· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Marsa, 2012

Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy

  31 Marsa 2012

Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny

Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

  27 Marsa 2012

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.

Etazonia: Firaisankina Manohitra ny Sivana Atao Amin'ny Haisoratra Amerikana Latina

  26 Marsa 2012

Ny fanafoanana ny Fianarana  Meksikana-Amerikana[mg]  sy ny fanivanana boky marobe tao amin'ny sekoly distrikan'i Tuscon, Arizona no nahatonga ny fanohanana nasionaly izay niendrika fihetsiketseham-panoherana, tamin'ny alalan'ny famarotana boky, ny fampahafantarana boky sy vondrona mpamaky boky. Toy izany koa ny  tao an-tanànan'i New York  sy manerana an'i Etazonia, nahabe resaka sady nahazoan-desona maro ny fisian'ilay...

Arzantina: Lahatsary Fanadihadiana Momba Ireo Vazimba Teratany ao Buenos Aires

  23 Marsa 2012

Mampiseho antsika ny tantaran'ireo taranaka teratany 4 anaty fiarahamonina mipetraka ao an-tanànan'i Buenos Aires ny lahatsary fanadihadiana, ary mampiseho ny fomba nitoloman'izy ireo amin'ny fitakiana ny maha-olom-pirenena azy, sy ny fiverenana indray amin'ny kolontsainy ary ny fanomezana toerana ho azy ireo manokana ao an-tanàna. Miompana momba ireo tanaraka marobe ao...

Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana fankalazana ny Newroz - izay taombaovaony ny Kiorda

Lahatsary Misongadina: Fiarovana Ny Zon'Olombelona

  03 Marsa 2012

Andian-dahatsary mahaliana sy vao haingana nataon'ny Global Voices ho fiarovana ny zon'olombelona ka tafiditra amin'izany ny zon'ny vazimba teratany sy ny vaovao faramparany avy any Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana ary Afrika atsimon'i Sahara izay nofantenin'i Juliana Rincón Parra.