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”
Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:
2009-02-22
Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.
Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.




