Global Voices teny Malagasy » Ethnicity
USA: Mampivoitra manokana ireo Silamo ao amin'ny tafika ilay vono-olona tao Fort Hood
Nahatonga ireo Silamo any Amerika ho eo ambanin'ny jirobe mpanazava indray, indrindra fa ireo ao anatin'ny tafika ilay  Tifitra variraraka iray nataon'i Nidal Malik Hasan, manamboninahitry ny tafika Amerikana, nahafatesana 13 sy naharatrana 31 tao Fort hood, Texas.
Fotoana vitsy taorian'ny nilazana fa ny Manamboninahitra  Hasan no voatondro ho ilay mpitifitra, nahitàna fahasahiranana lalina teo amin'ireo mpanolotra vaovao sy mpanadihady ny amin'ny fiaviany ara-poko sy ara-pinoana. Notaterina betsaka ihany koa fa matetika no iharan'ny antsojay avy amin'ireo olona avy ao anatin'ny antokon-tafika misy azy ihany  ireo Silamo.
Howard M. Friedman, mpampianatra lalàna fanta-daza ao amin'ny Anjerimanontolon'i  Toledo, dia milaza ao amin'ny blaoginy  ReligionClause:
“Ny tafika dia nanao fandraisana Silamo noho ny fananana traikefa amin'ny tenim-pirenena sy ny kolontsaina ilaina hiatrehana ny adin'i Iraka sy Afganistana. Na izany aza anefa dia misedra ny fiahiahian'ireo manamboninahitra mpifehy azy ireo Silamo. “
Na izany aza anefa, ny fiahiahiana ireo Silamo mpikambana ao anatin'ny antokon-tafika dia efa nisy talohan'ny nitrangan'ny tifitra, fa ny tena atahoran'ny tsirairay izao dia ny ho fitomboan'ireny noho ny vono-olona tao  Fort Hood. Mipoitra ny fanontaniana sao ny Major  Hasan ka isan'ireo henjam-pihetsika izay manao fanafihana mifototra amin'ny resa-pinoana irony, na koa marary saina tsotra izao fotsiny.
Any Canada, ny mpanoratra Gwynne Dyer, ao amin'ny gazety maimaim-poana mpivoaka isan-kerinandro any Vancouver  Straight.com, dia manoritra fa mamohafoha zavatra maro saro-pady ny fanondroana ny foto-pinoan'ilay mpamono:
“Andro vitsy taty aoriana, raha mbola nihazohazo ny fanadihadiana nanoloana ny fahasamihafan'ireo fitantarana, ny mpampahalala vaovao dia efa nametraka ny fanazavana hoe resa-poko/ fihodirana/ finoana no nahatonga ny hadalan'i Nidal. Ireo olona ratsy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-Amerikana no tomponandraikitra voalohany indrindra amin'ilay zava-doza, ary misy misy farany io.
Ny fanazavana iray tsy naroso dia ny hoe ireo ady ataon'ny Amerika any amin'ireo tany Silamo ampitan-dranomasina any dia vao mainka manamafy fo ireo Silamo ao aminy.  Tsy miraharaha hoe ireo mpampihorohoro Silamo ao an-toerana izay nanafika ny rafi-pitateran'ny Londres tamin'ny 2005, na ireo mpiray tsikombakomba Silamo isan-karazany izay voasambotra tany amina firenena Tandrefana samihafa talohan'ny hahatanterahan'ny tetik'izy ireo  dia saika nanameloka ny fananiham-bohitry ny  Tandrefana any amin'ny tany silamo avokoa ka vao mainka manamafy ny fon'izy ireo. Tsy miraharaha, indrindra indrindra, hoe ny tena vao mainka nanamafy fo azy ireo dia ny tsy fisian'ny fifandraisan'ireny fananiham-bohitra ireny amin'ny resaka fandriampahaleman'ny  Tandrefana akory”
Ny Fox News, voatsikera matetika noho ny fitsaratsaràna ataony momba ireo olana mifandraika amin'ny fifindra-monina  sy ny pôlitikan'ny fikombonana [conservative], dia voalaza fa nanao antso avo ho an'ny “fitiliana ireo Silamo” ao amin'ny tafika. Ao amin'ny vohikala Veterans Today, manamboninahitra taloha iray tao amin'ny Mpiambina ny morontsirak'i Amerika, Tom Barnes, dia miteny fa mamoromporona hevitra  hambolena fifandroritana tsisy fotony “isika mifanandrina amin-dry zareo” ilay fantsom-baovao:
“… raha fintinina dia “tsy misy ilàna azy” ilay fantsom-baovao, raha ny filazana tsy dia masosotra tany amboalohany azy ity no  hivadika ho tafika masin'ny Fox Channel mifanandrina amin-dry “zareo” atsy ho atsy ity fanontaniana azo leferina ity atsy ho atsy. Tsy hoe lasa mitarazoka ihany ity zavatra ity, fa sady mampidi-doza ihany koa. Eto ny tantara.
Araka ny efa nolazaiko tery aloha, efa nitranga taloha tao amin'ny Tafika Amerikana ny tranga toy izao. Efa leon'ny Fox News manondro amiko hoe iza avy no fahavaloko aho. Isaky ny mihetsika. Tsy ankijanona. Tsy azoko veroka mihitsy fa be loatra ilay  “ry zareo” eny rehetra eny!”
Maromaro izao ireo gazety mandinika ny hoe ahoana ny fiantraikan'ny fihetsik'i Major Hasan amin'ireo Silamo miasa amin'ny tafika Amerikana, sy ireo Silamo monina manodidina an'i Fort Hood.
Ity misy video notaterin'i euroamericannews tao amin'ny YouTube momba ny fomba fijeren'ireo Silamo monina any Fort Hood ireo zava-tranga.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Satria mbola mitohy ny fanadihadiana momba ilay vonoolona, mbola hitohy hibanjina an'ireo Silamo miasa ho an'ny tafika koa ny mason'ny rehetra.
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Iray amin'ireo takela-by any  Syria maneho ny Filoha Bashar al-Assad (sary an'i  jilliancyork)
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazàna izy ireny no “stereotypical” loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho  “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany ka asandratra ho toy ny zava-marina. Kanefa, nony nahatsikaritra lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny National Geographic noheveriny fa “ny tsara indrindra amin'ny lahatsoratra miresaka an'i Syria tanatin'ireo folotaona farany,” i Sasa, Siriana mpitoraka blaogy be mpahalala , mpamahana ny blaogy Syria News Wire, dia  zavatra tsotra no azony nolazaina:
Ny tena Syria marina no  lazain'ity lahatsoratra ity. Mampibaribary ireo teboka maro  efa fantatry ny Siriana mikasika ny fireneny, saingy hodian'ireo mpanao gazety vahiny tsy hita (na dinganina), noho ny fahamaizan'izy ireny hanamafy fotsiny ny stereotypes-ny.
Tsy atao mahagaga, matetika ao anaty firenena voasamatsamaka, tsy ny olona rehetra no homba ny fandalinan'i Sasa ilay lahatsoratra.   Imad Moustapha, Masoivoho Siriana any Etazonia (sady mpitoraka blaogy rahateo) dia nandefa taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratry ny  National Geographic izay nivoaka koa tao amin'ny  blaogy Syria Comment, miantso ny lahatsoratry ny  National Geographic ho  “fanehoana diso momba an'i Syria izay tany niaviako.” Tsy dia nanao fanamarihana loatra momba ilay lahatsoratra tao amin'ny Syria Comment i Joshua Landis, ny hafatra nalefany dia naharaisana  fanamarihana efa ho valopolo any ho any sy adihevitra mivaivay.
Ny mpametraka fanamarihana, Alex avy amin'ny Creative Syria dia nanakiana ilay lahatsoratry ny  National Geographic , amin'ny filazana hoe:
Tsy dia asiako olana loatra ny ankabeazan'izay voasoratra .. fa manana olana aho amin'ny fananako fahatsapana fa ny 90% amin'ilay lahatsoratra dia ny zavatra miiba no resahany … Tsy mieritreritra aho hoe Amerikana mpamaky iray no hanisy fisalasalàna hanafoana ny fialantsasatra efa nomaniny mialoha hatao any Syria. Iza no hahalatsa-kanina ao Bab Touma raha misy Siriana mahantra mitolona ho an'ny demaokrasia ampijaliana ao ambadiky ny varavaran'i Bab Touma ao?
Mpametraka fanamarihana hafa indray, Ghassan, nankafia ilay lahatsoratra:
tena mifototra amin'ny zava-misy ilay lahatsoratra, araka ny tokony ho izy, ary tsy iadian-kevitra. Manohana ny NG aho, ary ny fampitam-baovao sy fitenenana  malalaka izay tsy misy ao Syria.
Norman, dia nametraka fanamarihana ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i  Landis, ka nanamarika fa:
Mahaliana ny hoe ahoana no tsy hiombon-kevitra amin'ity lahatsoratra ity  i Syria tia ny Siriana rehetra.
Mpitoraka blaogy maro  hafa ivelan'i Syria no nihetsi-po mafy tamin'ilay lahatsoratry ny  National Geographic. Evan Hill, manoratra ao amin'ny blaogy iraisana The Majlis, dia nahatsapa fa mametraka an'i Syria ho toy ny tavela aoriana (taraiky tsy maharaka toetr'andro) ilay lahatsoratra, ka manamarika fa:
Isika dia tavela miaraka amina Syria mihisatra, ara-toekarena sy ara-politika, amina toe-tsaina antitra be efa ho 40 taona be izao raha kely indrindra. Ny  Talen'ny orinasam-panjakana iray mpamboly hasy, manadino na manafina fotsiny izao ny fahalalàny ny loza rehetra manodidina ny tontolon'ny asa any an-toerana any, dia miondrikondrika be ihany sy toa sahirankirana rehefa nanontaniana raha toa nahazo ny tombontsoany hatramin'izay. Ireo eny amin'ny Anjerimanontolo sy ireo mafàna fo dia samy mbola raiki-tahotra amin'ny asan'ny sampam-pitsikilovana natsangan'ny rain'i Assad taona maro lasa izay mba hamotehana ny fanoherana rehefa tsy nandeha ny tetikady politikany.
Rehefa avy namaky  ny fanakianana rehetra, ny  Syria News Wire dia nanainga ireo mpamaky mba hamaky ny lahatsoratra fototra sy ny  fanakianan'i   Imad Moustapha alohan'ny handraisan'izy ireo fanapahan-kevitra.
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambàra fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovy fihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
“Ny lalànan'i Jim Crow” izay nitaky ny fisarahan-toeran'ny Amerikana fotsy sy mainty dia foana tamin'ny 1965, ary ireo lalàna manohitra ny fifangaroan-karazana fihodirana izay nandrara ny fifanambadiana olona tsy mitovy fihodirana na ny firaisana ara-nofo dia foana nanerana ny firenen-drehetra nanomboka ny 1967.
Nefa mbola misy hatrany ny fanavakavaham-bolon-koditra. Na dia hoe tsy hita mitsikafona aza izy ireny matetika, misy kosa fotoana anandratany ny lohany mahatsiravina amin'ny fomba  tsy takona hafenina; nahatonga lohateny lehibe maro manerana an'i Etazonia ity tantara ity, niteraka lahatsoratra blaogy maro avy amin'ny fiaraha-monina ao an-toerana sy ivelany.
Ho valin'ny “fiarovan-tena” nataon'i Bardwell hoe mampivady olon-droa mainty foana izy, nampiseho ny hatezerany ilay blaogy manohitra ny fanavakavahan-bolon-koditra, Stuff White People Do, amin'ny fitenenana fa:
Hay, toa tsara fanahy tokoa ianao, Atoa mpitsara Bardwell. Ny fiarovanao tsy lazaina intsony.
Raha ny tranon'i Bardwell no resahina, izay mino aho fa feno vahoaka keli-na zazakely fotsy sy mainty miara-milalao dia tokony hiteny an'izao koa izy:
Manana namana mainty hoditra maro dia maro tokoa aho. Mankanyany an-tranoko ry zareo, Mampivady azy ireny aho, ampiasain'izy ireo ny trano fidiovako. Raisiko tahaka ny olon-drehetra ry zareo.
Hay moa, namana mainty hoditra koa, maro be. Hatrany amin'ny trano fidiovany!
Mpametraka hevitra iray ao amin'ilay blaogy Siditty (izay nanoratra ny lahatsorany manokana koa  ato), dia nikitika ny momba ny eson-tenin'ny hatezeran'i Bardwell:
Manontany tena foana aho hoe fa naninona ny lehilahy avy any Louisiana, izay manan-tantara goavana momba ny fifangaroana fihodirana (volon-koditra), na amin'ny alalan'ny rafitra fametrahana na amin'ny kolontsaina kiriolona (créole), no toa niditra tamin'ny fiahiana ny ankizy tampoka teo? Tsy niasa saina momba izany ry zareo tany amin'ny taona 1700 tany, tsy tokony koa izy ankehitriny.
Ny blaogy Racism Review dia nanohitra ny “fiasàn'i Bardwell saina momba ny taranaka” tamina porofo momba ireo zaza teraka avy amin'ny fiarahan'olona tsy mitovy fihodirana:
Ary, mba handalinana kokoa ilay porofo, tsy mijaly ireo zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana raha ampitahaina amin'ireo zaza hafa raha miaina anaty tontolo manaiky ny fahasamihafana sy ny zaza teraka tamina fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy ireo. Raha sendra fanavakavahana ireny zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana ireny (sy tsy fitoviana ara-drafitra hafa), dia mety hisedra adin-tsaina izy ireo, ary koa aretina mifandraika amin'izany adin-tsaina mitombo izany, toy ny fidorohana sy ny fibobohana. Izany no vokatry ny fanavakavahana, ary antony iray hafa tokony hanaovana izay hahafoana ny fanavakavahana.  Fa  tsy tokony ho antony – raha atsimbadika ny lojika – hanamafisana ny fanavakavahana izany.
Ary Black Girl in Maine koa dia niresaka  tsara momba ilay fanontaniana  “ahoana ny momba ireo zaza?”, ka nilaza ny zava-niainan'ny zanakalahiny izay metisy:
Ary ho an'ireo ankizy, ahoana ny momba azy ireo? Eny, indraindray ireo ankizy metisy dia ampijalian'ny hafa nefa tsy matetika izany, ary izaho aza mieritreritra fa amin'ny tanora ankehitriny dia efa saika mahafinaritra izany hoe metisy izany. Araka ny nolazain'ny namako ahy dia tsy mijaly noho ny tsy fananany namana lahy na vavy,  ny zanako lahy. Amiko, ny fotoana mety hananan'ireo zaza metisy olana goavana dia rehefa tsy misy na iza na mba  hiresahany momba izay razambeny. Amiko rehefa mifandray amin'ny razambeny sy ny foko ara-tantara ireo ankizy dia mamorona toeram-piadanana ho azy ireo izany.
Any Etazonia, misy lalàna maro manohitra ny maha-metisy any amin'ireo firenena maro, mandràra ny fanambadiana eo amina Amerikana fotsy hoditra sy Amerikana mainty hoditra (ary Amerikana avy amina fihodirana hafa).  Raha tany amin'ireo firenen-kafa kosa, nofoanana nanomboka tamin'ny taona 1780 ireny lalàna ireny, tany amina firenena enina ambin'ny folo tsy nofoanana ireo lalàna ireo raha tsy taorian'ilay tranga Loving vs. Virginia tamin'ny 1967, izay nisamborana tany am-pandriana mpivady tsy mitovy fihodirana, nivady tany Washington, D.C..  Tonga hatrany amin'ny Fitsaràna Avon'ny Etazonia ny ady ara-dalànan'izy ireo, ary nofoanana tamin'izay ireo lalàna.
Mpitoraka blaogy maromaro no niresaka momba ny endrika araka ny lalànan'ity raharaha ity. Misy mpitoraka blaogy iray, Jay Says, manoratra:
Amin'ny maha-Mpitsara misahana ny fandriampahalemana azy, tokony hahafantatra izy fa tsy voarara intsony ny fanambadiana tsy mitovy fihodirana – nambara ho tsy araka ny lalampanorenana, 40 taona lasa izay. Ity ohatra miavaka ity dia nipoitra taorian'ny Diabem-pirenena  ho an'ny Fitovian-jo tamin'ity herinandro ity, ka nanadihadiako fohy mpifankatia tsotra tsy mitovy fihodirana, ry Newmans (horonantsary) ny momba ny antony anaovan'izy ireo izany diabe izany.
Ny fanavakavahana volon-koditra, sokajy, lahy na vavy, fankahalana vahiny, tsy fandeferana ara-pinoana sy ny sisa dia afaka ary misy eo amin'ny fiaraha-monintsika, nefa tsy tokony hisy izy ireny ho arovan' ny  lalàna. Mahasosotra ny famelàna mpiasan'ny governemanta mikarama amin'ny hetran'ny “olona afak'i”  Etazonia (na amin'ity tranga iray ity, firenena iray any Etazonia) hampiasa ny faharesendahatra azy manokana mba hanapahana ny momba ireo olana izay tantanin'ny lalàna sivily. Raha tsy manaiky ny fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy dia tokony hitady asa vaovao – mety hoe Lehiben'ny  Ku Klux Klan ohatra?
Farany, nisy mpitoraka blaogy iray nanaraotra ka namadika ity trangan-javatra iray ity ho fotoana hakàna lesona. Ilay mpitoraka blaogy, manoratra ilay blaogy Inona no mba haiko? [What Do I Know?], dia nangataka ireo mpamaky mba hieritreritra ny fihetseham-pony tsirairay avy momba ity resaka ity:
Raha manahy ianao fa mbola velona anatintsika rehetra ny fanavakavaham-bolon-koditra, eritrereto ny tenanao mivady amin'ny olona iray tsy mitovy fihodirana aminao, indrindra raha fotsy hoditra ianao dia mainty hoditra ilay olona. Eny e, tsy haninona izany ho an'ny olon-kafa, nefa tsy hahita antony tsara sy mitombina ve ianao hoe mety hanasarotra lavitra ny fiainany ny zanakao vavy rehefa hitondra ny fofombadiny mainty hoditra ho any an-trano izy? Aza mihatsara velatsihy e. Na dia miteny aza ianao hoe “Ts'isy olana” tsy ho nisalasala na dia kely fotsiny aza ve ianao? Raha tsia dia olona tsy dia fahita loatra ianao.
Amin'izao Bardwell miteny izao fa tsy hiova hevitra izy ny momba an'io, zavatra iray no tena azo antoka: tsy maintsy ho maro ny vaovao ho avy.
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no  milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy mpamaham-bolongana Palestiana iray any Isiraely ny fomba fitantaran'ny haino aman-jery lozam-piarakodia niseho vao haingana.
Ny mpamahana ny bolongana The Other Door [ny varavarana hafa] no mitantara ny momba ilay fampitam-baovao izay nanaovany lohateny hoe “Fanavakavahana tena tsotsotra”:
عنصرية عادية جداً
حادث طرق عادي جداً, سيارة عادية جداً انحرفت عن مسارها بشكل عادي جداً, واصطدمت بشكل عادي جداً بسيارة تاكسي , عادية جداً.
سائق السيارة الخصوصية يهودي عادي جداً وصديقه العربي, العادي جداً, قتلا في الحادث بشكل عادي جداً, 5 من راكبي التاكسي اصيبوا بجراح متوسطة بشكل عادي جدا وأخرى اصيبت اصابات بالغة بصورة عادية جداً, ركاب التاكسي ممثلي مسرح يهود, عاديون جداً.
بعد تنظيف الشارع من الدم بشكل عادي جدا, أنتشر الخبر في جميع وسائل الاعلام بشكل عادي جداً.
فعلى سبيل المثال في نشرة اخبارقناة 10 الاسرائيلية, تم بث تقرير عن الحادث مدته 7:34 د, منها 1:08 د عن السائق اليهودي وعائلته,
والباقي عن الممثلة الاسرائيلية واصدقائها , اما القتيل العربي فأكتفوا بذكر اسمه وانه محامي يسكن في كريات شمونة , ولقطة قصيرة جداً لصورة بورتريت, وليس صدفة انني نسيت اسمه فور انتهاء التقرير…
Lozam-piarakodia tena tsotsotra iray: fiara tena tsotsotra iray no nivoaka ny lalany tamin'ny fomba tena tsotsotra, ary dia namantana tamin'ny fomba tsotsotra tamina taxi iray.
Maty nandritra ity lozam-piarakodia tsotsotra tamin'ny fomba tena tsotsotra ity ny lehilahy Jiosy tena tsotsotra iray, nanamory ny fiara, sy ny namany Arabo tena tsotsotra. Naratra eo ho eo ihany tamin'ny fomba tsotsotra kosa ny mpandeha dimy tamin'ilay taxi, fa naratra mafy tamin'ny fomba tsotsotra kosa ny hafa. Jiosy tena tsotsotra mpilalao tantara tsangana ny efatra amin'ireo mandeha taxi.
Rehefa voasasa nanalana ny ra tamin'ny fomba tsotsotra ny arabe, dia niely tamin'ny hano aman-jery tamin'ny fomba tsotsotra amin'izay ny vaovao.
Ohatra, tao amin'ny vaovaon'ny Channel 10 Isiraeliana, dia naharitra 7:34 minitra ny nitaterana ity lozam-piarakodia ity, 1:08 minitra no lany tamin'ny filazalazana ilay mpanamory fiarakodia Jiosy syny fianakaviany, ary ny ambiny kosa niresahana momba ireo mpanao tantara tsangana sy ny namany. Fa ho an'ilay Arabo izay maty kosa dia nionona tamin'ny fanononana ny anarany sy ny filazana fa mpahay lalàna izy ary monina any Kiryat Shmona fotsiny ry zareo, dia namoaka ny sariny tao anatin'ny indray mi-pimaso fotsiny. Tsy kisendrasendra raha nanadino ny anarany avy hatrany aho vantany vao tapitra ilay fitateram-baovao…
Fanamarihana: ny teny hoe tsotsotra rehetra dia azo adika ihany koa hoe mahazatra avokoa
Ayesha Saldanha
Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han
Mbola voarara dia voarara tokoa ny miresaka ilay adim-poko ka tsy voaresaka mivantana loatra na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny any Xinjiang. Raha halalinina ny fandikana ny herisetra eo amin'ny Oigoro sy ny Sinoa Han any  Ürümqi ary raha jerena koa fa i Mongolia mpifanila vodirindrina aminy dia misy maha-neo-nazis azy, dia inona no tsoa-kevitra azo resahina tamin'ny herisetra avy amin'ny roa tonta?
Hu Ping tonian'ny Beijing Spring no  namoaka tao amin'ny lahatsorany faramparany ho an'ny Radio Free Asia, raha mifandraika amin'ny politikan'ny governemanta eo an-toerana ny hatezeran'ny Oigoro, ka nitanisany ny antony maromaro manamarina izany, sady nampiasany ny fomba fiteny hoe fitiavan-tanindrazana Han. Toy izao no famaritana ny fitiavan- tanindrazana Han hita ao amin'ny Wikipedia:
“ilazàna ny hevitra manandratra ny fiaviany izay manome tombony ho an'ny Sinoa Han, vondrom-poko maro an'isa any Sina raha miohatra amin'ny vondrom-poko hafa vitsy an'isa, izay matetika dia aseho amin'ny fanamboniana kolontsaina. […] Fihoaram-pefy eo amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ny manao asa na miresaka izay manandratra foko sy foto-kevitra maneho fitiavan-tanindrazana Han (sy ny teny fankahalàna vitsy an'isa).”
Niteraka fanamarihana maro ny lahatsoratr'i Hu:
08/31: 本人是汉人，去过东突厥斯坦维吾尔地区。胡平先生所说的情况完全属实。该地区的大部分区域目前的汉化状况十分严重，并不断有大量的汉族移民，维族完全被边缘化。
Sinoa Han ny tenako ary efa tany amin'ny faritra atsinanan'i Turkistan misy ny Oigoro aho. Marina avokoa ny zavatra rehetra voalazan'i Hu Ping. Henjana ny politikam-pitelemana ho Han amin'ny faritra maro, ary maro ny ao amin'ny foko Han no mifindra monina any, lasa voahilikilika tanteraka ny Oigoro.
09/01: 如果是这样的话，那美国是不是也在搞英语同化政策呢讲印第安语言的人你在美国可以畅行无阻吗？共产党的干部队伍里不但是少数民族广大汉族也一样被剥夺了宗教信仰的权利啊！维吾尔人可以不受限制地生儿育女，而当地的汉族人却被国家的计划生育政策严格限制哦！作为在中国生长的汉族人，我们真的没有感到所谓的大汉族主义！
Raha toy izay ny fijerinao azy, dia tsy toy ny tamin'i Amerika nitondra ny politikan'ny fampiasana ny teny Anglisy ve? Tsy mihevitra ve ianao fa tsy manana olana amin'izany koa ny olona miteny Indiana-Amerikana [sic] ? Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza! Tsy noferana ny isan'ny zaza ateraky ny Oigoro, fa ny Han kosa dia voafehin'ny politikan'ny fanjakana amin'ny famerana ny zaza teraka! Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!
09/01: 同化、融合是社会的进步，拒绝融合是没有出路的，就想在美国不会说英语还有机会进入主流社会吗？陈破空在美国不也只是一个社会的边缘人。
Ny fitelemana, ny fisisihana hiaraka amin'ny maro, maneho fivoarana eo amin'ny fiaraha-monina izany; tsy misy azo antenaina amin'ny fandàvana  hiaraka amin'ny maro. Mihevitra ve ianao fa ny olona tsy mahay miteny Anglisy dia ho tafiditra anaty fiaraha-monina any Etazonia? Moa ve tsy lasa olona voahilika hafa koa any Etazonia i Chen Pokong?
09/02: 维吾尔人或图博人（Tibetan）在自己的土地上说自己的语言应该是畅行无阻，这应该就是当地主流社会的语言。
Tsy tokony hisy faneriterena amin'ny fampiasan'ny Oigoro sy ny Tibetana ny teniny eo amin'ny taniny, sady io rahateo no teny fampiasan'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny.
09/02: 真会胡扯！在台湾原著民还不是要说汉语.写汉字！
Tena zavatra tsy misy fotony! Na ny tompon-tany any Taiwan aza tsy maintsy miteny sy manoratra teny Sinoa!
09/02: 真是胡评了，别忘了汉人到新疆的时间比维吾尔早
O ry Hu Ping a! aza adinoina fa ny Han anie no tonga talohan'ny Oigoro tao Xinjiang e!
09/03: 我没去过新疆，但是在我的家乡湖南，最起码我读书的两个城市：永州，长沙。还有现在在的这个城市：深圳。维族人跟我们（汉族人）比起来权利是大很多的—— 他们可以强买强卖，他们卖的价格非常高，而且看了东西一定要买，这个我们一点办法都没有的。警察可以骑在我们头上，对他们是一点办法都没有的，就是犯了事也很快出来！
Mbola tsy tao Xinjiang aho, fa raha nody tany Hunan aho dia nianatra farafahakeliny tamin'ny tanàna roa, Yongzhou sy Changsha. Izao aho eto Shenzhen. Manan-jò kokoa ny Oigoro raha oharina aminay (Han): mahazo fikarakarana kokoa ry zareo amin'ny varotra, afaka mametraka vidin'entana lafo kokoa ry zareo, ary raha mijanona ianao mijery izay amidiny, dia tsy maintsy mividy, ary tsy misy zavatra hafa azonao atao ankoatra izany. Afaka midaroka anao ny polisy nefa tsy afaka manao na inona na inona amin'izy ireo, ary raha mandika lalàna izy ireo dia vetivety dia votsotra!
09/04: 对待伊斯兰，必须大棒和胡萝卜政策同时实施，目前来看应该大棒为主。伊斯兰需要改良、进步才有出路。目前它就是反人类的宗教。
Tsy maintsy ampiasaina miaraka ny fikan'ny karaoty sy ny kibay rehefa miaraka amin'ny silamo, fa ankehitriny ny politikan'ny kibay aloha no mandeha. Mila mivoatra mihitsy aloha ny Silamo  alohan'ny hisian'ny fihatsaran-javatra. Amin'izao fotoana zao aloha izy dia mbola fivavahana tsy manaja ny maha-olombelona.
09/05: 维族被边缘化.这个基本是事实
Nahataka ny Oigoro, izay aloha ny zava-misy.
Io lahatsoratr'i Hu io dia navoaka ihany koa tao amin'ny UighurBiz, naorin'ilay mpahay toe-karena sy mpiserasera avy amin'ny  foko Oigoro Ilham Tohti; Nigadra i Tohti ny volana Jolay ary navotsotra ny faran'ny volana Aogositra, ary niteraka resabe an-tserasera tato anatin'ny herinandro ny filazany ny fanohanany ny fomba fitondràna henjana ataon'ny mpitondra vaovaon'ny antoko ao Xinjiang, Zhu Hailun (manadaboka ny politikan'ny ‘tsy misambotra olona araka izay azo atao, mampihena ny famonoana, mamindra fo kokoa) manoloana heloka be vava. Ireto misy sombiny amin'ny fanamarihana voaray androany teo amin'ny vohikalan'ny UighurBiz :
*两少一宽应该取消*
伊力哈木还对乌鲁木齐刚刚上任的市委书记朱海仑宣布取消“两少一宽”(少捕少杀，一般从宽)的少数民族政策表示赞同。他认为，法律面前应该人人平等。他说，这个政策确实让少数民族中的犯罪分子获利，同时导致了汉族人的不满。
人都是一样的汉族人被针扎了才想起要王LQ下台,维吾尔人安全受到威胁了才想起取消两少一宽.还能想起自己曾经的态度吗?
伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物，对民族和国家有着比较清醒的认识。不象其他在这的一群维族小喽罗根本就是屁也不懂，还去指责汉人的FF，其实也都是五十步笑百步。好好和你们老师学一学。
“Mila foanana ny politikan'ny “Roa fihenana, iray famindram-po”
Naneho ny fanohanany ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny Antoko Ürümqi vaovao  Zhu Hailun i Ilham ny amin'ny hanafoanana ny politikan'ny foko “Roa fihenana, iray famindram-po”  (mihena ny fisamborana olona sy ny fampiharan-tsazy, mitombo ny famindram-po). Nahatsapa i Ilham fa tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan'ny lalàna, raha lazaina fa nanararaotra io politika io ny avy amin'ny foko vitsy an'isa, nefa eo andanin'izany dia mampiteraka tsi-fahafaliana eo amin'ny Han izy io.
Izany ny olona; tsy nitaky ny fialàn'i Wang Lequan ny Han raha tsy efa nanomboka ren-dry zareo  tsindron-tavim-panindronana (seraingy);tsy nitaky ny fanalàna ny ‘Roa fihenana, iray famindram-po' ny Oigoro raha tsy nanomboka nahita fa tandindonin-doza ny fandriampahalemana. Mihevitra ve ianao fa mbola mety hiverina amin'ny heviny izy ireo?
Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham, ary mahita mazava tsara ny fahasamihafana eo amin'ny fanjakana sy ny foko. Tsy mitovy amin'irony olona manana asa zara raha asa irony izay tsy mandray ny zavatra rehetra am-pahamatorana, manao ny Han [famaritana ara-toerana] ho tsy ara-dalàna, mandray azy ireo ho toy ny vazivazy. Faly afaka nianatra zavatra avy aminao.
伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物
汉族里有多少个对维族没有歧视的？
其实，新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看，举个例子，6年前我在新疆出差，在乌鲁木齐延安南路路边打出租车，比我后来一个维族女孩也站在我旁边打车，冬天在乌鲁木齐往往打车需要很长时间，冻得不行了，好不容易一辆空车来了，根本没在女孩旁边停，直接停我面前了，我还好奇，上车后问司机什么不拉女孩，汉族司机说：我们不愿拉这些皮帽子（维族人）。问问什么？他说有次拉了个维族给的是假钱，我问有没有碰到汉族乘客给假钱的？他说也有。我说如果你们这样对待维族，你们不担心将来维汉矛盾越来越深吗？司机答：他们不敢，我们有枪。我再也没说话。出差3天，每次打车我都问司机愿不愿意拉维族，都是众口一词，什么维族人脾气大、不讲理、不愿意拉之类的话。后来问了当地一个维族人才知道乌鲁木齐全市有近六千俩出租车，由于维族乘客屡遭拒载，终于让200 多辆维族司机开出租，满足不了需求，没办法，很多维族人就做黑车生意了，二道桥一带的夏利基本上都是黑车。了解了情况后我心想这样的地方将来一定会出事！
没有无缘无故的爱和恨，就像一面镜子，你如何对待他人，他们也会如何对待你。不反思一下自己的所作所为，动不动给一个民族去贴标签，对一个世世代代在此繁衍的原住民族带上歧视的有色眼镜，新疆怎能不乱？
Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham
Ary mba firy moa ny Han tsy manavakavaka ny Oigoro?
Raha ny zava-misy, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny Oigoro fotsiny ny Han, fa tsy mandray azy ireo akory ho olombelona. Ohatra, enin-taona lasa izay, nanao afera tany Xinjiang aho. Nizotra ho any amin'ny làlan' i Yan'an Nan any Ürümqi aho ary niezaka ny hahazo fiarakaretsaka, ary iny nisy tovovavy Oigoro iray nanatona ary niezaka ny hahazo fiara karetsaka ihany koa. Tsy maintsy miandry ela foana vao mahazo fiara karetsaka any Ürümqi rehefa ririnina. Nangatsiaka be izahay ary nony farany nisy fiara karetsaka nalalaka nijanona ihany, nisongona ity tovovavy ary nijanona teo anoloako. Hafahafa, hoy ny eritreritro, ary rehefa tafiditra tao anatiny aho dia nanontany ny mpamily fa naninona no tsy nijanona ho an'ilay tovovavy izy. Hoy ilay mpamily (Han): tsy mitondra an'ireny mpisatroka hoditra ireny izahay (Oigoro). Nanotany aho hoe fa maninona. Hoy izy hoe indray andro izay efa nitondra Oigoro aho  izay nanome ahy vola sandoka, hany ka nanotany azy aho raha efa mba nisy mpanjifa Han efa nanome azy vola sandoka. Efa nisy hoy izy.
Raha toy izany no anaovanao ny Oigoro hoy aho, tsy manahy ve ianao fa hiharatsy kokoa ny adim-poko? Hoy  ilay mpamily, tsy sahy izy ireo, manana fitaovam-piadiana izahay. Hany ka tsy nahita nolazaina intsony aho. Telo andro aho no tany, ary isaky ny mandeha fiarakaretsaka aho dia manontany foana raha manaiky ny mitondra mpandeha Oigoro ry zareo, ary mahazo valin-teny mitovy foana hoe: ratsy toetra ny Oigoro, tsy azo resena lahatra, tsy ijanona ho an-dry zareo izahay, etsetra. Efa fotoana ela taty aoriana aho vao nanotany Oigoro ary nahita fa misy fiarakaretsaka 6,000 any Ürümqi, ary satria efa zatra nolavina foana ny Oigoro dia tamin'ny farany izy ireo nanarama mpamily Oigoro 200, ary rehefa tsy ampy ireo, dia tsy dia misy  n'inona n'inona azo atao loatra, noho izany, maro ny Oigoro nanomboka nanao ny fiarakaretsany tsy nahazo fahazoan-dàlana, indrindra ny fiara Xiali izay hitanao manamorona ny tetezan'i Erdao Bridge dia fiarakaretsaka piraty. Raha vao azoko an-tsaina kokoa ny tena fandehan-draharaha, dia nihevitra aho fa tsy maintsy misy zavatra hiseho na ho ela na ho haingana.
Fitiavana na fankahalàna amin'ny tsy antony, toy ny fitaratra. Ny fitondranao ny olona ihany no itondran'ny olona anao ihany koa. Raha tsy mihevitra ny vokatry ny zavatra ataonao ary ianao dia mametraka marika fotsiny ny vondrom-poko sasany, mahita ireo olona maro efa teo an-jatotaona maro niaina ny tsy rariny, ahoana no tsy hisy korontana ao Xinjiang?
汉族里有多少个对维族没有歧视的？
其实，新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看
uighurhr 发表于 2009-9-9 07:41
要让别人把你当人，你首先得表现的有个人样。
多谢党妈妈长久以来对维吾尔人的美化宣传，
以至于我们这些内地人在多次遭遇维式流氓侵害后还是不敢相信自己的眼睛。
Ary mba firy moa ny Han no tsy manavaka ny Oigoro?
Raha ny marina aza, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny OIgoro fotsiny ny Han fa manao azy ireo ho tsy olombelona mihitsy.
Raha tianao ny hitondrana anao ho toy ny olombelona, voalohany aloha ianao mila mitondra tena toa izany.
Misaotra noho ny fampielezan-kevitra tsara nataon'ny Antoko Foibe an-taonany maro, raha isika tato anatiny niharan'ny tsy rariny avy amin'ny Oigoro , ny hitan'ny masontsika aza tsy ninoantsika.
维族不讲理是惯的，党妈一向对维族的优惠政策，如民族团结最重要，如少数民族优先等等养成了他们越不讲理越能拿到好处然后就变的更加不讲理。
久而久之，汉族们就不喜欢跟你们打交道了。
Toetra nampivaka ny Oigoro ny manao zavatra tsy am-piheverana. Nahazo fiandaniana kokoa avy amin'ny Antoko Foibe izy ireo, ohatra hoe ny fanaovana lohalaharana ny fitambaran'ny foko, izay manome tombony ho an'ny foko vitsy an'isa, etsetra., natao izay mba ho raha miha-tsy misy dikany ny zavatra ataony, miha mahazo tombony izy, ary avy eo izy ireo manjary manao zavatra tsy ampy fiheverana loatra.
希望这个网站不要在天天宣传和蛊惑仇恨的魔鬼。看看吧，这个网站有多少文章在宣传仇恨的魔鬼。
Manantena aho fa ity vohikala ity dia tsy hanohy hampahafantatra sy tsy hamporisika isan'andro ny demonin'ny fankahalàna. Jereo fotsiny, firy amin'ny lahatsoratra eto amin'ity vohikala ity no manome vahana ho amin'ny fankahalàna.
西方人对黄种人，对中国人没有歧视吗？但是和100年前相比，去掉那些意识形态的影响（中国现在还是共产主义国家？），这样的歧视是多了还是少了？从100年前的人见人欺到现在的G2，这样的变化是因为老外道德素质提高了根除了种族歧视？
Koa raha izany, ny tandrefana angaha moa tsy manavaka ny Sinoa sy ny Aziatika hafa? Fa raha mijery ny 100 taona lasa ianao, ny vokatry ny fandaozana ny foto-kevitra (Mbola tany kaominista ve i Sina), nitombo ve sa nihena ny karazana fanavakavahana toy izao? Raha mijery ny aina solon'ny aina tamin'ny 100 taona lasa mandrak'ankehitriny, nisy ve izao fiovana izao satria ny vahiny no nanazava ny saina hiala amin'ny fanavakavahana?the G2
Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra
Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa. Na dia zara raha nisy aza anefa ny fandrakofam-baovao tandrefana , ny chaîne  Al Arabiya any Dubai dia namoaka ny vaovao avy any Nouakchott taorina kelin'ny fanafihana, manamarika ny timing ato amin'ity  lahatsoratra ity:
Ity fanafihana ity dia nitranga  telo andro taorian'ny nanandràtana an'i Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenen'ny fanjakana Saharan rehefa nandresy tamin'ny fifidianana natao tamin'ny volana lasa iny, izy izay nanongana ny mpitondra voafidim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika tamin'ny taon-dasa tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana nataoan'ny tafika.
The Moor Next Door dia nanoratra lahatsoratra feno momba iny tranga iny, mampiseho sarin'ireo olona tezitra tamin'ny fanafihana sy mbola tena sorena  amin'ny fitondràna :
Milaza zavatra maro ireo valin-teny mikasika iny fanafihana iny ao amin’ireo media anaty aterineto Arabo. Misy valin-teny amin’ny lahatsoratra voalohany momba iny fanafihana iny izay miteny mafy hoe “Afaho amin'i  Jeneraly izahay dia ho antsoinay hoe shahid (martiora) ianao!” Ireo hafa indray mitantara ny adalan’ilay mpanafika, maneso azy amin’ny maha-Haratianina azy. Tezitra mafy ireo Maoritaniana, toy ny nahatezitra azy ireo nandritra ireo fanafihana tamin’ireo taona lasa tany aloha. Fa raha ny fipoahana no nahatonga tsy filaminan-tsaina sy faharikorikoana, ny ankamaroan'ireo fientanam-po ireny dia mitodika manokana any amin'ny fitondrana daholo. Raha ny fanapoahana  baomba no “tantara”  lehibe indrindra nanintona ireo media tandrefana hatramin'ny fifidianana, ireo Moritianina kosa dia mahatsapa fa mbola misy olana hafa manahirana azy ireo izay mifandray amin’ny maha-ara-drariny ny firondrana sy  ny raho-mitataon'ny kiantranoantrano.
Ny mpitoraka blaogy [peace corps] Becky, izay miasa  any Maoritania, dia manambara fa mety hody any an-tanindrazany ireo mpirotsaka an-tsitrapo ao amin’ity fikambanana ity ka nitarainany:
Andro manjombona iray ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo Peace Corp aty Mauritania izao. Tsy hoe  satria mampidi-doza fotsiny ny hoan'ny hoavinay, fa satria koa ity firenena iray noraisinay ho toy ny firenenay ity dia lasa toerana iray raisin'ny rehetra ho faritra mampatahotra sy tsy milamina. Ampahatsiahivina anay foana fa ireo mpampihorohoro dia mahery fihetsika ary tsy mahasolo tena ny firehana rehetra. Noho izany dia sarotra ho ahy ny handao ireto olona tsy manan-tsiny maro ireto, na dia takatr’ireo rehetra tafaresaka tamiko aza izany.
weddady, Maoritaniana mpampiasa Twitter , mampiseho ny tsy filaminan-tsainy ao amin’ny pejin’ny Twitter-ny, manoratra:
Na dia vitsy aza ireo mpitoraka blaogy no miresaka momba ity tranga izay niseho ity, i Frantsa dia nanameloka ity fanafihana ity, ary ny Filoham-pirenena vaovao Mohammed Ould Abdel Aziz dia mampitandrina ny amin'ny mety hisian'ny fanafihan'ireo mpampihorohoro amin'ny hoavy.
Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?
Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao.
Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady (jereo ny ‘Fahanginana tanteraka eo anivon'ny blaogy Tibetana‘), tsy dia misy resaka politika loatra ny tamin'ity volana ity raha ny fahitako azy.
Hafatra fandisoana rehefa miezaka ny miditra ao amin'ny TibetABC
Tafiditra ao amin'ireo vohikala tsy azo idirana amin'izao fotoana izao ireo tena malaza, www.tibettl.com sy www.tibetabc.cn izay mampiantrano ny blaogin'ilay mpanoratra sy mpitoraka blaogy amin'ny teny Tibetana, Jamyang Kyi.  Ny vohikala sisa mandeha izao , tsy hita hohazavaina, dia ny ChodMe (Jiron-dibera) http://www.cmbod.cn/index.html
Mbola mandeha tsara i Chodme
Misy resaka mandeha amin'ny vohikalam-blaogy Tibetana fa hoe mifandray amin'ny fisamborana an'ilay mpanoratra Tibetana Tashi (solonanarana, Therang) izao fanakatonana izao. Raha mila fanazavana fanampiny momba an'i Tashi, jereo ny lahatsoratro teo aloha ato amin'ny Global Voices.
Mahagaga fa tamin'ny volana nanombohan'ireo blaogy amin'ny teny Tibetana nikatona no nivoahan'ny People's Daily  amin'ny teny Tibetana miaraka amina vohikala eto: http://tibet.people.com.cn/
Famoahana ny People's Daily  amin'ny teny Tibetana
Anatina  tontolo iainana efa feno faneriterena, zavatra iray tena mampatahotra ny firongatry ny  famerana ny tontolon'ny blaogy miahy tena  sy ny fipoiran'ireo vohikala  tantanina amin'ny fomba ofisialy amin'ny teny Tibetana .
Porto Rico: miady tanim-panjakana
Mponin'i Villas del Sol - saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria.
Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary nanafika ny fokonolona, izay mpifindra monina avy any amin'ny Repoblika Dominikana ny ankamaroany.
Polisy teo am-pidirana ny fokontany - saripikan'i  José Antonio Rosario nahazoana alalana hivoaka eto tamin'ny  Prensa Comunitaria.
Efa notapahin'ny fitondrana ny jiro sy ny rano tao tamin'ny herinandro. Nanohitra ity didy fandroahana ity ireo fianakaviana maro tamin'ny filazan'izy ireo fa efa an-taonany maro no nipetrahany teo, teo no nanorenany ny tranony sy nananganany ny fokontany, ary noroahina tsy nisy fampilazana mialoha ry zareo. Efa an-taonany maro ny sarangan'olona  niangaran'ny vintana, tany Porto Rico, no nanori-ponenana teny amin'ny tanim-panjakana satria zara fa nisy ny politika sosialy sy ny fandaharan'asa  tontosain'ny fitondrana ankehitriny hampihenana ny fahantrana sy hanomezana toeram-ponenana takatry ny sarambambem-bahoaka.
Nampamaivay adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana Porto Rikana ity fifanoheran-kevitra ity. Ao amin'ny bolongany Poder, Espacio y Ambiente (ES), ny mpampiana-dalàna sy manampahaizana momba ny tontolo iainana, Erika Fontánez, no manameloka ny herisetran'ny Polisy (ES):
La realidad es que por ser dominicanos, muchas de estas familias han tenido que soportar por todos estos años la discriminación, violencia e intimidación de la policía y de funcionarios de vivienda y hoy fue el más reciente episodio, justificado públicamente por el hecho de que no son propietarios. No son propietarios, cierto, pero acaso eso los descualifica de su dignidad humana, acaso el no serlo les priva de sus derechos civiles, de la dignidad y respeto. ¿No merecen, por no ser propietarios, un trato humano?
Ny marina dia Dominikana izy ireo, ary efa niaritra ny fanavakavahana sy ny fandrahonana avy amin'ny polisy sy ny manam-pahefana avy eto an-toerana nandritra ny taona maro. Androany ny raharaha akaiky indrindra, nohamarinina ampahibemaso fa tsy azy ireo ny tany ipetrahan-dry zareo. Marina fa tsy tompony izy ireo, saingy midika ve izany fa tsy manana ny haja maha-olona azy izy ireo? Fa angaha ny tsy fananany trano no mametraka azy ireo fa tsy hanana ny zony, ny fahamendrehany ary ny hajany izy ireo? Tsy mba mendrika ny heverina ho olombelona angaha izy ireo na dia tsy mba tompon'ny tany aza?
“Pistola” - saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria.
Manontany ihany koa i Fontánez hoe fa nahoana moa ny governemanta no mametraka fenitra samihafa amin'ny mpanorin-trano amin'ny toerana iray  mampidi-doza na amin'ny tany tsy ara-dalàna:
Y es que para los ciudadanos la implantación de la ley por medios violentos en este caso carece de legitimidad cuando ven que se aplica selectivamente contra un sector que está irrumpiendo el ordenamiento porque carece de un derecho básico y se le vuelca contra sí toda la violencia y el poder del estado, mientras otros irrumpen la ley para el lujo de casas de verano y permanecen impunes.
Eto dia tsy omen'ny olona rariny ny fanaovana herisetra amin'ny fampiharana ny lalàna rehefa hitan'izy ireo fa misy sokajin'olona iray kendrena manokana, ka manitsakitsaka ny fahefam-pitsarana satria  tsy manana ny zo fototra izy ireo ary mety iharan'ny herisetra sy ny fahefan'ny fitondrana, nefa ny hafa kosa mandìka lalàna hananana trano fipetrahana fahavaratra mirentirenty, nefa tsy mba faizina.
Michael Castro, mpanoratra ao amin'ny bolongana Poder 5 (ES), no niteny hoe:
Aquí hay un dilema entre lo justo y lo legal. Ellos están violando la ley pero no por eso es justo que se les tire a la calle y se les deje desamparados sin un techo.
Misy zava-manahirana eto manavaka ny hoe inona no rariny ary inona no ara-dalàna. Nandika lalàna izy ireo, saingy tsy midika izany fa rariny ny handroahana azy ireo ho eny an-dalambe ka avela tsy hanana toera-ponenana izy ireo.
Ny mponina sy ny polisy - saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana hivoaka eto avy tamin'ny Prensa Comunitaria.
Nanipika ny mpanoratra ao amin'nyEl blog de Sheila Vélez (ES), izay mpahay lalàna fa:
Se trata de un derecho humano fundamental: el derecho a una vivienda adecuada.  Ciertamente las estructuras  que conforman la comunidad Villa del Sol distan de ser “viviendas adecuadas”.  El suelo: inundable, las paredes: frágiles, los techos: de zinc y sin anclajes,  agua potable y electricidad…En Puerto Rico existe un problema histórico de acceso a vivienda adecuada  para amplios sectores de nuestra sociedad.   Sobre todo en un sistema económico que privilegia la propiedad privada de la tierra y la vivienda.   Y donde el concepto de vivienda  aceptado socialmente se relaciona a una estructura unifamiliar, terrera y privada.
Zon'olombelona fototra ny zo hanana toera-ponenana mendrika. Lavitra dia lavitra amin'ny fepetran'ny toera-ponenana mendrika ny fotodrafitr'asa mipetraka any Villas del Sol. Mora tratran'ny tondra-drano ny tany; malemy ny rindrina; tafo vita tamin'ny fem-barika; tsy misy jiro sy rano…Efa hatramin'ny ela no nitoetra ny olan'ny fahazoan'ny sarangan'ny maro an'isa trano fonenana mendrika. Any amin'ny rafitra ekonomika manome vahana ny ‘tany mana-tompo tsy azo idirana', ary fianakaviana iray no ekena eo amin'ny fiaraha-monina fa tompon' ny tany na/sy ny trano, dia tantara tokana no mandrafitra ny ‘efa manan-tompo'.
Villas del Sol no fokontany faharoa nanintona ny tontolom-bolongana tamin'ity fahavaratra ity. Nanasonia ny fandravana ny tetikasa vaovaon'ny fokonolona hananganana fananan-tany iombonana antsoia hoe Fideicomiso de Tierras del Caño Martín Peña ny governoran'i Porto Rico, Luis Fortuño, tamin'ny volana jona. Manazava ao amin'ny bolongany Trans(actions): Trans(acciones) (ES), ny mpianatra haka ny mari-pahaizana dokotorà momba ny fandaminana rafitr'asa sy fampivelarana, Deepak Lamba-Nieves, izay nandray anjara ihany koa tamin'ny fananganana ny tetikasa:
El Fideicomiso de Tierras del Caño Martín Peña, orquestado por el Proyecto Enlace y el Grupo de 8 comunidades aledañas al cuerpo de agua, es un proyecto ejemplar que le sigue la pista no a las misiones de Hugo Chávez ni a la Reforma Urbana de Cuba, sino a iniciativas similares en los Estados Unidos que han logrado mantener un caudal de vivienda asequible para los pobres y las familias de escasos recursos.
The Caño Martín Peña Land Trust nokarakarain'ny Proyecto Enlace sy ireo fokontany 8 manamorona ny rano dia nalaina tahaka tamin'nytarazo, tsy an'i Hugo Chavez amin'ny misiones na ny Reforma Urbana any Kiobà, fa mifanahatahaka amin'i Etazonia izay afaka nanome trano fonenana takatry ny mahantra sy ny kely fidirambola ny vidiny.
Firuzeh Shokooh Valle
Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar
Taorian’ireo disadisa telo  tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny  Tetikasa  Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.
Tale-na Tetikasa miasa miaraka amin’i Center for Social Media i Micael. Talohan’ny nanombohany niasa tao amin’ny CSM, nody avy any Repoblikan'i Goergia izay nahazoany vatsimpianarana avy amin'ny Fulbright i Micael sy  niasany niaraka tamin'ny mpanakanto avy any Georgia, Azerbaijan, Armenia ary Turkey mba hamoronana fikambanana iombonan'ny mpanakanto any Caucasus. Nanomboka tamin'ny taona 2003 ny niasany voalohany tany Caucasus tahaka ny mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny ‘Peace Corps'  tany Azerbaijan. Taorian'ny nahazoany ‘maitrise' tamin'ny taranja Anglisy tao amin'ny Anjerimanontolon'i Willamette tamin'ny 2003, niasa mba hametraka fifandraisana eo amin'ireo fiaraha-monina ara-javakanto eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ao an-toerana i Micael. Amin'izao fotoana izao i Micael dia manomana  ny ‘Master'-ny any amin'ny Sekoly Amerikana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena amin'ny taranja Fandriampahalemana iraisam-pirenena sy ny famahana olana.
Satria tapaka ny fifandraisana an-tariby eo amin'ny Armenia sy Azerbaijan, ireo firenena ireo dia  hitohana eo amina olana tsy voavaha mikasika ny Nagorno Karabakh , ilay resadresaka dia miteny koa momba ilay nifanaovana tamin'i Arzu Geybullayeva ary mitanisa koa ny nanjo an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli vao haingana teo, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika voasambotra tany Baku tsy ela akory izay, sy momba ny ezaka fametrahana  fandriampahalemana sy famahàna olana any Caucasus atsimo. Azo henoina ato ilay resadresaka.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="320" height="24" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="bgcolor" value="#ffffff" /><param name="flashvars" value="config="autoPlay":false,"autoBuffering":false,"initialScale":"scale","showFullScreenButton":false,"showMenu":false,"videoFile":"http://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2009/08/mikel.mp3","loop":false,"autoRewind":true" /><param name="src" value="http://globalvoicesonline.org/wp-content/plugins/powerpress/FlowPlayerClassic.swf" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><param name="quality" value="high" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="320" height="24" src="http://globalvoicesonline.org/wp-content/plugins/powerpress/FlowPlayerClassic.swf" quality="high" allowfullscreen="true" flashvars="config="autoPlay":false,"autoBuffering":false,"initialScale":"scale","showFullScreenButton":false,"showMenu":false,"videoFile":"http://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2009/08/mikel.mp3","loop":false,"autoRewind":true" bgcolor="#ffffff"></embed></object>
Podcast: Alefaso amina fafana vaovao| Sintony
Shina: Fitsarana an-tendrony sy fanilikilihana ataon'ny Han amin'ny Uyghur
Mihoatra ny iray volana izay no nisian'ny rotaka tany Xinjiang tamin'ny 5 jolay ary mbola manameloka ny Tandrefana sy ny Rebiya Kadeer ho nampiroborobo ny hetsiky ny mpisintaka tany Xinjiang ny ankamaroan'ny mpiserasera shinoa. Misy ihany na izany aza ny bitsika toy izay hita ato amin'ny BBS of people.com ato mipongatra etsy sy eroa, izay mihevitra fa noho ny tsindry hazo lena nandritra ny fotoana maharitra no nahatonga iny rotaka tany Urumqi iny:
一次一次的被欺压，却没地方说理，当然就要暴力！
Tsy nisy ny feo nivoaka rehefa voarahodrahona hatrany hatrany, manjary ny herisetra no vahaolana farany!
Ny fanavakavahan'ny foko Han (maro an'isa amin'ny Shinoa) manoloana ny Uyghurs hatramin'ny fotoana ela nialoha ny rotaka tamin'ny volana jolay no nahatonga iny toe-javatra iny. Raha jerena ny dinika an-tserasera hita ao amin'ny Tianya forum, dia maro ny fitsarana an-tendrony ataon'ny  Han amin'ny Uyghurs hitanao ao. Iray amin'izany ity:
先就我亲身经历来说说。我在乌鲁木齐上大学时，那时候中央电视台很出名的一档节目——非常6+1，有一期的电话幸运观众是个新疆人，主持人问他最大的梦想是什么？他的回答竟然是:希望到首都北京去住上几天旅馆。他的这个梦想把主持人都弄蒙了，问其原因才知道，原来90年代初的时候他带儿子去北京治病，结果就因为是新疆人，竟然没有一家旅馆敢收留他们的
Hitantara aminareo ny zavatra niainako manokana aho. Nandritra ny taona vitsivitsy nianarako tao amin'ny anjerimanontolo tany Urumqi dia nisy fandaharana malaza tao amin'ny CCTV mitondra ny lohateny hoe “Special 6+1”. Iray tamin'izany fandaharana izany dia niresaka tamina olon'i Xinjiang iray ny mpanentana (naotin'ny mpandika teny: maro amin'ny Han Shinoa no miantso ny Uyghur ho olon'i Xinjiang) ny amin'izay mba faniriany. Nahagaga fa ny hany valinteniny dia hoe ny hipetraka mandritra ny andro vitsivitsy  monja amina trano fandraisam-bahiny any Beijing. Vaka ny mpanentana ka nanontany izay antony. Nohazavain'ilay nasaina ary ny niainany tamin'ny diany nankany nitondra ny zanany lahy nitady hopitaly tsara hitsaboana nandritra ny taompolo 1990. Tamin'izany diany izany dia tsy nisy nety nandray azy ny trano fandraisam-bahiny rehetra tany Beijing satria olon'i Xinjiang ry zareo.
Niaina toe-javatra tahaka izany ihany koa i Feom-bahoaka tamin'ny 2006:
2006年圣诞夜，我正好在北京。北京任何一家酒吧都不必在门口挂出“不欢迎新疆人”的牌子。但无论我走到哪家都被门口保安拦下。
Tany Beijing aho nandritra ny noely 2006. Na dia tsy nisy soratra hoe “No Uyghurs” (tsy idiran'ny Uyghurs) aza ny varavarana dia sasatra aho  voasavan'ny mpiambina hatrany.
Ankoatra ny adim-piainana isan'andro dia maro no leon'ny fitsarana an-tendron'ny Hans sy ny tsy fifankahazoan-kevitra amin'izy ireo. Nitabataba tao amin'ny Tania forum i Mijery ny rahona sy ny rano misosa fa  olon'i Xinjiang hanehoany ny fahatezerany amin'ireny fitsarana an-tendrony ireny,
我要大声说我是新疆人…. 新疆是有小偷，可是哪里没有小偷？难道新疆有小偷，就说小偷都是来自新疆么？去做小偷的少数民族很容易被认出来。好么这就将小偷的帐全都算在了新疆人身上。我去过几次内地发现内地的治安远不如新疆。
Te-hihoraka aho fa Uyghur!…. Misy mpangalatra any Xinjiang, fa na aiza na aiza misy mpangalatra avokoa. Sa izany no milaza fa avy any Xinjiang ny mpangalatra rehetra? Mora tokoa manondro ny hita ho avy amin'ny minorité ho mpangalatra. Avy eo dia lazaina fa olon'i Xingjiang ny mpangalatra rehetra. Raha ny marina dia maro ny toerana any amin'ny Tanibe no notsidihako ka hitako fa mbola azo itokisana lavitra kokoa any  Xinjiang.
Na dia te-hanitsy ny politika ho amin'ny fiarovana ny fiteny sy ny kolontsaina Uyghur aza ny fitondrana foibe, dia maro ny Shinoa Han no mandà ny hanohana. Ohatra vao haingana amin'izany ny fikasan'ny fitondrana foibe hampakatra avo roa heny ny fanampiana (USD 121 million) ny garabola mampiasa teny roa any Xinjiang. Maro hatrany ny mitaraina amina politikam-piangarana tahaka izao:
Tezitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity i Mpandainga tsy manana tetika:
为什么其他地方幼儿园严重不足，而政府却不予重视呢？
Na dia manana garabola aza any any amin'ny faritra hafa, nahoana no any no iasan'ny governemanta?
Namaly i Shenqike :
会闹的孩子有奶吃啊！~~~其它地方没人闹啊！
Ahazoan-dronono ny tomanin-jaza! Tsy misy zaza mitomany any amin'ny faritra hafa!
Nanampy i Xwni ,
坏孩子有糖吃.
Zaza maditra mahazo vatomamy.
Winglok Hung