The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Ethnicity Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Ethnicity

2008-12-04

Renata+Ainara=Fitiavana

Miresaka momba ny fiovan'ny fokonolona mandrafitra ny mponina ao Moskoa renivohitra ny mpamaham-bolongana Rosiana.

2008-11-06

Madagasikara : Obama mamelonaina indray ny nofinofy Amerikana

Na dia ngeza sy midadasika aza ny elanelan-tany manasaraka amin'i Amerika, dia mandakana hatrany Madagasikara ny tazon'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana. Mizara izay fahitany izay antony mahatonga azy ireo hanaraka fatratra ity fifidianana ity ny mpiblaogy sasantsasany, ary milaza koa izay ho toeran'ny fitondran'ny filoham-pirenena Obama eo imason'ny tsirairay. Ny namana Jentilisa ...

2008-11-01

Russia ,
Azerbaijan

Manome voninahitra ilay Miozolmana Magomayev ny bolongan'ny fikambanana politikan'ny raharaham-bahiny Russia, “ilay sovietika tsy misy fangarony malaza sy mamirapiratra” izay “manana taleta sy nahavita zavatra maro: olona mendri-piderana tokoa nefa artista anisambahoakan'ny Firaisana Sovietika; Mpampianatra opera mahay ny tendrin'i Sinatra; taranaka fianakaviana artista sy mpitsoka mozika avy amin'ny sarangan'ireo tsy noheverina loatra; mpivezivezy any amin'ny toerana maro ary efa nisoho sehatra tao amin'ny La Scala ary nahalany tapakila sy nahafeno an'i Paris Olympia nefa tsy nivena tamin'ny fizakany ny zom-pirenena Sovietika ary niverina nody mandrakariva; ;  ‘Harem-pirenena’ niakatra tsikelikely anivon'ny fiaraha-monina any Moskoa, nefa tsy nanapaka mihitsy ny fifamatorany akaiky amin'ny Bakò niaviany.”

2008-10-06

Thailand

Mankalaza ny fety isantaonan'ny mpifady hena ny fokonolona Shinoa mipetraka any Thailand. Jereo sao mahaliana anao ireto sary manaraka ireto.

2008-09-10

Singapaoro: ireo vahiny mpifanolobodirindrina amintsika

Raha nanambara ireo toerana 11 vaovao hametrahana ny mpiasa vahiny ny goverinemanta tamin'ny herinandro teo dia tsy faly ny mponina avy amin'ny saranga antonony amin'ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon. Niara-nientana tamin'ny fanangona-tsonia haterina any amin'ny solombavambahoakany ao an-toerana George Yeo sy Lim Hwee  Hua ry zareo — nilaza moa ny ...

2008-08-15

Osetia Atsimo:Naka tàhaka an'i Kosovo ve?

Raha nanambara samirery ny fizakan-tenany i Kosovotamin’ny 17 febroary 2008, dia nizarazara be ihany ireo fiorenena maro manerantany ny amin’ny maha-aradrariny na tsia iny fihetsika iny Amin’izao fotoana izao, 45 amin’ireo firenena 192 mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Firenena Mikambana no nankato tanteraka ny Repoblikan’i KosovoSinganina amin’izany ny firenena maromaro ...

2008-08-13

Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy

Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy "hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny ...

2008-08-10

Brezila: Mananontanona ny ady an-trano noho ny tanin'ny IndizenyVideo post

Raha mankalaza ny andron'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao amin'ity andron'ny Vahoaka indizeny ity, dia mananontanona kosa ny ady antrano noho ny adintany mitranga any Brezila.